Isaià 61 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny asa aman-kafatr’ilay iraky ny Tompo

1Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko,

satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy

mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo,

hanasitrana ny olona torotoro fo,

hanambara fanafahana ho an’ireo babo

sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,

2hanambara ny taona hanehoan’ny TOMPO fanambinana

sy ny andro hanafaizan’Andriamanitra ny fahavalony

ary hitondra fampaherezana ho an’ny misaona rehetra.

3Manao fisaonana an’i Tsiôna ireo,

kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha

ho solon’ny lavenona amin’ny lohany,

hanome diloilo manitra ho solon’ny alahelo

sy fitafiana fitondra amin’ny fety

ho solon’ny toetra manjoretra.

Amin’izay no hiantsoana azy ireo hoe:

«Hazo vokatry ny fitahiana,

saha nambolen’ny TOMPO

mba hanehoany ny famirapiratany.»

4Haorina indray ireo zavatra rava fahiny,

hatsangana indray ny trano nirodana taloha;

hohavaozina ny tanàna rava,

dia ireo efa simba hatry ny ela be.

5Vahiny no hitsangana hiandry ny ondry aman’osinareo,

olona avy any an-kafa no hiasa ny tany

sy hamboly voaloboka ho anareo.

6Ianareo kosa dia hantsoina hoe:

«Mpisorona ho an’ny TOMPO»,

na holazaina koa hoe:

«Mpanao fanompoam-pivavahana

ho an’ny Andriamanitsika.»

Hanasoavana anareo ny fananan’ny firenen-kafa;

ary ianareo no higalabona amin’ny voninahiny.

7Efa nizaka henatra indroa heny ianareo

sady afa-baràka sy nandroran’ny olona.

Ka ho solon’izany, dia hoy Izaho Tompo hoe:

Handova anjara indroa heny eo amin’ny taniny ianareo

ary hanana fifaliana maharitra mandrakizay.

8Satria Izaho TOMPO dia tia rariny

ka mankahala ny fandrobana an-kafetsena;

homeko onitra ara-pahamarinana ianareo

ary hanaovako fanekempihavanana mandrakizay.»

9Ho fantatra any amin’ny firenen-kafa ny taranakareo,

ary eo anivon’ireo vahoaka ny solofonareo;

izay rehetra mahita azy dia hiaiky

fa taranaka tahîn’ny TOMPO izy.

Hira fisaorana

10Hifaly dia hifaly amin’ny TOMPO aho;

eny, hiravoravo amin’ny Andriamanitro

satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy

ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy;

ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho

na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.

11Fa tahaka ny tany mampitrebona ny tsimoka eo aminy

na tahaka ny zaridaina mampitsimoka ny voa nafafy

no hampitsimohan’ny Tompo ANDRIANANAHARY

ny fahamarinana sy ny fiderana

eo anatrehan’ny firenena rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help