1Ny mpiasa midoroka tsy mba hanan-karena;
izay tsy miraharaha ny fahalalana onony
dia hitotongana miandalandalana.
2Ny fisotro mahamamo sy ny vehivavy
no mampivoana ny olona, na ny mahira-tsaina aza;
ary izay miraikitra amin’ny vehivavy janga
dia lehilahy miditra anaty kizo hatrany;
3ho rembin’ny olitra sy ny kankana no anjarany,
ka ny toetra midi-kizo no hahafongotra azy.
Ny loza ateraky ny resadresa-poana4Izay malaky minomino ny lazaina azy
dia olona maivan-doha;
ary izay manao fahotana toy izany
dia mamely ny tenany ihany.
5Izay finaritra amin’ny haratsiana
dia hiharan’ny fanamelohana;
6ary izay mankahala ny resadresa-poana
dia miaro tena tsy ho voan’ny loza.
7Aza mitati-bolana na oviana na oviana,
dia tsy hisy loza hahavoa anao;
8Aza miresaka olona na sakaiza na fahavalo;
ary aza manambara zavatra momba azy,
afa-tsy raha hahadiso anao ny tsy miteny.
9Raha ren’ilay olona manko ianao,
dia hitandrin-tena izy aminao;
ary any andro hankahalany anao.
10Raha sendra nisy resaka renao,
dia ataovy zavatra hoentinao maty;
aza manana ahiahy ianao,
fa tsy hampipoaka anao izany.
11Ny teny iray tokony hotanany
dia mampijalijaly ny olona adala
tahaka ny mampanaintaina mafy
ny vehivavy mihetsi-jaza.
12Mamparary ny zana-tsipîka
rehefa tafatsatoka amin’ny fe;
mamparary toy izany koa
ny teny iray tokony hotanana
rehefa latsaka ao am-pon’olona adala.
Hamarino ny siosion-dresaka13Fotopotory ny sakaizanao
ny amin’izay siosion-dresaka momba azy.
Angamba tsy nisy zavatra nataony;
ary raha nisy nataony ihany,
dia aoka izy tsy hamerina intsony!
14Fotopotory ny namanao
ny amin’ny fanaratsiana iampangana azy.
Angamba tsy nisy zavatra nolazainy;
ary raha nisy nolazainy ihany,
dia aoka izy tsy hamerina intsony!
15Fotopotory ny sakaizanao:
Matetika manko ny endrikendrika;
koa aoka ianao tsy hinohino foana
izao rehetra lazaina aminao izao!
16Misy olona diso fiteny,
na dia tsy fanahy iniany aza;
ary iza moa no tsy nanota
tamin’ny teny nataony?
17Fotopotory ny namanao,
alohan’ny handrahonanao azy;
ary aoka homenao lanja
ny lalànan’Ilay Avo Indrindra!
Fahendrena tena izy sy fahendrena sandoka20Ny vontoatin’ny fahendrena manontolo dia izao;
ny manaja ny Tompo sy manatanteraka ny Lalàny.
22Tsy mba ny fahaizana zava-dratsy no fahendrena;
tsy mba ny torohevitry ny mpanota no fahamalinana.
23Misy hakingana izay maharikoriko tokoa;
ary izay tsy ampy fahendrena no adala toetra.
24Aleo olona kely fahiratan-tsaina
kanefa manaja ny Tompo,
toy izay olona be hakingan-tsaina
kanefa mandika ny Lalànany.
25Misy toetra kinga sy matsilo tokoa
izay enti-mandika ny rariny;
ary misy fatra-panodinkodin-javatra
mba hampamoaka ny didim-pitsarana irîny.
26Misy olon-dratsy manjoko toa azon’ny alahelo,
kanefa feno fitaka ny ao anatiny ao;
27manakon-tava izy sady manao be marenina,
kanjo nony tsy tandrintandrin’ny olona
dia lasa misongona anao indray.
28Misy mifady fahotana satria tsy ampy hery;
kanefa hanararaotra hanao zava-dratsy izy
raha vantany vao mahita hanaovana izany.
29Ny tarehiny no ahalalana ny olona
ary ny endriny no ahitana fa hendry izy.
30Ny fitafin’ny olona sy ny fitsikiny
ary ny fandehany no maneho ny toetrany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.