Baròka Sava lalana - Malagasy Bible Interconfessionelle

Sava lalana –Ny bokin’i Baròka dia toa asa soratry ny mpitantsoratr’i Jeremià no fisehony kanefa tsy voasoratra talohan’ny taonjato faharoa. Koa ny filazana azy ho asa soratr’i Baròka dia fanao eo amin’ny sehatry ny haisoratra, sady fampiasa matetika tamin’izany vanim-potoana izany. Misy fizaràna efatra mahaleotena ny boky, ka tsy voatery ho olona iray ihany no nanoratra azy:

1) Sava lalana mamepetra tsara fa ity boky, izay nalefan’ireo babo any Babilôna ity, dia tokony hovakîna ao Jerosalema amin’ny fanompoam-pivavahana iray fanaovana fieken-keloka (1.1-14);

2) Ny rijan-teny momba io fieken-keloka io (1.15–2.10), dia fieken-keloka notakarina avy amin’ny Daniela 9 sady arahina fitalahoana (2.22–3.8) elanelanin’andinin-tSoratra Masina maro;

3) fieritreretana momba ny fahendrena (3.9–4.4)

4) ary farany lahateny fampirisihana mivantana amin’i Jerosalema (4.5–5.9).

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help