1Olon-kafa indray no miomana hiondrana an-tsambo sy hisedra ny onja maherin’ny ranomasina; ka tapa-kazo mora vaky noho ny sambo mitondra azy no antsoiny.
2Fa noho ny fanirian-kahazo tombontsoa no nampaminavina io sambo io, ary ny fahakingan’ny mpahay asan-tanana no nandrafetana azy.
3Kanefa, Ray ô, ny fitiavanao mahatsinjo mialoha no mitana ny familiana azy. Ianao no manoritra izay halehany eny amin’ny ranomasina, dia lalana azo antoka mamakivaky ny onja.
4Asehonao amin’izany fa mahavonjy amin’ny loza rehetra Ianao, na dia miondrana tsy havanana mitondra sambo aza ny olona.
5Tsy mba tianao handamòka ny asan’ny Fahendrenao, ka izany no anankinan’ny olona ny ainy amin’izay hazo marefo kely, ary itetezany ny onja amin’ny zahatra nefa ieren-doza.
6Ary toy izany koa fahiny, fony naringana ireo rapeto mpiavonavona. Nahita fialofana tamin’ny zahatra iray ny fanantenan’izao tontolo izao, fa nentin’ny tananao izy ka namela loharanon-taranaka vaovao ho an’ny hoavy.
7Ombàm-pitahiana ny hazo izay tonga fitaovam-pahamarinana!
8Fa voaozona kosa ny sampy izay asan-tanana ihany mbamin’ilay olona nanao azy: ilay olona, satria izy no nanao azy; ary ny sampy, satria nantsoina hoe andriamanitra izy, kanefa dia zavatra mety lo.
9Samy halan’Andriamanitra na ny olona tsy mpivavaka na ny faharatsiam-panahiny,
10ka samy miaraka hofaiziny na ny asa vita na ny mpanao azy.
11Noho izany dia hihatra amin’ny sampin’ireo firenena ny famaizan’Andriamanitra; satria mba zava-boaarin’Andriamanitra ihany ireny, kanefa tonga zava-maharikoriko eo imasony. Ankoatra izany, dia mahasolafaka fanahin’olombelona amin’ny fahotana ireny sampy ireny ary tonga fandrika mahasoa ny tongotry ny adala.
Ny niandohan’ny sampy sarin’olona12Ny hevitra hanamboatra sampy no nipoiran’ny fanitsakitsahana an’Andriamanitra; ary ny famoronana ireny no nitarika fahalòvan-toetra teo amin’ny fiainan’ny olona.
13Tany am-piandohana dia tsy nisy akory ireny sady tsy haharitra mandrakizay koa.
14Fa ny fisainana adalan’ny olona ihany no nampiditra ireny teto amin’izao tontolo izao; koa famongorana haingana no efa voatendrin’Andriamanitra ho azy.
15Nitambesaran’alahelo ity raim-pianakaviana noho ny fahafatesan’ny zanany menavava, ka nampanamboatra sarin’ny zanany izay nalana tampoka taminy. Dia nanomboka nanaja hoatra ny andriamanitra izany fatin-janany izany izy, ary nampita fanao miafinafina sy fombam-pivavahana tamin’ny ankohonany.
16Tsikelikely anefa dia niharaikitra izany fomba mifanohitra amin’ny finoana izany, ka notandremana tahaka ny lalàna.
Tonga nivavahana ihany koa ireo sarin-tsampy noho ny didin’ny mpitondra mpanjakazaka.
17Raha misy olona tsy afaka nanaja azy eo anatrehany satria lavi-ponenana, dia naka tahaka ny endriny avy lavitra izy ary namboatra sarin’ny mpanjaka hajainy hita maso. Izany no nahazoana midera azy amin-kafanam-po; ka na dia tsy eo aza izy, dia toy ny manatrika ihany.
18Ny fanirian-dazan’ny mpanao sary no nampandroso ny fanompoan-tsampy tamin’izay tsy nahalala akory ny mpanjaka aza.
19Fa te hila sitraka tamin’ny mpanjaka izy, ka nampiasa hakingàny hahatafavoaka sary kanto kokoa noho ny tena izy.
20Voasinton’ny hakanton’ny asa ny vahoaka ka ilay nohajainy teo aloha kely ho olombelona no nataony ho andriamanitra ivavahana.
21Fandrika mahafaty tokoa ho an’ny olombelona izany; satria rehefa ianjadian’ny fahoriana na teren’ny mpanjakazaka izy, dia nampihatra amin’ny vato aman-kazo ny anarana izay voatokana ho an’Andriamanitra irery ihany.
Ny vokatry ny fanompoan-tsampy22Tsy mba ampy ny olona anefa ny diso lalana tamin’ny fahalalana an’Andriamanitra; fa noho ny niainany tao anatin’ny fifanolanana goavana vokatr’izany tsy fahalalana izany, dia sahiny omena anarana hoe fiadanana izany loza izany.
23Fa manolotra sorona zaza sy manaraka fanao miafinafina izy ary mitolo-batana amin’ny filerana mihoa-pampana ombàm-pomba mamoafady,
24ka dia tsy mitandro intsony na ny ain’olombelona na ny fahadiovan’ny fanambadiana; fa ny andaniny mamono ny ankilany am-pitaka na mampahory azy amin’ny fangalarana ny vadiny.
25Misafotofoto ny zavatra rehetra: ra mandriaka, vono olona, halatra, fitaka, fanakolikolena, fivadiham-pitokiana, korontana, fianianan-tsy to,
26fanenjehana ny tsara fanahy, tsy fankasitrahana, fahalòvam-pitondrantena, fifampilana mifotitra, korontam-panambadiana, fakam-badin’olona ary fanaranam-batana.
27Ny fanompoan-tsampy izay tsy tokony hotononina anarana akory no fototry ny ratsy isan-karazany sady antony sy faraidiny.
28Izay mivavaka amin’ireny sampy ireny dia miontan-kafaliana mirediredy na maminan sandoka, ary miaina amin’ny faharatsiana na mianiana tsy to mora foana.
29Fa sampy tsy mananaina no ianteherany, ka dia mihevitra izy tsy hahitan-doza ny fianianana tsy marina ataony.
30Hiharan’ny famaizana ihany izy noho ireto antony roa ireto: voalohany, satria diso fihevitra an’Andriamanitra izy tamin’ny niraiketany tamin’ny sampy; faharoa, satria nanao fianianana sandoka nanohitra ny fahamarinana izy ka naniratsira ny fahamasinana.
31Tsy mba avy amin’ny herin’ny sampy nianianany anefa izany, fa famaizana voatokana ho an’ny mpanota ka manasazy mandrakariva ny hadisoan’ireo meloka.
Ny finoan’i Israely no niaro azy tamin’ny fanompoan-tsampyWho We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.