Nahoma 3 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fanamelohana an’i Ninive

1Lozanao, ry tanàna mpandatsaka ain’olona,

mpanao hosoka sy fanambakana,

ary tsy ialana fandrobana!

2Injany re ao ny firefotry ny karavasy,

ny firodorodon’ny kodiarana

sy ny fikatrokatroky ny soavaly

ary ny fitraitraikan’ny kalesy.

3He, miantsambotra ny mpitaingin-tsoavaly,

mamirapiratra ny sabatra, manjelanjelatra ny lefona!

Betsaka ny maratra! Fatin’olona no miampatrampatra

tsy hita isa sy mamingana hatraiza hatraiza!

Rakotra henatra i Ninive

4Fatra-pijangajanga i Ninive,

ilay mpivarotena bikana sy kinga amin’ny fanangolena,

sady nangeja vahoaka sy firenena

tamin’ny fijangajangana sy ny ody fitia.

5Koa izao no teny hentitra

ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

«Indro hamely anao Aho.

Haingaiko hatreny amin’ny tavanao

ny moron-tongotr’akanjonao.

Ka hasehoko miboridana

amin’ny firenena sy fanjakana ianao

ary hahita anao rakotra henatra ireo.

6Dia hataoko mihosim-potaka ianao

sy halako baràka ka higagan’ny olona.

7Ary izay rehetra mahita anao dia handositra anao

sady hiteny hoe: «Rava i Ninive!

Iza intsony no hangoraka azy?

Aiza no hahitana mpampionona azy?»

Hanjo an’i Ninive koa izay nanjo an’i Teba

8Moa va ianao, ry Ninive, tsara noho i Teba,

ilay tanàna niorina teo anivon’ny ony Neily

sady voadidin’ny ranobe toy ny manda miaro azy?

9I Etiôpia sy i Ejipta no heriny tsy mety ritra

ary ny vahoakan’i Pota sy ny Libianina no mpanampy azy.

10Nefa na ny mponin’i Teba koa aza

dia lasan-ko babo sy voasesitany.

Ny zaza teo aminy dia novonoin-ko faty

teny an-joron-dàlana rehetra teny,

ny loholony notsinjaraina an-tsapaka,

ary ny lehibeny rehetra nasiana gadra vy.

11Anjaranao koa izao, ry Ninive,

ny ho leom-pangirifiriana ka ho difotr’izany;

anjaranao koa izao ny hitady fiafenana

hialana amin’ny fahavalo.

12Ny manda mafy rehetra anananao

dia ho toy ny aviavy efa masa-boa;

raha hohozongozonina ny fototra, dia hihintsana

eo am-bavan’izay te hihinana azy.

13Indro tonga osa toy ny vehivavy

ny lehilahy eo aminao;

ary midanadana ho an’ny fahavalonao

ny vavahadin’ny taninao,

satria kilan’ny afo ny hidiny.

14Ry mponin’i Ninive, manangòna rano

fa ho avy ny fahirano,

hamafiso ny mandanareo;

manditia tanimanga ho feta

ka raiso ny lasi-biriky.

15Fa ho faty kilan’ny afo

sy ho ripaky ny sabatra ianareo;

eny, ho levona tokoa ianareo,

toy ny fandevon’ny valala ny ravina.

Nanjavona ny vahoaka iray manontolo

Nivangongo tahaka ny voangory ny vahoakanao

ary nifanaretsaka tahaka ny valala.

16Nohamaroinao ny mpandrantonao

ka mihoatra noho ny kintana eny amin’ny lanitra.

Tahaka ny voangory àry elatra ireny

ka lasa nanidina nanjavona.

17Betsaka toy ny valala ny andriananao;

ny mpiasam-panjakana ao aminao koa

dia toy ny andiam-balala

mivangongo eny amin’ny fefy

nony mangatsiaka ny andro.

Fa rehefa miposaka ny masoandro,

dia lasa manidina ireny

ka tsy fantatra izay nalehany.

Fangirifiriana tsy misy fanafana

18Matory tsy hifoha intsony ireo filoham-paritaninao

ry mpanjakan’i Asiria,

ary miampatrampatra ireo jeneralinao.

Mihahaka eny an-tendrombohitra ny tafikao,

ka tsy misy mamory.

19Tsy misy fanafany ny fangirifirianao

ary tsy azo sitranina intsony ny ferinao.

Fa izay rehetra mahalala ny nanjò anao

dia hitehaka avokoa manoloana ny fahavoazanao,

satria zovy moa no tsy nahita faisana

noho ny habibiana mitohy nafitsokao?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help