Salamo 61 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Satriko ny hitoetra mandrakizay ao an-tranonao

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha. Nataon’i Davida.

2Andriamanitra ô, mba henoy ny tarainako,

aoka ho tandrinao ny fivavako!

3Lavitra ny fonenako sady reraka aho

ka dia miantso vonjy aminao.

4Ianao no fialofana ho ahy,

tilikambo mafy anoloan’ny fahavalo.

5Te hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho,

ka hialoka sy hiery eo ambany elatrao.

Fiatoana

6Fa Ianao, Andriamanitra ô,

mihaino ny voady izay ataoko

sy manome an’ireo mpanaja Anao

ny soa natokanao ho fananany.

7Omeo andro lava hiainany ny mpanjaka;

ho arivo tratry ny taona anie izy!

8Ho mandrakizay eo anoloanao anie

no hifehezany, Andriamanitra ô!

Aoka hasainao hiaro azy

ilay fitiavanao mahatoky!

9Dia hankalaza ny anaranao hatrany aho

amin’ny salamo sy zava-maneno,

sady hanolotra isan’andro isan’andro

ny sorona nataoko voady taminao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help