Isaià 27 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fandresena an’ilay dragona an-dranomasina

1Amin’izany andro izany, dia hirotsaka an-tsehatra ny TOMPO ka handray sabatra mafy sady lehibe no mahery hamelezana ny Leviatana, ilay bibilava mitsoriaka sy mihorongorona; ary hovonoin’ny Tompo izany dragona an-dranomasina izany.

Ny Tompo sy ny voalobony

2Amin’izany andro izany no andredony hira

momba ny voaloboka manome divay tsara hoe:

3«Izaho TOMPO no mpiaro azy

ka manondraka azy amin’ny fotoana sahaza;

ambenako izy na andro na alina

fandrao misy manimba.

4Tsy tezitra aminy intsony Aho,

kanefa aoka tsy hisy tsilo na songosongo ao;

hongotako sy hodorako avokoa ireny!

5Fa izay mifikitra eo ambany fiarovako

no hamitram-pihavanana amiko;

eny, hamitram-pihavanana amiko izy.

Famelana ny helok’i Israely; ilay tanàna nilaozana

6Amin’ny andro ho avy,

dia hanan-tsimoka vaovao ny vahoakan’i Jakôba

ary hamony hivelatra indray i Israely.

ka hameno izao tontolo izao ny voany.

7Nokapohin’ny Tompo ireo nikapoka ny vahoakany;

toy izany koa ve no nikapohan’ny Tompo ilay vahoakany?

Naripaky ny Tompo ireo nandripaka ny vahoakany;

toy izany koa ve no nandripahan’ny Tompo ilay vahoakany?

8Tsia, fa nohelohiny hatao sesitany izy

ka halefa any am-pahababoana,

nopaohiny tamin’ny rivo-mahery,

dia tamin’ny andron’ny rivotra avy any atsinanana.

9Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna

ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba,

ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany:

hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro

ny vato rehetra eo amin’ny alitara,

ary tsy havelany hitsangana intsony

na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà

na ny fandoroana vovo-javamanitra.

10Tsy hisy olona intsony ao an-tanànamimanda

fa ho foana sy ilaozana toy ny taniefitra izany,

ka ho lasa toeram-piraofan’ny zanak’omby,

handriany sy hihinanany ravin-kazo.

11Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina;

ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy.

Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity

ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy,

sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.

Fodiana rodomben’ireo voasesitany

12Amin’izany andro izany,

dia hovelesin’ny TOMPO ireo salohim-bary voajinja

manomboka eo amin’ny ony Eofrata

ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta.

Amin’izay ianareo, ry Israelita,

dia samy hotsimponina tsirairay.

13Amin’izany andro izany,

dia hanakoako ny feon’ny anjomara lehibe;

ka ho tonga avokoa ireo very tany Asiria

na ireo tafaely tany Ejipta

mba hiankohoka eo anatrehan’ny TOMPO

ao an-tendrombohitra masina any Jerosalema.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help