Jeremià 4 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Raha hiverina ianao, ry Israely,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO,

dia mahazo miverina amiko.

Raha esorinao tsy ho hitan’ny masoko

ireo sampinao maharikoriko,

dia tsy hirenireny intsony ianao.

2Raha araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina

no hanaovanao fianianana hoe:

«Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...»,

dia ny firenen-kafa koa hangataka hotahîko

sady hanao Ahy ho reharehany.

3Izao no lazain’ny TOMPO

amin’ny olon’i Joda sy ireo mponin’i Jerosalema:

Miasà tanimboly vaovao ianareo,

fa aza mamafy amin’ny tany misy tsilo!

4Aoka ho voafora ho Ahy TOMPO ianareo

ka esory ny loto ao amin’ny fonareo

ry olon’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema.

Fandrao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako

noho ny faharatsian’ny ataonareo

ka handevona izao rehetra izao;

ary tsy hisy hamono ny afo.

Koka fanairana ao Joda

5Ataovy ny fanairana an’i Joda

ary ampandreneso ny ao Jerosalema

Tsofy ao amin’io tany io ny anjomara,

ka miantsoantsoa mafy hoe:

Mivoria ianareo,

ary andeha isika hiditra

ao amin’ny tanànamimanda.

6Atsangano tandrifin’i Tsiôna ny faneva,

ary mandosira ka aza miato;

fa hahatonga loza amin’antambo lehibe

avy any avaratra ny Tompo.

7Miakatra avy any anaty akata ny liona

ary efa eny an-dalana ny mpandrava firenena;

niala tao amin’ny toerany izy

mba handrava ny taninareo

sy hampahalao ny tanànanareo

tsy hisy mponina intsony.

8Manaova akanjo fisaonana noho izany

ka mitomania sy midradradradrà,

fa ny TOMPO tsy mbola nampiala tamintsika

ny fahatezerany mirehitra.

9Amin’ny andro hitrangan’izany,

hoy ny teny hentitry ny Tompo,

dia ho kivy ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony,

ho ketraka ny mpisorona

ary hivarahontsana ny mpaminany.

10Dia hiteny ireny hoe:

«Andray, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,

namitaka ity vahoaka ity

sy namitaka an’i Jerosalema Ianao

tamin’ny fampanantenana hoe fa

hisy fiadanana ho antsika

kanjo mihatra aman’aina ity ny sabatra!»

Mipoitra avy etsy sy eroa ny mpandrava

11Amin’izay dia hiteny amin’ity vahoaka ity

sy amin’ny mponin’i Jerosalema ny Tompo hoe:

«Ny rivotra mahamay eny an-tendrombohitra

no tonga avy any an-taniefitra

mankany amin’ny vahoakako;

tsy rivotra malefaka hikororoham-bary

12fa rivotra mahery izay nirahiko avy any,

ka hanambaràko ankehitriny

ny didim-pitsarana hamelezako azy.»

(Ny vahoaka)

13Indro tamy ny fahavalo:

toy ny rahona no iakarany hanafika,

toy ny rambon-danitra no firimorimon’ny kalesiny

ary faingana noho ny voromahery ny soavaliny.

Very isika, fa ringana tanteraka!

(Ny Tompo)

14Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao,

raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema.

Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy

no hitoetra ao anatinao?

15Henoy ange fa misy siosio avy any Dana,

ary misy vaovao milaza fahoriana

avy amin’ny faritra havoan’i Efraîma.

16Lazaonareo amin’ny mponina rehetra,

ampandrenesonareo i Jerosalema

fa manakaiky azy ny mpanao fahirano,

tonga avy any an-tany lavitra any

ka mihorakoraka hamely ireo tanànan’i Joda.

17Manodidina an’i Jerosalema

tahaka ny olona miandry saha izy.

Vokatry ny fikomianao tamiko izao,

teny hentitry ny TOMPO izany.

18Ny fitondrantenanao sy ny ratsy nataonao

no nahatonga izao taminao, ry Jerosalema.

Hotsaroanao ny ngidin’izao loza izao,

satria mihatra hatrany amin’ny fonao.

Mararin’ny loza tsinjony mialoha i Jeremià

19Endrey izany kiboko fa maharary ahy.

Manaintaina miferinaina aho;

mila ho vaky izany ny foko.

Mikorontana ny ao anatiko

ka tsy afa-mangina aho:

fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.

20Fahavoazana mifanontona no ambara;

rava ny tany manontolo.

Rava tampoka teo ny tranolay nitobianay

ary fongana indray mipi-maso ny fialofanay.

21Mandra-pahoviana no mbola hijereko

ireo faneva famantarana ady

sy handrenesako ny feon’ny anjomara?

22«Adala tokoa ny vahoakako

fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo.

Ankizy tsy misaina ireo,

tsy mahatakatra na inona na inona,

tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy

fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.

23Nojereko ny tany,

ka indro foana sady tsy nisy endrika,

ary ny lanitra tsy nisy fahazavana.

24Nojereko ny tendrombohitra

ka tsy nahajoro intsony;

ary ny havoana rehetra nihozongozona.

25Nojereko ka tsy nisy olona intsony

fa lasa mbamin’ny voronkely rehetra aza.

26Nojereko ity tany izay saha nahavokatra

ka tonga taniefitra sisa,

fa rava avokoa ny tanànany.

Noho ny nataon’ny TOMPO izany,

noho ny fahatezerany mirehitra.

27Izao no lazain’ny TOMPO:

«Ho lao ny tany manontolo

nefa tsy hofoanako avokoa.

28Noho izany, dia misaona ny tany

ary mihamaizina ny lanitra any ambony.

Satria Izaho no efa niteny;

ka tsy hanova ny fanapahan-kevitro Aho

na hihemotra amin’izany.»

I Tsiôna manoloana ireo mpamono

29Noho ny fihorakorak’ireo mpitaingin-tsoavaly

sy ireo mpitifitra amin’ny tsipîka,

dia vaky nandositra ny tao an-tanàna rehetra:

ka nitsofoka anaty kirihitr’ala

na nianika ny harambato.

Nilaozana avokoa ny tanàna rehetra,

ka tsy nisy mponina intsony.

30Ary inona ity ataonao, ry Jerosalema?

Na miakanjo marevaka aza ianao

sy miravaka volamena sady manao manja maso,

dia tsy misy ilana ny hatsaran-tarehinao.

Fa harian’ireo lehilahy naka anao ianao,

sady tadiaviny hovonoina ho faty.

31Nandre feo toy ny an’ny vehivavy miteraka aho,

dia kiakiakan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany.

Feon’ireo mponin’i Tsiôna izany,

dia ireo mponina misefosefo

sady maninji-tanana miangavy hoe:

«Lozanay fa reraka ny ainay

noho ny ataon’ireo mpamono olona!»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help