Jeremià 14 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Tamin’ny fotoanan’ny hain-tany

1Tenin’ny TOMPO tamin’i Jeremià noho ny hain-tany.

2Misaona ny vahoakan’i Joda,

simba ireo tanàn-dehibeny;

manjombona sy mipetraka amin’ny tany izy.

Misandratra hatrany an-danitra

ny fitarainan’i Jerosalema.

3Irahin’ny lehibe mba haka rano

ireo mpiasa madinika;

tonga eo amin’ny lavaka fantsakana izy

nefa tsy mahita rano intsony

ka miverina mitondra siny foana,

dia menatra sy mangaihay ary diso fanantenana.

4Noho ny fangentan’ny tany

fa tsy nisy orana latsaka taminy

dia menatra sy diso fanantenana ny tantsaha.

5Na ny dieravavy eny an-tsaha aza,

dia mahafoy ny zanany vao teraka

satria tsy misy ahi-maitso intsony.

6Ny borikidia koa mijanona

eny an-tendrombohitra mangadihady,

ka mihanahana manambolo rivotra

toy ny fanaon’ny amboadia.

Jambena ny masony

satria tsy misy ahitra intsony!

(Ny vahoaka)

7TOMPO ô, miampanga anay ny fahadisoanay;

nefa miasà Ianao ho voninahitry ny anaranao.

Niodina taminao matetika izahay;

taminao no nanotanay.

8Ry fanantenàn’i Israely ô,

ry mpamonjy azy amin’ny androm-pahoriana,

nahoana no dia toy ny vahiny eo amin’ny tany Ianao

sy toy ny mpandeha milasy indray alina monja?

9Nahoana no tahaka ny olona ankona ianao

sy toy ny lehilahy mahery tsy afa-mamonjy?

Kanefa dia eto afovoanay Ianao, TOMPO ô,

ary izahay dia natokana ho Anao, koa aza arianao.

Tsy mahazo mivavaka ho an’ny vahoaka i Jeremià

10Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, tia mirenireny izy ka tsy mahajanona ny tongony». Tsy sitraky ny TOMPO anefa ity vahoaka ity. Ankehitriny dia ampahatsiahiviny azy ny hadisoany ary valiany ny helony.

11Ary hoy ny TOMPO tamiko:

–Aza mivavaka amiko mba hanasoa ity vahoaka ity intsony.

12Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.

13Fa namaly aho hoe:

–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô! Indreo ny mpaminany milaza aminy hoe: «Tsy hiharan’ny ady na ny mosary ianareo, fa Andriamanitra mihitsy no hanome fiadanana marina ho anareo eto amin’ity toerana ity.»

14Dia hoy ny TOMPO tamiko:

–Mandainga ireo mpaminany niteny tamin’ny anarako ireo, fa tsy naniraka na nandidy azy akory Aho ary tsy niteny taminy koa. Izay ambarany aminareo dia fahitana mandainga, vinavina tsy misy dikany, fitaka noforomporoniny.

15Koa Izaho TOMPO no milaza ny amin’ireo mpaminany ireo hoe: Tsy naniraka azy Aho nefa nihambo haminany amin’ny anarako izy fa tsy hisy ady na mosary na areti-mandringana eto amin’ity tany ity. Koa ny ady sy mosary tokoa no handringana azy hatramin’ny farany.

16Ary ny vahoaka izay naminaniany koa dia hitsitra eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny ady sy ny mosary ka tsy hisy handevina ireo olona ireo, na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy. Izany no hanatsingerenako aminy ihany ny ratsy nataony.

17Izao kosa no teny holazainao aminy:

Ny masoko anie hijononoka ranomaso

andro aman’alina tsy an-kiato,

satria goavana ny fahavoazan’ny vahoakako

ary mafy dia mafy tokoa ny ratra nahazo azy.

18Raha mivoaka eny an-tsaha aho,

dia ireo matin-tsabatra no hitako;

raha miditra an-tanàna aho,

dia ireo matin’ny mosary no hitako.

Ny mpaminany sy ny mpisorona

dia mivezivezy eo amin’ny tany,

fa tsy mahalala na inona na inona.

(Ny vahoaka)

19Tompo ô, efa narianao tokoa ve i Joda?

Efa naharikoriko Anao ve i Tsiôna?

Nahoana no mikapoka mafy anay Ianao

ka tsy misy mahasitrana anay?

Nanantena fiadanana izahay

kanjo tsy nisy soa akory,

ary niandrandra fotoam-pahasitranana

kanjo indro zava-mahatahotra.

20TOMPO ô, ekenay ny faharatsianay

sy ny fahadisoan’ny razanay

fa efa nanota taminao izahay.

21Noho ny lazanao, dia aza hamavoina izahay

ary noho ny sezafiandriananao be voninahitra

dia aza atao tsinontsinona izahay.

Tsarovy ka aza itsoahanao

ny fanekempihavanana nataonao taminay.

22Moa misy mahalatsaka orana ve

ny sampin’ireo firenen-kafa?

Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra

fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray?

Koa mitoky aminao izahay

satria Ianao no manao ireo rehetra ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help