Bena-Siràka 38 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny dokotera sy ny aretina

1Omeo ny haja tandrify azy ny dokotera,

satria ilainao izy sady noarin’ny Tompo koa.

2Eny, ilay Avo Indrindra no iavian’ny fahasitranana

ary Izy Mpanjaka no ahazoanao io fanomezana io.

3Ny dokotera kosa afa-mirehareha amin’ny fahaizany;

ary igagana azy izany eo anatrehan’ireo lehibe.

4Ny Tompo no nahary ny fanafody vokatry ny tany,

ka tsy manao ireny tsy ho zavatra ny olona misaina.

5Tsy tapa-kazo iray ve no nampiasain’i Mosesy

hahatonga ny rano ho azon’ny vahoaka sotroina,

ka hahafantarany ny herin’Andriamanitra?

6Notolorany fahaizana koa ny olona

mba hanome voninahitra Azy

amin’ny asa mahagaga vitany.

7-8Ny mpanamboatra fanafody no mampiasa

ireny asa mahagaga vitan’ny Tompo ireny

mba hanaovana zavatra mifangaroharo;

dia entin’ny dokotera kosa izany hitsaboana

sy hanalefahana ny fanaintainana;

ka mitohy ny asa faharian’Andriamanitra,

sady Izy no iavian’ny fahasalamana eran-tany.

9Anaka, raha marary ianao, dia aza manao tsirambina;

fa mangataha amin’ny Tompo, dia hositraniny ianao.

10Mitsahara amin’ny fahotanao,

ary izay hitsiny no aoka hataonao;

aoka hodiovinao ny fonao

ho afaka amin’ny heloka isan-karazany!

11Raha zakan’ny fari-panananao izany,

dia vovo-javamanitra sy lafarinina tsara indrindra

no aoka hoentinao hatolotra ny Tompo

mba ho fampahatsiarovana ho Azy;

dia andraraho menaka ny fanatitrao.

12Avy eo omeo toerana ny dokotera

fa noarin’ny Tompo koa izy;

ary aoka tsy hohalaviriny ianao,

satria misy ilànao azy!

13Misy ihany ny fotoanandro

izay ahombiazan’ny tanany,

14satria hivavaka amin’ny Tompo koa izy

mba hanome fahombiazana azy

hahatonga fitoniana sy fahasitranana

ka hanalava ny andro iainan’ny olona.

15Izay manota eo imason’ny Mpahary azy

no aoka ho latsaka eo an-tanan’ny dokotera!

Ny fomba fisaonana(Jereo 22.11-12)

16Anaka, itomanio tokoa ny maty;

ary aoka hanao fidradradradrana ianao

toy ny olona efa iharan-doza lehibe!

Dia ataovy amin’ny nofon’ny maty

izay fandevenana tandrify azy

ary aza atao tsirambina ny fasany.

17Mitomania fatratra ary mamoaha sento mafy;

manaova fisaonana araka ny sahaza ny maty,

indray andro na indroa andro

mba tsy hisian’ny vava ratsy;

dia mionòna hampisava ny alahelonao.

18Fa mety hahatonga fahafatesana ny alahelo;

ary mampihena ny hery ny alahelon’ny fo.

19Rehefa ory mafy ny tena dia mihombo ny alahelo;

ka izay miaina toa olo-mahantra

dia toa mahatsapa ho voaozona.

20Aza avela ho difotr’alahelo ny fonao,

roahy izy ary hevero ny hiafaranao.

21Aza hadinoina izao: ny maty tsy hiverina intsony;

ka tsy hahasoa azy ny fahorianao

sady hanimba ny tenanao.

22Tsarovy izay zavatra nihatra taminy,

satria toy izany koa no hihatra aminao:

ny azy omaly fa ny anao rahampitso.

23Ao anaty fitsaharana ny maty,

ka atsaharo ny fieritreretana azy;

ary mionòna ianao ny aminy,

satria efa lasana ny fanahiny.

Ny lafy ratsin’ny fanaovana asan-tanana

24Ny fahendrena dia azon’ny mpahalala azy

noho ny fananany fotoana hisainana;

ary izay kely asa herehina no hihahendry.

25Ahoana moa no hahatonga hendry

ny mpiasa tany mitana angadinomby?

Ny ireharehany dia ny mampandihy lefona fanindronana,

sy ny miroaka omby ary ny lany andro mampiasa azy;

ny hany foto-dresany dia momba ny vantotr’ombalahy.

26Ny hanao vavasa no ifantohan’ny fony;

ary ny hampahazo vilona ny vantotr’ombivavy

no mba mahatonga azy hiari-tory.

27Toy izany koa ny mpandrafitra hazo sy ny mpanorin-trano

izay samy manao ny raharahany andro aman’alina;

ohatra ny mpisikotra marika amin’ny tombokase

dia tsy sasatry ny manovaova endri-javatra;

ny hamoaka ny sary alain-tahaka no ifantohany

ary ny hahavitana taozavatra lavorary

no mba mahatonga azy hiari-tory.

28Toy izany koa ny mpanefy vy

izay mipetraka eo anilan’ny riandriana

sy mandinika ny akoram-by hotefeny;

mampitsonika hatsembohana azy ny eton’afo

ary miaritra ny hafanàn’ny lafaoro izy,

mampaharenin-tsofina azy ny fikatrokatroky ny tantanana

ary dinihin’ny masony ny fanaka izay alain-tahaka;

ny hamitana taozavatra lavorary no ifantohan’ny fony,

ka ny mandambolambo izany ho lavorary

no mba mahatonga azy hiari-tory.

29Toy izany koa ny mpanefy tanimanga

izay mipetraka eo anilan’ny taozavatra ataony

sy manodinkodin-kodiarana amin’ny tongony;

ny taozavatra tontosainy no ahîny lalandava,

ary isa voafetra no tratrarin’ny asany isan-karazany;

30ny tanany no amolavolany ny tanimanga

izay efa nohosihosen’ny tongony mba halemy;

ny mandambolambo ny asany

no ifantohan’ny fony

ary ny fanadiovana ny lafaoro

no mahatonga azy hiari-tory.

31Ireo olona rehetra ireo dia mitoky amin’ny tanany

ary samy manam-pahaizana amin’ny asany avy.

32Raha tsy misy azy ny olona, tsy hahorina tanàna

na ho afaka honina ao na hivezivezy ao;

kanefa tsy mba hakana hevitra izy

eo amin’ny antenimieram-bahoaka,

33na mba homen-kaja eo amin’ny fivoriana,

na mba hitoetra eo amin’ny sezan’ny mpitsara;

tsy mba hahafantatra na hampamirapiratra

ny fotopototry ny fahaizana sy ny rariny izy,

ary tsy mba ho hita mihitsy eo anivon’ireo lehibe.

34Kanefa ny zava-boaary no hamafisiny

eto amin’izao tontolo izao;

ary ny hamitana ny raharahany

no anaovany fivavahana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help