1Fanantenam-poana sy mamitaka
no andrandrain’ny olona tsy misaina;
ary ny nofy no mampisidina ny ketrina.
2Toy ny misambotra aloka na manenjika rivotra
ny olona manao ny nofy ho zavatra.
3Tandindon-javatra no hitan’ny olona amin’ny nofy;
tahaka ny sarin-tavany eo anoloan’ny tena tavany.
4Inona no madio mety hipoitra avy amin’ny maloto,
ary inona no marina mety hipoitra avy amin’ny lainga?
5Zava-poana ny sikidy sy ny fanandroana ary ny nofy;
zava-poana toy izany koa ny anjoanjon’eritreritra
izay ataon’ny vehivavy manaintaina mihetsi-jaza.
6Raha tsy hoe nofy avy amin’ilay Avo Indrindra
no nirahina mba hizahana toetra anao,
dia aza avela hifantohan’ny fonao izany;
7satria efa namitaka olona maro ny nofy
ary lavo izay nanankim-panantenana taminy.
8Lavorary ny Lalàn’Andriamanitra
ka tsy misy fisolokiana toy ireny;
ary lavorary koa ny fahendrena
izay aloaky ny vava mahatoky.
Mahasoa ny dia fitetezan-tany9Mahalala zavatra maro ny olona nitety tany;
ary ny efa voasedra no miteny amim-pisainana.
10Izay olona tsy mbola voasedra dia ho kely fahalalana,
11fa izay efa nitety tany no manavosa haren-tsaina.
12Betsaka ny zavatra hitako fony aho nitety tany;
ary mihoatra noho izay azoko lazaina ny fahalalàko.
13Matetika no efa nananontanona ahy ny fahafatesana,
kanefa voavonjy aho satria efa ela nihetezana toy izany.
Ny fanajana an’Andriamanitra14Ho ela velona izay manaja ny Tompo,
15satria eo amin’ilay Mpamonjy azy
no iorenan’ny fanantenany.
16Izay manaja ny Tompo
dia tsy matahotra na inona na inona;
tsy manahy na oviana na oviana izy
satria ny Tompo no fanantenany.
17Sambatra ny fanahin’izay manaja ny Tompo!
18Iza no ianteherany? Ary iza no fiankinany?
19Ny mason’ny Tompo dia eo amin’izay tia Azy;
fiarovana mahery sy fiankinana mafy Izy,
fialofana amin’ny rivotra mahamay,
fialofana amin’ny hafanana mandoro;
ambenany tsy ho tafintohina ireo
ary sakanany mba tsy ho potraka.
20Mampahery fanahy sy mampahazava fijery Izy
sady manome fahasitranana sy fiainana amam-pitahiana.
Ny fivavahana izay sitrak’Andriamanitra(Jereo 35.1-3; Is 1.10-20; Mal 1.6-13; Ohab 21.27; Jak 1.26-27)21Raha biby azo tsy an-drariny no atao sorona,
dia fanatitra misy kilema izany;
22ary tsy ankasitrahin’Andriamanitra
ny fanomezan’ireo mpandika ny lalànany.
23Tsy ankasitrahin’ilay Avo Indrindra
ny fanatitr’ireo tsy mpivavaka;
ary tsy araka ny hamaroan’ny sorona atao
no amelàny ny fahotana.
24Tahaka ny mamono zanaka eo imason-drainy
ny manatitra sorona nalaina tamin’ny fananan’ny mahantra.
25Mofo kely nisasarany no iveloman’ny mahantra,
ka mpandatsa-dra izay maka izany aminy.
26Mamono mahafaty namana
izay manaisotra ny fivelomany;
27ary mandatsa-dra izay manaisotra
ny karaman’ny mpikarama.
28Raha ny anankiray manorina
ary ny anankiray mandrodana,
inona no soa azon’izy roa tonta
afa-tsy ny fisahiranana ihany?
29Raha ny anankiray mirary soa
ary ny anankiray manozona,
feon’iza no hohenoin’ny Tompo?
30Raha misy mandro avy nanendry faty
kanefa mbola manendry azy indray,
inona no soa azony tamin’ny fandroany?
31Toy izany koa raha misy mifady hanina
mba hahazoany famelana ny fahotany,
kanefa mbola mamerina ireny fahotana ireny ihany,
inona no soa azony tamin’ny fietreny tena?
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.