Salamo 20 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Vavaka ho an’ny mpanjaka

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

2Hovalian’ny TOMPO vavaka

amin’ny andro mahory anie ianao,

harovan’ilay Andriamanitr’i Jakôba,

3handefasany vonjy avy ao an-toeramasiny

ary hotohanany avy ao Tsiôna!

4Hotsaroany anie ny fanatitrao rehetra

ary hankasitrahiny ny sorona doranao!

Fiatoana

5Homeny anao anie izay zavatra irînao

ary hotanterahiny izay rehetra kasainao!

6Dia hanaovanay fihobiana

ny fandresena ho azonao;

ary hahofahofanay ny faneva

ho voninahitry ny Andriamanitsika.

Eny, hotanterahin’ny TOMPO anie

izay rehetra angatahinao aminy!

7Fantatro izao ankehitriny fa ny TOMPO

manome fandresena ny mpanjaka nohosorany;

avy any an-danitra toeramasiny

no amaliany ny vavaka ataony,

ka ny herin’ny tanany ankavanana

no anolorany fandresena ho azy.

8Ny an’ny sasany, ny kalesiny no itokiany;

ny an’ny hafa, ny soavaliny no iankinany;

ny anay kosa, ny anaran’ny TOMPO Andriamanitray

no hany hery ianteheranay.

9Koa ireny mitolefika sy mianjera,

fa izahay kosa maharitra mijoro.

10TOMPO ô, omeo fandresena ny mpanjaka;

ary mba valio ny vavaka ataonay

amin’ny andro iantsoanay vonjy aminy!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help