Jodita 15 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Faharesen’ny Asirianina

1Rehefa nandre ny zava-nitranga ireo miaramila izay teny amin’ny tranolainy avy, dia very hevitra.

2Nianjadian’ny tahotra sy nivadi-po izy, ka indray niparitaka samy naka ho azy ary nandositra tamin’ny lalan-kely teny an-tany lemaka sy teny an-tendrombohitra.

3Ireo nitàna ny tampon-tendrombohitra manodidina an’i Betolia dia nitsoaka nandositra koa.

4Nandefasan’i Hôzià iraka ny tanàna Betômestaima sy Bebay ary Kôbà sy Kôlà mbamin’ny faritanin’i Israely manontolo hilaza ny zava-nitranga. Ary nanainga ny besinimaro ireto iraka mba hanenjika ny fahavalo sy handringana azy.

5Vao nandre izany ny Israelita rehetra, dia indray niantoraka tamin’ny fahavalo ary nanamontsana azy hatrany Kôlà. Ny olona avy any Jerosalema sy avy amin’ny faritra rehetra be tendrombohitra dia tonga ihany koa, rehefa nilazana izay niseho tao amin’ny toby asirianina. Ny mponin’i Gilehada sy i Galika kosa avy any an-daniny no namely mafy ireo fahavalo hatrany Damasa sy ny manodidina.

6Nidina tao amin’ny toby asirianina ny mponina sisa tao Betolia, dia nandroba azy ka nahazo harem-be.

7Rehefa niverina avy any am-panenjehana fahavalo ireo Israelita, dia nifaoka ny zavatra sisa rehetra. Ny mponin’ny tanàna kely sy ny toeram-piompiana na teny an-tendrombohitra na teny an-tany lemaka dia nandraoka babo betsaka koa, satria maro dia maro izany.

Filaharam-pandresena nataon’ny Israelita

8I Jôakima mpisorombe sy ny antenimieran-doholon’i Israely, izay nitoetra tao Jerosalema, dia tonga tany Betolia. Tiany ho hita maso manko ny soa nataon’ny Tompo tamin’i Israely, ary tiany hojerena sy hotoloram-piarahabana koa i Jodita.

9Rehefa tafiditra tao an-tranon-dravehivavy izy rehetra, dia niara-nankalaza azy sady niteny taminy hoe:

10–Ianao no fisandratan’i Jerosalema, ianao no tabiha lehibe ho an’i Israely, ianao no rehareha lehibe ho an’ny firenentsika! Ianao no nahavita ireo zavatra isan-karazany ireo, ka nanasoa an’i Israely; ary sitrak’Andriamanitra ny nataonao. Enga anie hitahy anao mandrakizay ilay Tompon’ireo rehetra izao!

Dia novalian’ny vahoaka rehetra teo hoe:

–Amen! Ho tanteraka tokoa anie izany!

11Telopolo andro no nanangonan’ny Israelita ny entana babo teo amin’ny toby asirianina. Dia nomena an’i Jodita ny fananan’i Hôlôferna: dia ny tranolay, ny fanaka volafotsy, ny farafara, ny tsangambava, ary ny fitaovana hafa rehetra. Dia nalain’i Jodita avokoa izany; ka nisy ampahany namesarany mole fa ny sisa kosa nataony nifatratra tao anaty sarety izay nasainy notarihim-biby.

12Ny vehivavy rehetra tao Israely dia tonga nijery an’i Jodita sy nankalaza azy; ny sasany tamin’ireo kosa niara-nihira sy nandihy ho fihobiana azy.

13Nisy fehiloha ravin-kazo nalain’i Jodita ka nomeny ny vehivavy tafaraka taminy; dia samy nisatroka fehiloha ravin’ôliva na i Jodita na ireto vehivavy tafaraka taminy. Avy eo i Jodita dia niroso tery an-dohan’ny filaharana ka nitarika ny dihin’ireo vehivavy hafa. Ny nanaraka azy ireo dia ny vatan-dehilahy rehetra tao Israely, samy nitam-piadiana sy nitondra fehiloha ravin-kazo ary niara-niredona hira.

14Dia niventy hira fisaorana teo anatrehan’ny Israelita rehetra i Jodita, ka niombona tamin’ny fiderany avokoa ny vahoaka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help