1Ary hoy i Jodita hoe:
Miventesa hira ho an’ilay Andriamanitro,
ka araho ampongatapaka izany;
mihirà ho an’ny Tompo,
ka ivelezo kipantsona izany!
Arindrao ny salamo fiderana Azy,
asandrato ary antsoy ny anarany.
2Satria Andriamanitra mampitsahatra ady ny Tompo
sy nanafaka ahy teo am-pelatanan’ny fahavaloko;
ny Tompo niorin-toby teo anivon’ny vahoakany
ka namerina ahy soa aman-tsara ao an-tobiny
3Avy any an-tendrombohitra avaratra any
no nipoiran’ny tafika asirianina,
dia tafika miisa an’alinaliny;
ka nahatohana riaka ny hamaroana
ary naharakotra havoana ny mpitaingin-tsoavaliny.
4Nilaza ireto fahavalo fa handoro
ireo faritanin’ny firenenay
sy hamono ho faty ny zatovonay amin-tsabatra,
hanipitsipy ny zaza mbola minono,
hitondra ny zanakay ho babo
ary hifaoka ny tovovavinay.
5Saingy ny Tompon’izao rehetra izao no nisakana azy
tamin’ny alalan’ny tanam-behivavy.
6Tsy tovolahy tomady no nandavo ilay filohany,
tsy lehilahy mahery no nahafaty azy,
tsy olona ranjanana no niady namely azy.
Fa i Jodita, zanakavavin’i Merary,
no nandresy azy tamin’ny hatsaran-tarehiny.
7Mba hanafahana an’i Israely amin’ny famoretana,
dia nesoriny ny akanjo maha mpitondratena azy
fa nohosorany ilomanitra ny tarehiny.
8Nohodidinin’i Jodita fehiloha ny volony;
ary nitafy akanjo vita kiran-drongony izy
mba hahasarika an’ilay fahavalo.
9Voasinton’ny kapan’i Jodita
ny mason’ilay filohan-tafika,
ary jamban’ny bikany;
kanjo izany vehivavy izany
no nanapa-doha azy tamin’ny sabatra
10Nampangovitra ny Persianina ny fahasahiany,
ary nampihorohoro ny Medianina ny herimpony.
11Dia velona akoran’ady ilay firenenay voaetry,
ka raiki-tahotra azy ny Asirianina;
nanakora ilay vahoakanay efa nihaona
ka nahataitra ireo fahavalo;
nihorakoraka tokoa ny vahoakanay
ka nampivarahontsana azy.
12Nogorobahin’ny Israelita
ireo tsy vanon-ko olona ireo
ka voaratra mila ho faty
no nitsoaka nandositra toa kanosa.
Ka maty ireo fahavalo ireo,
satria ny Tompo no niady taminy.
13Hihirako hira vaovao ilay Andriamanitro:
Tompo ô, lehibe sy heni-boninahitra ianao.
Mampitolagaga ny herinao ary tsy hay toherina.
14Izay rehetra noarinao aoka hanompo Anao;
satria niteny Ianao, dia nisy ireo
ary nandefasanao ny Fanahinao hampirindra azy.
Tsy misy olona mahatohitra ny teninao.
15Nihozongozona ifotony ny tendrombohitra,
ka nazera ho any anaty ranomasina;
ary niempo toy ny savoka ny vatolampy.
Izay mpanaja Anao kosa, Tompo ô,
dia toloranao fanambinana.
16Satria zavatra kely loatra ny sorona
mba hankasitrahanao ny etony;
ny jaborany dorana manontolo ho Anao
dia tsy manan-danja firy eo imasonao.
Fa izay manaja ny Tompo
no manan-daza mandrakizay.
17Loza ho an’ireo hafa firenena mamely ny firenenay
Ny Tompon’izao rehetra izao no hamaly azy
amin’ny andron’ny fitsarana;
ka ho lanin’ny afo sy ny olitra ny nofony,
ary haharitra mandrakizay ny tomanim-pahoriany.
18Rehefa tonga tany Jerosalema izany vahoaka nilahatra izany, dia nankao an-tempoly hiankohoka amin’Andriamanitra. Avy nidio izy rehetra no nanolotra ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra an-tsitrapo ary ny fanomezana hafa.
19I Jodita kosa nametraka ho an’ny tempoly ny fitaovana rehetra nananan’i Hôlôferna ka nomen’ny vahoaka azy. Ilay lamba aro moka, izay nalainy tao an’efitranon’i Hôlôferna, dia natolony an’Andriamanitra ho babo voatokana ho Azy.
20Nandritra ny telo volana no nifaly teo anoloan’ny Toeramasina ny vahoaka; ary nijanona niaraka tamin’ireo i Jodita.
Ny fiafaran’i Jodita21Taorian’ny andro fety dia samy nody tany am-ponenany avy ny olona. I Jodita koa niainga nankany Betolia ary niaina tao amin’ny zarataniny. Dia nahazo laza ny tanin’i Israely manontolo tamin’ny fotoanandrony.
22Maro ny lehilahy naniry hanambady azy. Fa hatramin’ny nahafatesan’i Manase vadiny sy nandevenana azy tao am-pasan-drazany, dia tsy nety nanambady intsony i Jodita nandritra ny andro sisa niainany.
23-24Dia nandroso fahanterana sady heni-boninahitra izy. Niaina tao an-tranom-badiny izy ka nahatratra dimy amby zato taona. Alohan’ny hahafatesany, dia nanome fahefana ilay mpanompovaviny izy ary nizara ny fananany tamin’ny lafin-kavan’i Manase vadiny sy tamin’ny lafin-kavan’ny tenany.
Maty tao Betolia i Jodita ary nalevina tao amin’ny fasam-badiny. Nanao fisaonana azy nandritra ny fito andro ny vahoaka.
25Tsy nisy olona sahy nanabataba an’i Israely tamin’ny andro niainan’i Jodita sy nandritra ny taona maro taorian’ny nahafatesany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.