Eksôdy 6 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Fa namaly an’i Mosesy ny TOMPO hoe:

–Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin’ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin’ny taniny izy ireo!

Mampanantena an’i Mosesy ny Tompo fa hanafaka ny Israelita

2Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe:

–Izaho no «TOMPO».

3Tamin’ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha» no nisehoako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr’ireo ny anarako hoe «TOMPO.»

4Nanao fanekempihavanana tamin’izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany.

5Efa reko ny fitarainan’ny Israelita amin’ny asa fanandevozana ampanaovin’ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho.

6Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo.

7Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin’ny asa an-terivozona nampanaovin’ny Ejiptianina.

8Hoentiko any amin’ny tany izay efa nianianako tamin’ny tsangan-tanana fa homeko an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.»

9Notaterin’i Mosesy tamin’ny Israelita izany teny izany; nefa tsy nihaino azy akory ireo, fa kivy noho ny hamafin’ny fanompoana.

10Niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO hoe:

11–Mandehana miteny amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba halefany hiala amin’ny taniny ireo Israelita.

12Fa nanambara teo anatrehan’ny TOMPO i Mosesy hoe:

–Na dia ny Israelita aza tsy nihaino ahy, koa ahoana no hihainoan’ny Farao ahy izay votsa vava ity?

13Nefa mbola niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ihany ny TOMPO, ka nandidy azy hankany amin’ny Israelita sy amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamoaka ny Israelita hiala tao Ejipta.

Ny lisitry ny razan’i Mosesy sy i Aharôna

14Toy izao no lisitry ny filoham-pianakaviana teo amin’ny Israelita:

Ny zanakalahin’i Reobena, lahimatoan’i Jakôba, dia i Hanôka, i Palo, i Hetsirôna ary i Karmỳ. Izy efa-dahy no razamben’ny tarika reobenita.

15Ny zanakalahin’i Simehôna dia i Jemoela, i Jamina, i Ôhada, i Jakina, i Tsôhara, ary i Saola; ity Saola ity dia zanany tamin’ilay vehivavy kanahanita. Izy enin-dahy no razamben’ireo tarika simehônita.

16Ary ireto kosa no anaran’ny taranak’i Levỳ, tao amin’ny taranaka maro nifandimby: Telo no zanakalahin’i Levỳ, dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Levỳ.

17Ny zanakalahin’i Gersôna dia i Zibnỳ sy i Simehỳ, izay samy manana ny tarika tandrify azy avy.

18Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama, i Jitsehara, i Hebrôna ary i Hoziela. Naharitra telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Kehata.

19Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahelỳ sy i Mosỳ. Ireo no razamben’ny tarika levita samy araka ny taranany avy.

20I Hamrana dia nanambady an’i Jôkebeda anabavin-drainy ka niteraka an’i Aharôna sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Hamrama.

21Ny zanakalahin’i Jitsehara dia i Kôra sy i Nefega ary i Zikrỳ.

22Ny zanakalahin’i Hoziela dia i Misaela sy i Elitsàfana ary i Sitrỳ.

23I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.

24Ny zanakalahin’i Kôra dia i Asira sy i Elkanà ary i Abiasafa; ireo no razamben’ny tarika kôrahita.

25I Elehazara, zanakalahin’i Aharôna, dia nanambady anankiray tamin’ny zanakavavin’i Potiela; ka io no niterahany an’i Pinehasa.

Ireo rehetra ireo no filoham-pianakaviana tao amin’ny taranak’i Levỳ, samy araka ny tarika tandrify azy avy.

26Fa i Aharôna sy i Mosesy kosa nobaikoin’ny TOMPO hoe: «Ataovy izay hamoahanareo ny Israelita avy any Ejipta amim-pilaminana tsara.»

27Koa nandeha niteny tany amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, i Mosesy sy i Aharôna mba handefasany ny Israelita hiala amin’ny taniny.

Manavao ny teny fampanantenàny amin’i Mosesy Andriamanitra

28Tamin’ny andro izay nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy tany Ejipta,

29dia hoy Izy taminy:

–Izaho no TOMPO! Koa lazao amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra ambarako aminao.

30Fa novalian’i Mosesy hoe:

–Indro votsa vava aho, ka tsy hihaino ahy mihitsy ny Farao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help