Isaià 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Ny toe-javatra hitan’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, momba ny fanjakan’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema.

Ny vahoaka rehetra hirohotra hankao Jerosalema(2.2-4; jereo Mik 4.1-3)

2Izao no hiseho amin’ny andro any aoriana:

Ny tendrombohitra misy ny tranon’ny TOMPO

dia hanerinerina ambonin’ny tendrombohitra sisa

ka hasandratra ho avo kokoa noho ireo havoana;

dia hitanjozotra hankany ny firenena rehetra.

3Handeha ho any ny firenena marobe ka hifampitaona hoe:

«Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO,

ho any an-tranon’ilay Andriamanitr’i Jakôba;

dia hampianariny antsika ny sori-dàlany,

ary harahintsika ny lalana hatorony.»

Fa avy ao Tsiôna no ivoahan’ny fampianarana,

ary avy ao Jerosalema no iavian’ny tenin’ny TOMPO.

4Hitsara ny firenena maro Izy,

ary hampanaiky ny vahoaka rehetra

ka hanefy ny sabany ho angady ireny,

ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka

sady tsy hianatra hiady intsony.

5Ry taranak’i Jakôba, avia,

aoka isika handeha amin’ny fahazavàn’ny TOMPO!

Ny andron’ny Tompo dia andro fitsarana

6TOMPO ô, efa narianao ny vahoakanao,

dia ny taranak’i Jakôba,

satria nihahohaho tao aminy

ny mpimasy avy any atsinanana

sady betsaka tahaka ny an’ny Filistinina ny mpanandrony;

ary nifandray tendro tamin’ny vahiny izy.

7Feno volafotsy sy volamena ny taniny

sady tsy hita lany ny hareny;

ary feno soavaly ny taniny

sady tsy hita isa ny kalesiny.

8Feno andriamani-tsiizy koa ny taniny;

ary niankohoka amin’ny sampy natao tanana izy,

dia ny zavatra nataon’ny tanan’olona.

9Noho izany, dia tsy maintsy hihohoka

sy haetry amin’ny tany ny olombelona;

ka tsy hisy hampiarina azy intsony.

10Miafena any ambany vatolampy ianareo

ary misitriha any anaty tany,

mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra

sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra.

11Hitanondrika ny olona mpiandranandrana,

ary hihohoka ny olona mpanandra-tena;

fa amin’izany andro izany,

dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.

12Eny, hisy andro omanin’ny TOMPOn’izao rehetra izao

hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena

ary koa ny mpiandranandrana rehetra

mba ho fampietrena azy ireo:

13dia ny sedera rehetra any Libano,

izay avo sady mijoalajoala,

sy ny hazo ôaka rehetra any Basàna;

14ny tendrombohitra avo

sy ny havoana manerinerina rehetra;

15ny tilikambo miringiringy

sy ny manda mafy rehetra;

16ary ny sambo vaventy

sy ny sambo marevaka rehetra.

17Hihohoka ny olona mpiandranandrana

ary haetry amin’ny tany ny olona mpanandra-tena;

fa amin’izany andro izany,

dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.

18Ho levona ny andriamani-tsiizy rehetra.

19Aoka hiditra any amin’ny lava-bato

sy ny zohy fierena ireo olona ireo,

mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra

sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra

rehefa hirotsaka an-tsehatra Izy

mba hampihorohoro ny tany.

20Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny ramanavy ny sampy volafotsy sy volamena nataony hiankohofana;

21dia hiditra amin’ny hirika sy ny tsefatsefa-bato izy mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra azy sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra rehefa hirotsaka an-tsehatra ny Tompo hampihorohoro ny tany.

22Atsaharo ny fitokiana amin’olombelona

fa fofonaina miserana ihany izy

ka tsy misy lanjany akory!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help