Isaià 6 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fiantsoan’Andriamanitra an’i Isaià

1Tamin’ny taona nahafatesan’i Hozià mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo amin’ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjony.

2Nisy serafima nitsangana teo amboniny, izay samy manana elatra enina avy: ka ny roa nanakonany endrika, ny roa nanakonany vatana, ary ny roa nanidinany.

3Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe:

«Masina, masina, masina

ny TOMPOn’izao rehetra izao!

Feno ny voninahiny ny tany manontolo!»

4Nipararetra ny fanambanin’ny tokonana noho ny hamafin’ny feon’ireo serafima ireo, sady feno setroka ny trano.

5Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»

6Kinanjo nanidina nanatona ahy ny iray tamin’ireo serafima, nitondra vainafo teny an-tanany, dia vainafo avy nalainy tamin’ny tandra teo amin’ny alitara.

7Natehiny tamin’ny vavako izany, ary hoy izy tamiko:

«Indro efa nitehika ny molotrao ity;

koa afaka ny helokao,

ary voavela ny fahotanao.»

8Dia reko ny feon’ny Tompo nanontany hoe:

–Iza no hirahiko, ary iza no ho mpitondrateninay?

Dia namaly aho hoe:

–Inty aho, iraho aho.

9Dia hoy indray Izy hoe:

–Ndeha lazao amin’ity firenena ity hoe:

«Mihainoa ihany ianareo fa tsy handre,

mijere ihany fa tsy hahita.»

10Ataovy tonga mafy fo ity firenena ity

ataovy tonga mafy sofina izy

ary ataovy tonga jamba ny masony,

fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre

ary ny fony hahafantatra

ka hiverina amiko izy ary ho sitrana.

11Tamin’izay dia nanontany aho hoe:

–Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô?

Dia namaly Izy hoe:

–Mandra-pahasimba ny tanàna

ka tsy hisy mponina intsony,

mandra-paharava ny trano

ka tsy hisy olona tavela

ary mandra-pahalao tokoa ny tany.

12Eny, halefan’ny TOMPO any lavitra any ny mponina

ka ho betsaka ny saha hilaozana eo amin’io tany io.

13Raha misy ampahafolon-tany tsy tratry ny loza aza,

dia mbola hodorana amin’ny afo ihany koa izany;

saingy ho tahaka ny hazo terebinta na ny ôaka

izay mamela fototra ihany na voakapa aza.

Kanefa avy amin’izany fototra tavela izany

no hisian’ny taranaka masina indray.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help