1Rehefa vita ny fifanekena teo amin’i Lisià sy ny Jiosy, dia niverina nankany amin’ny mpanjaka i Lisià ary ny Jiosy kosa niroso namboly ny sahany.
2Kanefa ireo governora teo an-toerana, izany hoe i Timôty sy i Apôlôny ilay zanakalahin’i Genea, mbamin’i Hierônima sy i Demôfôna, niampy an’i Nikanôra filohan’ireo miaramila sipriôty, dia tsy namela ny Jiosy handry feizay na hiaina amim-piadanana.
3Tamin’izay no nanao heloka be vava ny hafa firenena mponina tao Jôpa. Mova tsy manam-pankahalana ny Jiosy akory ireto hafa firenena ireo; ka nasainy niakatra teo amin’ny lakan-drafitra voaoman’izy ireo ny Jiosy nonina tao an-tanàna ombàm-bady aman-janaka.
4Hevitra niarahan’ny hafa firenena rehetra tao an-tanàna izany, ka neken’ny Jiosy araka ny faniriany te hihavana, ary tsy nananany ahiahy velively. Kanjo nony tonga teny afovoan-dranomasina ireto Jiosy, dia nalentika ho faty an-drano avokoa: roanjato no isany raha farafahakeliny.
5Vao ren’i Joda Makabeo ny halozana nafitsoka tamin’ireo mpiray firenena aminy, dia nomeny teny ireo vatan-dehilahy namany.
6Ka nony avy niantso ilay Andriamanitra mpitsara ara-drariny i Joda, dia niroso hamely ny mpamono an’ireo mpiray firenena aminy: nodorany alina ireo tranon-tseranana, notsoloany afo koa ny sambo, ary notrobarany sabatra ireo hafa firenena nitady fialofana teo.
7Nilaozany ny tanàna, satria nihidy; kanefa ny hiverina hamongotra ny fitambaran’ny Jôpita no fikasany.
8Ren’i Joda ihany koa fa ny hafa firenena mponina tao Jamnià dia mikasa hanao halozana toy izany nafitsoky ny Jôpita izany amin’ireo Jiosy monina ao aminy.
9Ka tahaka ny natorony tao Jôpa koa no namelezan’i Joda tamin’ny alina ireo mponina teo Jamnià: nodorany ny seranana mbamin’ny sambo, ka tazana hatrany Jerosalema ny hazavana vokatry ny fandoroana, nefa nisy 45 kilaometatra ny elanelany.
Nalain’i Joda Makabeo ny tanàna Karfao(Jereo 1 Mak 5.9-54)10Niala tao Jamnià i Joda, dia niroso hamely an’i Timôty. Efa lasa roa kilaometatra ny dia no nisy Arabo nirotsaka hifanehatra amin’i Joda; antokon-tafika dimy ireo Arabo an-tongotra, ary andian-tafika dimy ireo an-tsoavaly.
11Mafy tokoa ny ady, kanefa nandresy i Joda sy ny namany noho ny fanampian’Andriamanitra. Rehefa resy ireo Arabo mpifindrafindra lasy ireo, dia nangataka tamin’i Joda hamitram-pihavanana aminy, sady nanome toky hanolotra biby fiompy ho azy sy hanampy amin’ny zavatra sasany.
12Hitan’i Joda fa maro ny zavatra azon’ireto Arabo ireto anampiana azy, ka dia nekeny ny hanao fihavanana aminy; ary nony avy nifandray tanana ny roa tonta, dia nody ho any an-dainy kosa ny Arabo.
13Taorian’izany no nianihan’i Joda ilay tanàna mafy anankiray atao hoe Kasfao: voahodidina manda izy io sady onenan’olona samihafa firenena.
14Natoky ny manda mafy sy ny tahirin-tsakafo betsaka ireo voafahirano ka nanao toetra valavala mihoa-pampana tamin’i Joda sy ny namany sady nanevateva azy, ary nanao faniratsirana an’Andriamanitra amin-teny tsy mendrika hotononina.
15I Joda sy ny namany kosa niantso ilay Tompo lehibe sy mahery, Andriamanitr’izao tontolo izao, satria Izy no nampianjera ny mandan’i Jerikao faha-Josoa, tsy tamin’ny fitaovana fandrodana-manda na tamin’ny milina hafa; izay ry i Joda vao niantoraka hianika ny manda tamin-karomotana.
16Araka ny sitrak’Andriamanitra no nahazoany ny tanàna; dia vonoan’olona maro tsy hay tantaraina no nataony teo, ka hoatra ny feno ny ra nandriaka tao ilay kamory eo akaiky, izay nisy efajato metatra eo ho eo ny velarany.
Nandresy tao Karnaima i Joda Makabeo(Jereo 1 Mak 5.37-44)17Niala tao Kasfao i Joda sy ny namany, dia nandeha 140 kilaometatra eo ho eo ary tafapaka hatrany Karalesa, izay toerana nonenan’ny Jiosy atao hoe Tobianina.
18tsy hitan’izy ireo tao amin’izany faritra izany intsony i Timôty, satria efa lasa niala teo noho izy tsy nahavita na inona na inona teo; fa nisy kosa tanàna mimanda anankiray nampitobiany miaramila maro dia maro.
19Ny roa tamin’ny mpitari-tafik’i Joda Makabeo, izany hoe i Dositeo sy i Sôsipatera, no nandeha nianika io tanàna mimanda io sy namono ny olona navelan’i Timôty tao, ka nihoatra antokon-tafika folo ny isany.
20I Joda Makabeo kosa tetsy an-daniny nitsinjarazara ny tafiny ho antokony ary nanendry izay ho mpitarika an’ireo antokon-tafika ireo. Avy eo izy dia niroso hamely an’i Timôty izay nitondra miaramila an-tongotra nisy antokon-tafika 120 ary miaramila an-tsoavaly nisy antokon-tafika roa sy andiany dimy.
21Rehefa ren’i Timôty fa tamy i Joda, dia nalefany ny zaza amam-behivavy mbamin’ny fananany hankao amin’ny tanàna anankiray atao hoe Karnaîma. Toerana tsy voaani-pahavalo izy io sady sarotra hatonina, satria ety ny lalana rehetra mankao.
22Ny antokon-tafika notarihin’i Joda no nipoitra voalohany, ka mampivadi-po ireo fahavalo, satria niseho nampihorohoro azy ny fahefàn’ilay Andriamanitra mahita ny zava-drehetra; vaky nandositra ny miaramilan’i Timôty, ny sasany nankatsy, ny sasany nankarỳ, hany ka izy samy izy ihany mazàna no nifandratra sy nifanatrobaka tamin’ny sabatra.
23Niezahan’i Joda hoenjehina ireo olo-meloka ireo, ka nasiany avokoa ary nahafatesany hatramin’ny antokon-tafika telopolo.
24Ny tenan’i Timôty kosa voasambotry ny miaramilan-dry i Dôsiteo sy i Sôspatera, ka nitalaho tamin-kafetsen-dratsy mba handefasan’ireo azy soa aman-tsara. Nihambo i Timôty fa eo am-pelatanany ny havana aman-drahalahin’ny ankamaroan’izy ireo; ka raha ampijaliana izy, dia mety hovonoina ho faty iretsy.
25Nanome toky tamin’ny teny lava teo izy fa handefa ireo olona voatana ireo sady tsy haninoninona azy akory; hany ka dia novotsoran’ny Jiosy i Timôty mba hamonjena an’ireo mpiray firenena aminy.
26Tamin’izay kosa i Joda no niditra tao Karnaîma sy tao amin’ny tempoliny voatokana ho an’ilay andriamani-bavy Atargatisa, ka nampamono ho faty vatan-dehilahy nisy antokon-tafika dimy amby roapolo.
Niverina tany Jerosalema i Joda mpandresy(Jereo 1 Mak 5.45-54)27Avy nandresy sy nandripaka ireo fahavalo ireo i Joda, dia nitondra ny tafiny hamely an’i Hefrôna, izay tanàna mimanda onenan’olona maro samihafa firenena. Zatovo matanjaka no voalahatra teo anoloan’ny manda sy niady tamin-kerimpo; tao an-tanàna kosa dia be dia be ny milina fitifirana sy ireo fitaovana fampiasa aminy.
28Kanefa ny Jiosy, nony avy niantso ny Tompo mahery, Ilay mpanorotoro amin’ny fahefàny ny herim-pahavalo, dia nahazo ny tanàna; ary vatan-dehilahy nisy antokon-tafika 25 tamin’ireo mponina tao no nataony maty niampatrampatra tamin’ny tany.
29Niala tao Hefrôna i Joda sy ny tafiny, dia nandroso hamely an’i Sitôpôly, izay tanàna teo amin’ny 110 kilaometatra avy ao Jerosalema.
30Kanjo nilaza ireo Jiosy niorim-ponenana tao fa tsara fitondra azy ny mponina tompon-tany ary nahazoany fanampiana aza tamin’ny andro tsy fananany.
31Koa nisaotra ny mponina tao Sitôpôly ry i Joda sady nampirisika azy hanohy ny fitiavany an’ireo Jiosy ireo amin’ny hoavy. Taorian’izany ry i Joda no niverina tany Jerosalema, taloha kelin’ny fety Pentekôsta.
Ny nandresen’i Joda Makabeo ny tafik’i Gorjià32Taorian’io fety Pentekosta voalaza teo io i Joda Makabeo sy ny tafiny no nandeha hamely an’i Gorjià izay governoran’i Idomea.
33Ka niainga hisehatra azy i Gorjià nitondra miaramila an-tongotra nisy antokon-tafika telo ary miaramila an-tsoavaly nisy andian-tafika efatra.
34Rafitra ny ady, ary tamin’izay no nisy potraka vitsivitsy ny Jiosy.
35Kanjo nisambotra an’i Gorjià ity lehilahy mahery atao hoe Dôsiteo mpitaingin-tsoavaly tao amin’ny andian-tafik’i Bakenôro; ny lamba saron-tsorok’i Gorjià no nisamborany azy sy nitarihany an-keriny, fa ny hahazo sambo-belona an’ilay olom-boaozona io no niriny. Saingy niantoraka tamin’i Dôsiteo ity mpitaingin-tsoavaly trasianina anankiray, ka nanapa-tsandry azy; hany ka afa-nandositra tany Masesà i Gôrjià.
36Tamin’izany kosa efa niady ela ny miaramilan’i Hazarià, ka reraky ny havizanana; dia niantso ny Tompo i Joda Makabeo mba haneho fa mpanampy ny tafika jiosy Izy sady mpitarika azy an’ady.
37Avy eo dia feo avo no niventesan’i Joda tamin’ny tenin-drazany ny akoran’ady ombàn-kira; ary nirotsahany tampotampoka ny miaramilan’i Gorjià ka nataony vaky nandositra.
Ny nanolorana sorona ho an’ireo maty38Taorian’io ady io, dia novorin’i Joda Makabeo ny tafiny ka nentiny ho ao an-tanànan’i Adolama; ary higadona ny andro fahafito amin’ny herinandro, ka nanao ny fidiovana araka ny fanao ireo, ary nankalaza ny sabata teo amin’izany toerana izany.
39Nony ampitso, araka ny fotoana tsy maintsy hanaovana azy, dia naka ny fatin’ireo Jiosy lavo an’ady ry i Joda mba halevina miaraka amin’ny havany ao am-pasan-drazany.
40Isam-batan’olona tamin’ireo faty, dia samy nahitana tao ambanin’ny akanjo zava-masina avy amin’ireo sampy notompoina tao Jamnià: voararan’ny lalàna jiosy ny fitondrana ireny. Ka niharihary tamin’ny olona rehetra fa izany no anton’ny nahafatesan’ireo.
41Dia izy rehetra no indray nisaotra ny Tompo, mpitsara ara-drariny, Izay nampiharihary ny zava-miafina;
42ary nanomboka nivavaka izy ka nangataka tamin’ny Tompo mba hamelany tokoa ny fahotana natao. I Joda ilay mahery fo kosa nampirisika ny miaramilany mba hitandrin-tena tsy ho voalotom-pahotana, satria he ity hita maso ny zava-nitranga noho ny fahotan’ireo lavo an’ady ireo.
43Nanao famoriam-bola i Joda ka nahangona drakina roa arivo izay nampanateriny tany Jerosalema hanaovana sorona fanalana ny ota. Fiheverana ny fitsanganan-ko velona no nanaovany an’izany asa soa sy mendrika izany.
44Raha tsy nantenainy manko fa hitsangan-ko velona ny miaramila lavo an’ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an’ny maty.
45Noheveriny koa fa valisoa tsara aoka izany no voatahiry ho an’izay mody mandry ombàm-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina sy feno fitiavam-bavaka io fanoloran-tsorona io. Izany no nanaovan’i Joda io sorom-panonerana ho an’ny maty io, mba ho famelana ny fahotany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.