Salamo 63 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ny fitiavanao tsara noho ny aina

1 Salamo nataon’i Davida, fony izy tany an-taniefitr’i Joda .

2Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro;

mitady fatratra Anao aho sy mangetaheta Anao.

Maniry Anao ny tenako manontolo

toy ny tany maina sy mangentana

toy ny tany haraka mila rano.

3Koa enga anie ho afa-mibanjina Anao

ao amin’ny Toeramasina aho

mba hahitako ny hery amam-boninahitrao!

4Eny, hambarako ny fiderana Anao

satria tsara noho ny aina ny fitiavanao;

5koa mandritra ny fiainako no hisaorako Anao.

Hanandra-tanana aho rehefa manonona ny anaranao;

6dia ho heni-tsoa toy ny voky sakafo tsara aho

ka ho faly handredona hira fiderana Anao.

7Eo am-pandriana aho mahatsiahy Anao;

tontolo alina, any aminao ny eritreritro

8satria nombanao fitahiana hatrany aho

ka mibitaka mialoka eo ambany elatrao.

9Mifikitra aminao ny tenako manontolo,

satria manohana ahy ny herinao.

10Ireo olona mitady hahafaty ahy,

aoka hiharan-doza tsy ampoizina

ka hiditra amin’ny fonenan’ny maty,

any amin’ny fanambanin’ny tany!

11Ho afaka aina any an’ady anie izy

ka ho anjara sakafon’ny amboadia!

12Fa ny mpanjaka kosa anie hifaly aminao,

ry ilay Andriamanitra nampandresy azy!

Ireo rehetra nanao fianianana

ka nitonona Anao ho vavolombelona,

aoka hifampiarahaba noho ny aminao

satria voakombonao tsy ho afa-miteny

ny vavan’ny olona mpandainga!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help