1Ry mponina any amin’ny nosy lavitra,
mangina ka henoy Aho, hoy ny TOMPO.
Ary ianareo firenena,
misikîna herim-po.
Misehoa aloha vao miteny
ary andeha isika hiara-kiatrika fitsarana.
2Tsy Izaho ve no nampipoitra ilay Mpanafaka
avy any atsinanana any,
ka niantso azy hanainga ny diany,
sy nampilavo lefona ny firenena teo anatrehany
ary nampilefitra ireo mpanjaka?
Nataon’ny sabany lasa vovoka ireny
ary naelin’ny zana-tsipîkany
toy ny akofa entin’ny rivotra.
3Nanenjika ireny izy, ka tsy nandia tany akory
no namakivaky soamantsara ny laharany.
4Tsy izaho ve no nanao sy nahatanteraka izany
sady niantso ny taranaka hatrany am-piandohana?
Izaho no TOMPO teo am-piandohana
ary Izaho ihany no ho Izy any am-piafarana.
5Nahita izany ka raiki-tahotra
ny mponina any amin’ny nosy lavitra;
manatona amin-kovitra sy tonga koa
ny avy any am-paran’ny tany.
6Misy lehilahy mifanampy amin’ny asa
ka mifampiteny hoe: «Mahereza!»
7Ny mpanefy vy mampahery ny mpanefy firavaka;
ary ny mpandama amin’ny tantanana kosa
mampirisika ny mpively amin’ny riandriana
sady loa-bolana ny amin’ny solohoto hoe: «Tsara ity!»
Dia homboany amin’ny fantsika ny sampy
mba tsy hihozongozona.
Aza matahotra ankehitriny8Ianao kosa, ry Israely mpanompoko,
firenen’i Jakôba izay nofidiko,
taranak’i Abrahama sakaizako,
9ianao izay nalaiko avy tany am-paran’ny tany
sady nantsoiko avy amin’ny faritra lavitra indrindra,
ianao no itenenako hoe: «Mpanompoko ianao;
Izaho no nifidy anao ka tsy manary anao.»
10Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho,
aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao.
Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa;
ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.
11Indro ho menatra sy ho afa-baràka
izay rehetra naneso anao.
Hanjary tsinontsinona sy ho levona
ny mpanohitra anao.
12Hotadiavinao ireo mpisetrasetra anao
fa tsy ho hitanao;
hanjary tsinontsinona sy zava-poana
ireo mpiady aminao.
13Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,
Izay mitantana anao amin’ny tanan-kavananao
sady mamerimberina aminao hoe:
«Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.»
Tonga hamonjy anao Aho14Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
Aza matahotra ianao,
ry vahoaka Israely, firenen’i Jakôba,
lazaina hoe mora vonoina toa kankana.
Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao,
Izaho ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.
15Indro ianao hataoko toy ny hersa vaovao
izay misy nifiny maranitra;
ka hosamatsamahinao ny tendrombohitra
ary hataonao lasa akofa ny havoana.
16Hokororohinao hoentin’ny rivotra izy
sy haelin’ny tadio;
fa ianao kosa dia Izaho TOMPO no hifalianao
ary Izaho ilay Masin’i Israely no hireharehanao.
Ny taniefitra niova ho saha lonaka17Mitady rano ny mahantra sy ny malahelo
nefa tsy mahita mihitsy,
ka mainan’ny hetaheta ny lelany.
Izaho TOMPO kosa hihaino azy;
Izaho Andriamanitr’i Israely
tsy mba handao azy.
18Hampiboiboika renirano
eny amin’ny havoana mangadihady Aho
ary koa loharano eny an-dohasaha,
ka hanova ny taniefitra ho farihy
ary ny tany karakaina ho mpamoaka rano.
19Hataoko mitsiry hazo sedera sy mimôzà
ary rotra sy ôliva any an-taniefitra;
hasiako kipreso sy hazo kesika
ary kirihitr’ala any an-tany hay.
20Amin’izay dia ho hitan’ny olona sy ho fantany,
ary ho tsapany sy ho takany
fa Izaho TOMPO, ilay Masin’i Israely,
no namboatra sy nahary izany fanovana izany.
Fanebahana ny andriamani-tsiizy21Ianareo andriamanitry ny firenen-kafa,
alaharo ny kabarinareo,
arosoy ny porofonareo,
hoy ny TOMPO mpanjakan’i Jakôba.
22Manatòna hanazava aminay ny zava-hitranga.
Lazao ny zava-niseho voalohany
mba hifantohan’ny fandinihanay;
na ambarao kosa izay ho avy,
dia ho fantatray izay hiafarany.
23Eny, ambarao anay ny zavatra ho avy
dia hoekenay fa andriamanitra tokoa ianareo.
Manaova soa na manaova ratsy
mba hiarahanay mahita sy mijery.
24Kanjo indro fa tsinontsinona ianareo,
zava-poana ny asa ataonareo;
ka izay nifidy anareo ho andriamanitra
dia maharikoriko toa anareo.
25Avy any avaratra no napoitrako
ity lehilahy anankiray,
ka dia tonga tokoa izy;
avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro
no hanononana ny anarany.
Dia hanosihosy ny mpitondra
toy ny fanosy fotaka izy,
na toy ny fanaon’ny mpanefy
mihosihosy tanimanga.
26Iza àry no nanambara izany
hatrany am-piandohana
mba hoekenay fa mitombina?
Ary iza no nanambara izany mialoha
hilazanay hoe: «Marina ny azy»?
Tsy nisy nanambara izany ianareo,
tsy nisy nandrenesam-peo akory;
tsy nisy mihitsy nandre ny teninareo.
27Fa Izaho no voalohany
nilaza izany tamin’i Tsiôna
ka naniraka mpitondra vaovao mahafaly
ho an’i Jerosalema.
28Nijery foana Aho fa tsy nahita olona:
tamin’ireo andriamani-tsiizy ireo
dia tsy misy mpanolotsaina na iray aza;
tsy misy azoko nanontaniana mba hanome valin-teny Ahy.
29Tsinontsinona ny andriamani-tsiizy rehetra,
zava-poana ny zavatra ataony,
tsio-drivotra miserana ny sampiny
sady zavatra tsy misy fotony!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.