1Rehefa voaangona tany amin’ny razany i Astoaga mpanjaka, dia i Kirôsa avy any Persia no nandimby azy.
2Nitokian’ny mpanjaka i Daniela sady nalaza mihoatra noho ireo mpanolotsaina namany hafa rehetra.
3Nanana sampy anankiray natao hoe Bela ny Babilônianina. Isan’andro izy dia nandaniany lafarinina dimanjato kilao eo ho eo sy ondry efapolo ary divay 250 litatra eo ho eo.
4Nanasina azy io ny mpanjaka, ka tonga mivavaka aminy isan’andro. I Daniela kosa nivavaka tamin’ny Andriamaniny, ka indray andro dia nanontanian’ny mpanjaka hoe:
--Nahoana ianao no tsy mba mivavaka amin’i Bela?
5Ary hoy ny navalin’i Daniela:
--Tsy ireo sampy nataon-tanan’olona no ivavahana fa ilay Andriamanitra velona Izay nahary ny lanitra sy ny tany sady manam-pahefana amin’ny miaina rehetra ihany.
6Dia nanontany azy indray ny mpanjaka hoe:
--Moa ve ataonao fa tsy mba andriamanitra velona i Bela? Tsy hitanao angaha ireo zavatra rehetra haniny sy sotroiny isan’andro ireo?
7Sady nihomehy i Daniela no niteny hoe:
--Aza diso hevitra ianao, ry mpanjaka, fa tanimanga no nanaovana ny atin’io ary halimo kosa ny ivelany; ary tsy mbola nihinana na nisotro na inona na inona izy.
8Vinitra ny mpanjaka ka niantso ny mpisorona sady nanao taminy hoe:
--Raha tsy ambaranareo amiko izay mihinana ireny zavatra rehetra aterina ho an’i Bela ireny, dia hataoko maty ianareo.
9Fa raha voaporofonareo amiko kosa fa i Bela ihany no mihinana ireny, dia i Daniela no ho faty, satria sahy nanevateva an’i Bela izy.
Ary hoy i Daniela tamin’ny mpanjaka:
--Hotanterahina anie ny teninao!
10Nisy fitopolo ny mpisoron’i Bela afa-tsy ireo vadiny aman-janany. Nony tonga tao amin’ny tempolin’i Bela ny mpanjaka niaraka tamin’i Daniela,
11dia hoy ireo mpisoron’i Bela:
--Hivoaka ny tempoly izahay, ry mpanjaka; fa asaovy apetraka eo amin’ny latabatra kosa ny hanina mbamin’ny divay mifangaro, dia hidio ny varavarana ka asio ny tombokasenao.
12Koa raha miverina ianao rahampitso maraina ka mahita fa nisy tsy nohanin’i Bela ireny rehetra ireny, dia hatao maty izahay. Fa raha ny mifanohitra amin’izany kosa, dia i Daniela no ho faty satria niampanga lainga anay izy.
13Tsy nanahy kely akory ireo mpisorona, satria efa nanao lala-miafina mankao ambanin’ny latabatra izy mba hahafahany miditra malalaka ao amin’io efitra io haka ny fanatitra.
14Raha vao tafavoaka ireo mpisorona, dia nasain’ny mpanjaka napetraka teo anoloan’i Bela ny hanina natokana ho azy. Avy eo nobaikoin’i Daniela ny mpanompony mba hitondra lavenona, ka nafafifafiny manierana ny tempoly teo imason’ny mpanjaka irery. Taorian’izany dia nivoaka ny trano izy rehetra; nohidina ny varavarana sady nasiana ny tombokase manokan’ny mpanjaka, ary lasa izy nandeha.
15Nandritra ny alina, dia tonga araka ny fanaony ireo mpisorona nombàm-bady aman-janaka nihinana sy nisotro izay rehetra naterina teo.
16Ny ampitso dia nifoha maraina ny mpanjaka, ka nankany amin’ny tempoly niaraka tamin’i Daniela.
17Ary hoy izy taminy:
--Tsy nisy nanohinana ve ny fitombokase, ry Daniela?
Ka hoy ny navalin’i Daniela:
--Tsia, ry mpanjaka!
18Raha vao novohana ny varavarana, dia nojeren’ny mpanjaka ny latabatra sady niantsoantso mafy izy nanao hoe:
--Lehibe ianao, ry Bela, sady tsy misy fitaka mihitsy ao aminao!
19Nihomehy kosa i Daniela ary nisakana ny mpanjaka tsy hitsofoka ao amin’ny tempoly izy no niteny taminy hoe:
--Mba diniho kely ange ny gorodona e! Fantaro mba dian’iza moa ireo?
20Ka hoy ny mpanjaka:
--Dian-tongo-dehilahy sy zaza amam-behivavy no hitako!
21Vinitra ny mpanjaka, ka nampisambotra ireo mpisorona mbamin’ny vadiny aman-janany. Dia nasehon’ireo mpisorona azy ny lala-miafina izay nahafahany mitsofoka ao amin’ny tempoly hihinana izay zavatra naterina teo amin’ny latabatra.
22Dia nasain’ny mpanjaka novonoina ho faty ireo, ary natolony an’i Daniela ny sarivongan’i Bela ka nopotehiny mbamin’ny tempoliny.
I Daniela sy ilay dragona23Nisy dragona lehibe koa izay nivavahan’ny Babilônianina.
24Dia hoy ny mpanjaka indray andro tamin’i Daniela:
--Tsy hilaza amiko ianao fa tsy andriamanitra velona koa izy io. Koa mivavaha aminy!
25Dia hoy i Daniela:
--Ny Tompo Andriamanitro ihany no ivavahako, fa Izy irery no Andriamanitra velona!
26Koa raha omenao lalana aho, ry mpanjaka, dia hovonoiko ho faty tsy amin-tsabatra na tehina io dragona io.
Ka novalian’ny mpanjaka hoe:
--Omeko lalana ianao.
27Dia naka ditin-kazo sy jabora ary volo i Daniela ka nampangotrahiny avokoa sy nataony bolabola dia natsipiny tao am-bavan’ny dragona. Rehefa nitelina izany ilay dragona, tonga dia nitsitra teo no ho eo. Dia hoy i Daniela:
--Jereo fa izao ny zavatra izay nivavahanareo.
28Raha nandre izany ny Babilônianina, dia tezitra mafy ka nanao fihetsiketsehana hanoherana ny mpanjaka sady nihorakoraka hoe: «Efa tonga Jiosy ny mpanjaka, fa noravany ny sarivongan’i Bela, novonoiny ho faty ny dragona ary naringany ny mpirosona!»
29Dia nankany amin’ny mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe:
--Atolory anay i Daniela; fa raha tsy izany, dia ianao mbamin’ny fianakavianao no hataonay maty.
30Tsapan’ny mpanjaka fa norahonana mafy izy, koa dia voatery nanolotra azy an’i Daniela.
31Natsipin’ireo Babilônianina tao an-davaky ny liona i Daniela ary nijanona tao nandritra ny enina andro.
32Nisy liona fito tao an-davaka izay nomena fatin’olona roa sy ondry roa isan’andro. Nefa tamin’ity, dia tsy nomena na inona na inona ireo mba hihinanany an’i Daniela.
33Sendra tao amin’i Joda kosa i Habakòka mpaminany tamin’izay. Avy nahandro lasopy izy ka nanao izany tao anaty lovia tsatokaty niaraka tamin’ny poti-mofo ary nitondra izany ho an’ny mpijinja any an-tsaha.
34Dia hoy ilay anjelin’ny Tompo tamin’i Habakòka:
--Ento any amin’i Daniela ny sakafo eny aminao iny, fa any Babilôna ao an-davaky ny liona izy izao.
35Fa hoy ny navalin’i Habakòka:
--Tompo ô, tsy mbola nahita an’i Babilôna aho ary tsy fantatro akory izany lavaka izany.
36Dia noraisin’ilay anjely tamin’ny volony izy, ka nentiny tahaka ny tadio hatrany Babilôna ary napetrany teo amoron’ny lavaka.
37Niantsoantso kosa i Habakòka nanao hoe:
--Ry Daniela ô, ry Daniela ô, indro raiso ny sakafo nalefan’Andriamanitra ho anao!
38Ka hoy i Daniela:
--Notsarovanao tokoa aho, Andriamanitra ô! Fa tsy mba nilaozanao izay tia anao.
39Dia nitsangana i Daniela ka nihinana, fa ilay anjelin’ny Tompo kosa namerina an’i Habakòka tany amin’ny taniny.
40Ny andro fahafito, dia tonga hitomany an’i Daniela ny mpanjaka. Saingy raha nankeo amin’ny lavaka izy ka nijery ny tao anatiny, dia nahita an’i Daniela mipetraka soa aman-tsara.
41Niantso mafy ny mpanjaka ka nanao hoe:
--Lehibe Ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Daniela! Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao irery ihany!
42Dia nasain’ny mpanjaka nesorina tao an-davaka izy. Fa ireo izay nikendry hahafaty azy kosa no nasainy natsipy tao, ka voarapaky ny liona vetivety foana teo imasony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.