Hiran'ireo Zatovo Telo Lahy 3 - Malagasy Bible Interconfessionelle

NY VAVAK’I HAZARIÀ SY NY HIRAN’NY SAKAIZAN’I DANIELA TELO LAHYNy vavak’i Hazarià

1[24] Ary izy telo lahy, i Hananià sy i Hazarià ary i Misaela, dia nandehandeha tao anaty lelafo nanao hira fiderana sy fisaorana ny Tompo Andriamanitra.

2[25] Raha mbola nitsangana tao afovoan’ny afo i Hazarià, dia nanao izao vavaka izao:

3[26] «Ry Tompo Andriamanitry ny razanay ô,

hisaorana sy hoderaina anie Ianao,

ary homem-boninahitra mandrakizay anie ny anaranao!

4[27] Satria marina Ianao

amin’izay rehetra nataonao.

Marina avokoa ny asanao,

mahitsy ny lalanao

ary ara-drariny ny fitsarànao.

5[28] Eny, didim-pitsarana tsy miangatra ny anao

tamin’izay rehetra nanafaizanao anay,

dia ny tenanay sy i Jerosalema,

ilay tanàna masin’ny razanay;

satria araka ny marina sy ny hitsiny

no nanaovanao izany rehetra izany,

dia noho ny amin’ny helokay ihany.

6[29] Fa nahavita heloka izahay

sy nanao ratsy ka nihataka taminao,

ary diso tamin’ny zavatra rehetra.

7[30] Tsy nankatò ny didinao izahay,

ka tsy nitandrina na nahatanteraka izany

araka ny nandidianao anay

mba hahitanay soa avy aminy.

8[31] Izay rehetra nanafaizanao anay

sy izay rehetra nataonao taminay

dia araka ny fitsaranao ara-drariny.

9[32] Natolotrao izahay ho eo an-tanan’ny fahavalo

izay olon-dratsy mahatsiravina sady mpikomy aminao.

ary ho eo ambany fahefàn’ny mpanjaka iray

faran’izay tsy marina indrindra eto an-tany.

10[33] Ary ankehitriny mikombom-bava izahay

mpanomponao sy mpivavaka aminao

fa sady menatra no afa-baràka.

11[34] Koa noho ny amin’ny lazanao,

dia aza mahafoy anay tanteraka

ary aza foananao ny fanekempihavananao.

12[35] Aza esorina aminay ny fitiavanao

noho ny amin’i Abrahama sakaizanao

sy i Itsehàka mpanomponao

ary i Israely voatokana ho Anao.

13[36] Samy nampanantenainao ireo

fa homenao taranaka maro

tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra

na toy ny fasika eny amoron-dranomasina.

14[37] Kanefa, Tompo ô, noho ny helokay

dia tonga firenena bitika indrindra

amin’ny firenen-drehetra izahay

ary vahoaka voaetry ankehitriny

eto ambonin’ny tany tontolo.

15[38] Amin’izao fotoana izao dia tsy anananay

na filoha na mpaminany na mpitarika;

tsy afa-manao sorona dorona manontolo izahay

na sorona hafa amam-panatitra

na fandoroana vovo-javamanitra,

na toerana fanaterana ny voaloham-bokatra

mba handraisanay famelàn-keloka aminao.

16[39] Kanefa raiso izahay, Tompo ô,

amin’izao avonavonay efa torotoro

sy fanahinay feno fietrena izao,

17[40] raiso tahaka ny ondrilahy sy ombilahy

izay fanaonay sorona dorana manontolo;

ho toy ny zanak’ondry matavy an’arivony anie

ny sorona atolotray Anao ankehitriny;

ary hanaraka Anao hatrany anie izahay,

satria tsy ho menatra izay matoky Anao.

18[41] Ankehitriny no amehezanay tena

hanaraka Anao amin’ny fonay manontolo,

ka sady hanaja Anao izahay

no hitady ny fanatrehanao.

19[42] Koa aza avela ho afa-baràka izahay,

fa ento araka ny fiantranao

sy araka ny indrafonao tsy hita lany.

20[43] Vonjeo araka ny asanao mahagaga izahay,

ka ny anaranao, Tompo ô, no omeo voninahitra.

21[44] Enga anie ho menatra sy ho afa-baràka

izay rehetra manisy ratsy anay mpanomponao;

enga anie tsy hisy fahefana anananay intsony

ary ho voamontsamontsana ny heriny.

22[45] Aoka ho fantany fa Ianao

no hany Tompo Andriamanitra

sady omem-boninahitra amin’ny tany tontolo!»

Ny hiran’ny sakaizan’i Davida telo lahy

23[46] Fa ireo mpanompon’ny mpanjaka izay nanipy azy telo lahy tao amin’ny fatana fandrendrehana, dia tsy nitsahatra nisorona ny afo tamin’ny tara sy ditin-kazo ary hoto aman-kitay;

24[47] koa nijoalajoala tany amin’ny 24 metatra sy sasany ambonin’ny fatana ny lelafo.

25[48] Nidedadeda aoka izany nanodidina ny fatana ny afo ka nandoro hatramin’ireo Babilônianina nanakaiky izany.

26[49] Fa nidina tao amin’ny fatana niaraka tamin’i Hazarià sy ireo namany ny anjelin’ny Tompo ka nanosika ny lelafo ho any ivelan’ny fatana.

27[50] Dia nisy toa rivotra malefaka nitsoka teo afovoan’ny fatana, ka tsy nahakasika na nandratra azy ireo kely akory ny afo.

28[51] Koa toy ny vava iray ihany izy telo lahy tao anaty fatana no indray nidera sy nankalaza ary nisaotra an’Andriamanitra ka nanao hoe:

29[52] «Hisaorana anie Ianao,

ry Tompo Andriamanitry ny razanay,

fa mendrika dera sy laza mandrakizay.

Hisaorana anie ny anaranao

izay masina sy be voninahitra

fa mendrika dera sy laza mandrakizay.

30[53] Hisaorana anie Ianao

an-tempolinao masina sy be voninahitra,

fa mendrika dera sy voninahitra mandrakizay.

31[54] Hisaorana anie Ianao

Izay mipetraka eo ambonin’ny kerobima

sy mijery ny fanambanin’ny hantsana,

fa mendrika dera sy laza mandrakizay.

32[55] Hisaorana anie Ianao

eo amin’ny sezafiandriananao,

fa mendrika dera sy laza mandrakizay.

33[56] Hisaorana anie Ianao

eo ambonin’ny andohalambon’ny lanitra,

fa mendrika dera sy voninahitra mandrakizay.

34[57] Misaora ny Tompo ianareo rehetra asany;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

35[58] Misaora ny Tompo, ianareo lanitra;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

36[59] Misaora ny Tompo, ianareo anjeliny;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

37[60] Misaora ny Tompo ianareo rano

mivangongo any ambonin’ny lanitra;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

38[61] Misaora ny Tompo, ianareo rehetra herin’ny lanitra;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

39[62] Misaora ny Tompo, ianareo masoandro sy volana;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

40[63] Misaora ny Tompo, ianareo kintan’ny lanitra;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

41[64] Misaora ny Tompo, ianareo orana aman’ando rehetra;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

42[65] Misaora ny Tompo, ianareo rivotra rehetra;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

43[66] Misaora ny Tompo, ianareo afo sy hafanana;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

44[67] Misaora ny Tompo, ianareo hatsiaka sy hafanà-migaingaina;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

45[68] Misaora ny Tompo, ianareo ando amam-patrakala;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

46[69] Misaora ny Tompo, ianareo andro sy alina;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

47[70] Misaora ny Tompo, ianareo hazavana sy haizina;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

48[71] Misaora ny Tompo, ianareo fanala sy hatsiaka;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

49[72] Misaora ny Tompo, ianareo ranomandry sy oram-panala;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

50[73] Misaora ny Tompo, ianareo tselatra sy rahona;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

51[74] Aoka ny tany hisaotra ny Tompo;

aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.

52[75] Misaora ny Tompo, ianareo tendrombohitra sy havoana;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

53[76] Misaora ny Tompo, ianareo rehetra zava-maniry amin’ny tany;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

54[77] Misaora ny Tompo, ianareo ranomasina sy ony;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

55[78] Misaora ny Tompo, ianareo loharano;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

56[79] Misaora ny Tompo, ianareo hazandrano;

na vaventy na madinika;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

57[80] Misaora ny Tompo, ianareo voro-manidina;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

58[81] Misaora ny Tompo, ianareo biby dia sy fiompy;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

59[82] Misaora ny Tompo, ianareo zanak’olombelona;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

60[83] Misaora ny Tompo, ianareo Israelita;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

61[84] Misaora ny Tompo, ianareo mpisorony;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

62[85] Misaora ny Tompo, ianareo mpanompony;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

63[86] Misaora ny Tompo, ianareo fanahy aman-tsain’olo-marina;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

64[87] Misaora ny Tompo, ianareo masina sy mietry ao am-po;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

65[88] Misaora ny Tompo, isika;

ry i Hananià sy i Hazarià ary i Misaela;

derao Izy ary ankalazao mandrakizay,

fa nafahany tamin’ny toeran’ny maty isika

sy novonjeny tamin’ny vahohon’ny fahafatesana

ary nesoriny teo anivon’ny fatana mivaivay

sy notsoahany teo afovoan’ny afo.

66[89] Misaora ny Tompo fa tsara Izy

ary maharitra mandrakizay ny fitiavany.

67[90] Misaora ny Tompo Andriamanitry ny andriamanitra,

ianareo rehetra mpivavaka aminy;

derao Izy ary ankalazao

fa maharitra mandrakizay ny fitiavany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help