1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha. Tononkira.
2Andriamanitra ô, mba iantrao sy tahio izahay
ka enga anie hojerenao amin-kamoram-po!
Fiatoana
3Dia ho fantatra eto an-tany ny fomba fiasanao
ary ho hitan’ny firenen-drehetra fa Mpamonjy Ianao.
4Andriamanitra ô, hidera Anao anie ny vahoaka,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!
5Aoka hifaly sy hihoby Anao ireo firenena
satria Ianao mitsara ny tontolo ara-drariny,
mitsara ny vahoaka araka ny hitsiny
sy mitondra ireo firenena eto an-tany!
Fiatoana
6Andriamanitra ô, hidera Anao anie ny vahoaka,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!
7Indro ny tany nanome ny vokany,
fa Andriamanitra Andriamanitray
no efa nomba fitahiana anay.
8Aoka Izy homba fitahiana anay,
dia hanaja Azy anie ny vahoaka
hatrany am-paran’ny tany rehetra!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.