Salamo 91 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Mialoka ao amin’Andriamanitra Avo Indrindra

1Izay mipetraka ao amin’ny fialofan’ilay Avo Indrindra

dia mitoetra eo ambany fiarovan’Andriamanitra Tsitoha,

2ka tokony hiteny amin’ny TOMPO izy hoe:

«Ianao no manda fiarovana ho ahy;

Ianao no Andriamanitro ka itokiako.»

3–Ny Tompo mihitsy no hanafaka anao

amin’ny fandrika mivelatra sy areti-mandringana.

4Harovany amin’ny elany ianao;

eo ambany elany no hialofanao

tahaka ny zanak’akoho eo ambany ela-dreniny.

Ny fahamarinany no ampinga fiarovana,

5ka tsy misy zavatra atahoranao akory:

na ny loza mampihorohoro amin’ny alina,

na ny zana-tsipîka manidina amin’ny antoandro,

6na ny areti-mandringana misoko amin’ny haizina,

na ny voina mandripaka amin’ny mitataovovonana.

7Eny, na misy olona arivo aza maty eo akaikinao

ary na iray alina aza miampatra eo ankavananao,

dia tsy hisy loza hihatra aminao akory.

8Ahirato fotsiny ny masonao, dia ho hitanao

ny famalian’Andriamanitra ny olon-dratsy.

9Ny TOMPO mihitsy no fialofana ho anao

sady ny Avo Indrindra no nataonao fonenana;

10ka tsy hisy loza hianjady aminao

na antambo hanakaiky ny tranonao.

11Fa ny Tompo handidy ny anjeliny hiahy anao

mba hiaro anao na aiza na aiza alehanao;

12hoentin’ireo eny an-tanany ianao

mba tsy ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.

13Hodiavinao ny liona sy ny menarana

hohitsahinao ny tigra sy ny dragona.

14Hoy ny Tompo hoe: «Nifikitra tamiko izy, ka hovonjeko;

harovako izy satria miaiky ahy ho Tompo.

15Raha miantso vonjy amiko izy, dia hovaliako;

raha azom-pahoriana izy, dia ho eo anilany Aho;

hafahako izy sy homeko voninahitra.

16Hataoko ela velona tokoa izy

ary hanehoako ny famonjeko.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help