2 Makabeo 8 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nanainga ny fikomiana i Joda Makabeo

1Tamin’izay i Joda Makabeo sy ireo namany no niditra an-tsokosoko isan-tanàna, ka niantso ny mpiray firenena hankeo aminy; izay nifikitra tamin’ny fivavahana jiosy dia notaominy homba azy, ka antokon-tafika sahabo ho enina no tafavory.

2Nitalaho tamin’ny Tompo izy ireo mba hitsinjo ity vahoakany izay hosihosen’ny olona rehetra, mba hangoraka ity tempoly izay zimbazimbain’ny mpanompo sampy,

3ary mba hiantra izato tanàna ravana sy mila ho voafongotra. Nitalahoany koa ny Tompo mba hihaino ny ran’ireo voavono ho faty izay mitaky famaliana,

4mba hahatsiaro ny namonoana ho faty tsy an-drariny an’ireo zaza tsy manan-tsiny, ary mba hamely ny mpaniratsira ny anarany. Izany no hanehoan’Andriamanitra fa tsy tia ratsy Izy.

5Rehefa nitarika miaramila betsaka i Joda Makabeo, dia tsy azon’ny hafa firenena noresena intsony, satria efa niova ho famindrampo ny hatezeran’ny Tompo.

6Nosovohiny tampoka na tanàn-dehibe na tanàna kely, dia nodorany; ary nametrahany miaramila ireo toerana tokony hobahanana, ka fahavalo betsaka no nataony vaky nandositra.

7Ny alina indrindra no tena nohararaotiny sy nofidiny hamelezana; ka niely hatraiza hatraiza ny herimpony.

Ny nandresen’i Joda Makabeo an’i Nikanôra(Jereo 1 Mak 3.38–4.27)

8Hitan’i Filipo, mpandraharahan’ny mpanjaka, fa mahazo vahana miandalana i Joda Makabeo ary mihamatetika ny fahombiazany; ka nanoratan’i Filipo i Ptôlemeo, governoran’i Kôilà-Siria mbamin’i Fenisia, mba ho avy hanampy azy amin’ny fitandroana ny tombontsoam-panjakana.

9Tsy niandriandry i Ptôlemeo fa naniraka an’i Nikanôra zanakalahin’i Patrôkla izay anisan’ny lohandohany amin’ireo «sakaizan’ny mpanjaka?». Tafika nisy antokony roapolo farafahakeliny sady avy amin’ny firenen-tsamihafa no nasaina nentin’i Nikanôra mba handringanany ny firenena jiosy manontolo, nomen’i Ptôlemeo ho mpanampy azy koa i Gôrjià jeneraly za-draharaha tokoa amin’ny zavatra momba ny ady.

10I Antiôkosa dia nananan’ny Rômanina trosa mitentina volafotsy 54 taonina. I Nikanôra no nanome toky ny mpanjaka fa hanefa izany amin’ny fivarotana ireo Jiosy voababo;

11Dodona ery izy nandefa fiantsoana amin’ireo tanàna amoron-dranomasina mba ho tonga hividy andevo jiosy sady nampanantena fa halefany volafotsy 27 kilao ny sivifolo aminy. Tsy voavinaniny akory izay famaliana efa hataon’ilay Andriamanitr’izao rehetra izao hiantonta aminy.

12Vao tafapaka tamin’i Joda Makabeo fa niainga tokoa i Nikanôra, dia nampandrenesiny an’ireo namany fa efa akaiky ny fahavalo.

13Ka ny sasany, raiki-tahotra sy tsy natoky ny fanafahan’Andriamanitra, dia nitsoaka nandositra any an-toeran-kafa;

14ny hafa kosa nivarotra izay sisa rehetra mba fananany ary nivavaka tamin’ny Tompo mba hanafaka ny Jiosy tsy ho azon’i Nikanôra mpankahala fivavahana sady efa nivarotra azy alohan’ny haharaiketan’ny ady.

15Na dia tsy noho ny amin’ireo Jiosy ankehitriny aza no hanafahan’Andriamanitra azy, dia noho ny fanekempihavanana nataony tamin’ny razany ahay ary noho Izy Andriamanitra masina sy lehibe efa voaantso hiaro azy.

16Novorîn’i Joda Makabeo ny miaramila sisa tafajanona homba azy, ka nisy antokon-tafika enina; dia nampirisihiny kosa ireo mba tsy hatahotra na hihorohoro amin’izay hamaroan’ny hafa firenena tamy hamely azy tsy an-drariny, fa hiady amin-kerimpo.

17Hany hatrehi-maso an’eritreritra, dia ny fandoroana mamoafady nafitsoka ny Toeramasina, ny fanimbazimbana ny tanàna Jerosalema izay noravana, ary ny fanafoanana ny fomba amam-panao jiosy nentim-paharazana.

18Dia hoy koa i Joda: «Ireo fahavalo ireo dia mitoky amin’ny fitaovam-piadiany sy amin’ny hasahiany mikatroka; isika kosa mametra-pitokiana amin’ilay Andriamanitr’izao rehetra izao, dia Ilay mahay manakorontana ireo tamy hamely antsika sy izao tontolo izao mihitsy aza amin’ny baiko iray monja.»

19Dia mbola novisavisain’i Joda teo anatrehan’ny miaramilany ihany koa ireo sehon-javatra niarovan’Andriamanitra ny razany fahataloha: tamin’ny andron’i Saneheriba, fony naringan’ny Tompo ireo miaramila nisy antokon-tafika 180;

20na koa tamin’ny ady nanoherana ny Galatianina, tao Babilônia, antokon-tafika valo monja no nikatroka nampian’ny Masedônianina antokon-tafika efatra; voasokera mafy dia mafy ireto Masedônianina, kanefa iretsy antokon-tafika valo noho ny vonjy azony tamin’Andriamanitra dia nandripaka fahavalo antokon-tafika 120 sady namabo zavatra betsaka.

21Nampisy toky an’ireo miaramilany izany tenin’i Joda izany ary nahavonombonona azy ho faty ho an’ny lalànan’Andriamanitra sy ho an’ny tanindrazana. Dia nozarainy ho ampahany efatra ny tafiny;

22ka ankoatra ny tenany, samy napetrany hitarika ampahany anankiray avy i Simôna sy i Jôsefa ary i Jônatàna rahalahiny, dia ampahany nisy miaramila dimanjato sy arivo.

23Fanampin’izany, nandidy an’i Elehazara i Joda hanao famakiana ny boky masina; avy eo, dia nomeny ho teny haikan’ady ny hoe «Andriamanitra no vonjy» ary notarihiny ny ampahany voalohany hamely an’i Nikanôra.

24Nombàn’ilay Andriamanitr’izao rehetra izao ny Jiosy ka namono nahafaty ny fahavalo mihoatra ny antokon-tafika sivy; noratrainy sy noboriny kosa ny ankabeazan’ny miaramilan’i Nikanôra ary nataony vaky nandositra ny sisa.

25Nalain’ny Jiosy ny volan’ireo tonga mba hividy azy ho andevo. Ireo mpandositra kosa nenjehiny lavitra ihany; kanefa voatery niverina ireo mpanenjika satria voasakan’ny fotoana tratra aoriana.

26Efa hisantatra ny sabata manko tamin’izay, ka tsy afa-nanohy ny fanenjehana azy intsony ireo.

27Nangoniny ny fiadian’ny fahavalo, ary nobaboiny ny zavatra teny an-kodiny; dia nankalazainy ny sabata, ary noderainy sy nisaorany fatratra ny Tompo Izay nampisy izany andro nanehoany indray ny famindrampony izany.

28Rehefa lasa ny sabata, dia nizarany tamin’ny babo ireo Jiosy niharan’ny fanenjehana sy kamboty ary mpitondratena, vao nozarainy tamin’izy samy izy mbamin’ny zanany ny sisa.

29Vita izany, dia niara-nivavaka ireo Jiosy nitalaho tamin’ny Tompo mba hihavana tanteraka amin’ny mpanompony indray.

Ny nandresen’i Joda Makabeo an’i Timôty

30Tamin’izay i Joda sy ny mpomba azy dia niady tamin’ny miaramila fehezin’i Timôty sy i Bakîda; ka nahafatesany mihoatra ny antokon-tafika roapolo ireto fahavalo, ary azony tamim-kerimpo ireo tranomimanda avo. Nozarainy roa mitovy ny babo betsaka voaangony: ny toko iray ho azy mpiantafika, ary ny toko iray ho an’ireo niharan-panenjehana ara-pivavahana sy ho an’ireo kamboty ama-mpitondratena ary koa ny antitra.

31Nataony tsara angona ny fiadian’ireo fahavalo ka natobiny tamin’ny toerana ilàna azy; ary nentiny ho any Jerosalema ny zavatra hafa azo teny an-kodiny.

32Novonoiny ho faty ilay mpifehy tafika nikambana tamin’i Timôty; lehilahy tsy mifaditrovana loatra izy io ka nahavita ratsy be tamin’ny Jiosy.

33Fony nankalazaina tao Jerosalema renivohitra iny ny fandresena, dia nodorana velona ireo nandoro ny varavaran’ny tempoly

; natao toy izany koa i Kalistena izay toa nandositra tao amina trano bitika anankiray, ka nahazo sazy tandrifin’ny fanimbazimbany zavatra masina.

Nandositra hatrany Antiôkia i Nikanôra

34I Nikanôra, ilay jiolahy tsy misy toa azy, dia nampiavy mpandranto arivo mba hividy ny Jiosy aminy;

35nefa, noho ny vonjy avy amin’ny Tompo, dia nandresy azy kosa ireo noheveriny ho kanosa tokoa. Ka nendahan’i Nikanôra ny fanamiam-boninahitra teny aminy; dia nandositra namakivaky saha izy, tahaka ny andevo nitsoaka. Honjohonjon’izy irery no niditra tao Antiôkia, ka nambinina manokana izy na dia voa mafy aza ny tafiny.

36Nampanantena hanefa ny sisan-trosa haloa amin’ny Rômanina izy, kanjo ankehitriny dia nanambara fa tsy azo resena ny Jiosy; manana an’Andriamanitra ho mpiaro ireo, satria mankatò ny lalàna nandidiany azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help