1Tamin’ny taona faha-172 dia novorîn’i Demetry mpanjaka ny tafiny; ary nankany Media izy haka miaramila mpanampy mba hoentiny miady amin’i Trifôna.
2Nony ren’i Arsaky, mpanjakan’i Persia sy i Media, fa niditra ny faritaniny i Demetry, dia nirahiny hanao azy sambo-belona ny iray tamin’ireo jeneraliny.
3Dia roso ilay iraka; ka ny tafik’i Demetry noreseny, ny tenan’ny mpanjaka kosa nosamboriny ary nentiny ho any amin’i Arsaky sy nataon’io an-tranomaizina.
Fankalazana an’i Simôna4Nandry feizay ny tanin’i Jodea nandritra ny andro rehetra nitondran’i Simôna. Nikely aina tokoa izy hampandroso ny fireneny; ka nankasitrahin’ny vahoaka ny fahefana amam-boninahitra nananany tamin’izany androny rehetra izany.
5Vao mainka nitombo voninahitra izy fony nahazo an’i Jôpa hataony fitodian-tsambo ka hifandraisany amin’ireo nosin-dranomasina.
6Nampitatra ny sisintanim-pireneny i Simôna sady nahatazona mafy ny faritra nofeheziny
7ary nampiverina Jiosy maro voasambo-belona an’ady. Azony ny tanàna Gezera sy Bety-Tsoro ary koa ny toera-mafin’i Jerosalema, ka nesoriny avokoa ny fahalotoana ara-pivavahana tamin’ireo toerana ireo; ary tsy nisy olona nahatohitra azy.
8Samy niasa ny taniny amim-piadanana ny vahoaka; ka ny saha nanome vokatra ary ny hazo teny an-demaka nanome voa.
9Ny anti-dahy, nipetraka teny an-kianja, dia samy niresaka fitomboan-karena; ny tovolahy miakanjo ny fanamiana fanaova-matso sy fitondra an’ady.
10Namatsy hanina ireo tanàna i Simôna, ary namonona fitaovam-panamafisana azy, hany ka niely hatrany am-paravazantany ny laza be voninahitra nananany.
11Namerenany fiadanana indray ny tanin-drazany, ka nifaly tamin-karavoana lehibe i Israely.
12Samy nipetraka nilamina teny ambany voalobony aman’aviaviny avy ny tsirairay, fa tsy nisy olona nampitahotra azy intsony.
13Nandao ny tanin’i Jodea ny mpanani-bohitra; ary resy avokoa ny mpanjaka fahavalo, tamin’izany andro izany.
14Notohanan’i Simôna ny mahantra rehetra teo amin’ny vahoakany; notandremany ny lalànan’Andriamanitra ary nofongoriny avokoa izay mpanohitra izany sy izay olon-dratsy.
15Nataony mamirapiratra indray ny tempoly ary nohamaroiny ny fanaka masina.
Nandefasan’ny Sparsiata taratasy i Simôna16Rehefa re tany Rôma sy hatrany Sparta mihitsy aza fa hoe maty i Jônatàna, dia nalahelo mafy ny mponin’ireo tanàna ireo.
17Ary nony fantany fa hoe i Simôna rahalahiny no mpisorombe nandimby azy sy nifehy ny tanin’i Jodea mbamin’ny tanàna ao aminy,
18dia naka takelaka halimo ireo ary nanoratra ho any aminy hanavao ny fanekem-pivavahana nataony tamin’i Joda sy tamin’i Jônatàna rahalahiny
19Novakîna teo anatrehan’ny vahoaka rehetra tafangona tao Jerosalema ny taratasy;
20ary izao no kopian’ireo nalefan’ny Sparsiata:
–Izahay, lehiben’ny Sparsiata sy mpiray tanàna, no manoratra aminareo sy miarahaba anareo, ry Simôna mpisorombe sy ry loholona mbamin’ny mpisorona sy ny vahoaka jiosy manontolo mpiray firenena aminy.
21Voaresak’ireo masoivoho nalefanareo ho aty amin’ny firenenay ny haja amam-boninahitra anananareo; sady nahafaly anay ny famangiany anay.
22Ary ny teniny dia nosoratanay ao amin’ny raki-tsoratry ny firenenay toy izao: «I Nomeniôsa zanakalahin’i Antiôkôsa ary koa i Antipatera zanakalahin’i Jasôna dia masoivohon’ny Jiosy, ka tonga taty aminay hanavao ny fisakaizana aminay.
23Sitraky ny vahoakanay ny nandray an’ireo lehilahy ireo tamim-pomba manetriketrika sy ny nametraka ny kopian’ny lahateniny ao anatin’ny bokim-panjakana mba hitazonan’ny vahoaka sparsiata ny fahatsiarovana azy. Ary ny kopian’izao zavatra izao dia nosoratana ho an’i Simôna mpisorombe.
24Taorian’izany no nalefan’i Simôna ho any Rôma i Nomeniôsa mba hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Rômanina; nitondra ampinga volamena lehibe milanja 44 kilao i Nomeniôsa tamin’izay.
I Simôna mpisorombe sady filohan’ny firenena jiosy25Nony nandre ireo zava-nitranga ireo ny vahoaka jiosy, dia nanao hoe:
–Inona no mari-pankasitrahana hatolotsika an’i Simôna sy ireo zanany?
26Fa samy naneho herimpo tsy mety ketraka na ny tenan’i Simôna na ireo rahalahiny na ny ankohonan-drainy ka niady tamin’ny fahavalon’i Israely mba hampiala azy ary nanao izay hahazoantsika fahafahana.
Dia nisy teny nosokirin’ny Jiosy tamina takelaka halimo maromaro ka nahantony tamin’ireo andry tao an-tendrombohitra Tsiôna;
27ary izao no kopian’ireo teny ireo:
–Tamin’ny andro faha-18-n’ny volana Elola, taona faha-172, na hoe taona fahatelo nanapahan’i Simôna mpisorombe tao amin’ny kianjan’ny vahoakan’Andriamanitra,
28dia nisy fivoriambe nataon’ny mpisorona mbamin’ny sarambabem-bahoaka sy ny lohandoham-pirenena ary ny loholom-paritany. Ka teo no nampahalalana anay ireto zavatra ireto.
29Tamin’ny ady maro natao teto amin’ny tanintsika, i Simôna zanakalahin’i Matatià sady mpisorona anisan’ny antokon’i Jôiariba ary koa ireo rahalahin’i Simôna dia samy nanao vy very ny ainy; nanohitra ny fahavalom-pirenena ireo mba hijoroan’ny tempoly mbamin’ny lalàna, ka nampahazo voninahitra lehibe ny fireneny.
30I Jônatàna no namory ny firenentsika sy tonga mpisorombe teo amintsika, vao nodimandry.
31Dia nitady hanafika ny tanin’i Jodea ny fahavalo mba handrava azy sy handroba ny tempoly.
32Fa nitsangana kosa tamin’izay i Simôna ka niady ho an’ny fireneny; vola aman-karena betsaka no nafoin’ny tenany sy nolaniny mba hamononana fiadiana ho an’ny vatan-dehilahin’ny tafi-pirenena sy hanomezan-karama azy.
33Nohamafisiny ny tanànan’i Jodea ary koa i Bety-Tsoro izay miorina eo amin’ny sisin-tany sady fitahirizam-piadiana teo aloha ho an’ny fahavalo; dia nametrahany andia-miaramila jiosy tao.
34Nohamafisin’io Simôna io koa i Jôpa izay miorina eo amoron-dranomasina sy i Gezera izay eo amin’ny sisintanin’i Asdôda sady nonenan’ny fahavalo teo aloha; ka Jiosy no namponeniny tao sy namononany ny zavatra rehetra ilainy hivelomany.
35Hitan’ny vahoaka ny toetra mahatoky nananan’i Simôna sy ny voninahitra kendreny ho azon’ny firenena; ka dia natsangany ho lehibeny sy ho mpisorombeny izy noho ny zavatra rehetra vitany ary ny toetra mitandro ny rariny sady mahatoky nasehony tamin’ny fireneny. Niezahany tamin’ny fomba isan-karazany koa ny hanandratra ny fireneny.
36Nandritra ny androm-piainany, dia nahomby izy tamin’ny nataony handroahana tao Joda ny hafa firenena sy ireo namahatra teo amin’ny Tanànan’i Davida tao Jerosalema; nahavita toera-mafy teo manko ireo ka nivoaka avy ao mba hanimbazimba ny manodidina ny tempoly sy haniratsira lozan-tany ny fahamasinany.
37Miaramila jiosy no namponenin’i Simôna tao amin’io toera-mafy io sady nohateveniny ny toerana mba handry feizay ny faritany sy ny renivohitra; ary nasondrony ho avo ny mandan’i Jerosalema.
38Izany no nanamafisan’i Demetry mpanjaka ny maha mpisorombe an’i Simôna
39sy nanendreny azy ho anisan’ny «sakaizan’ny mpanjaka» ary nanomezany azy voninahitra ambony.
40Ren’i Demetry manko fa hoe ny Rômanina dia niantso ny Jiosy ho sakaiza sy mpifarimbona ary havana sady nandray tamim-pomba manetriketrika ny irak’i Simôna.
41Reny koa fa sitraky ny Jiosy sy ny mpisorony ny haha filoha sy mpisorombe an’i Simôna mbamin’ny taranany mandra-pisehon’izay mpaminany mahatoky;
42izy koa no ho tonga mpitari-tafiky ny Jiosy, hikarakara ny zavatra momba ny tempoly, hanendry ny lehiben’orinasa sy ny mpandraharaham-panjakana ary ny mpiandraikitra fitaovam-piadiana sy tanànamimanda.
43I Simôna tokoa no mpikarakara ny zavatra momba ny tempoly, ka hanaiky azy ny olona rehetra; ny taratasim-panjakana rehetra ao Jodea dia hosoratana amin’ny anarany; ary ny tenany hitondra akanjo jaky sy mari-boninahitra volamena.
44Na iza na iza amin’ny vahoaka na amin’ny mpisorona dia tsy misy mahazo manafoana ireo zavatra tinapaka ireo na dia iray aza; tsy misy mahazo miantso fivoriana eo amin’ny tanin’i Jodea raha tsy nomen’i Simôna lalana; tsy misy mahazo mitondra akanjo jaky aman-jaigrafy volamena.
45Na iza na iza manao zavatra mifanohitra amin’ireo didy ireo, na manafoana ampahany aminy, dia hiharam-pamaizana.
46Sitraky ny vahoaka rehetra ny anomezana fahefana an’i Simôna hanao araka ireo didy ireo.
47Neken’i Simôna sady nankasitrahiny rahateo ny hanao ny raharaha maha mpisorombe sy mpitari-tafika ary mpifehy ny Jiosy mbamin’ny mpisorona, izany hoe ny ho eo ambonin’ny olon-drehetra.
48Notapahin’ny Jiosy fa hosoratana amin’ny takelaka halimo izany teny izany, ka hapetraka amina toerana miharihary eo amin’ny kianjan’ny tempoly;
49ary hasiana kopian’izany koa ao amin’ny efitrano firaketana mba hampiasain’i Simôna sy ny zanany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.