Eksôdy 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fahaterahana sy fahazazàn’i Mosesy

1Nisy lehilahy iray, anisan’ny fokon’i Levỳ, nandeha naka vady tao amin’ny mpiray foko aminy.

2Bevohòka ravehivavy ka niteraka zazalahy. Hitany fa tsara tarehy ilay zazalahy ka nafeniny nandritra ny telo volana.

3Taorian’izany, rehefa tsy afa-nanafina azy intsony izy, dia naka sobika zozoro izay nohosorany dity mineraly sy ditin-kazo, dia napetrany tao ny zaza; ary tao anatin’izany sobika izany no nanaterany azy teny amoron’i Neily teo anivon’ny bararata.

4Nijanona lavidavitra ny anabaviny mba hijery izay hanjo azy.

5Taoriana kely dia nidina tao amin’i Neily mba handro ny zazavavin’ny Farao, ary ireo mpanotrona azy kosa nitsangantsangana teny amoron’ny ony. Nahatazana ilay sobika teo anivon’ny bararata izy ka naniraka ny mpanompovaviny iray haka azy.

6Nosokafan’ny andriambavy ilay sobika, ka intỳ hitany tao zazalahy kely mitomany; ary onena azy izy ka niantso hoe:

–Zanaka Hebreo ity!

7Fa niteny tamin’ny zanakavavin’ny Farao kosa ilay anabaviny nanao hoe:

–Handeha hiantso vehivavy mpitaiza ho anao amin’ny vehivavy hebreo ve aho mba hitaiza ny zaza ho anao?

8Dia novalian’ny andriambavy hoe:

–Mandehana àry!

Dia nandeha razazavavy ka ny renin’ilay zazalahy ihany no nantsoiny.

9Ary hoy ity andriambavy tamin-dravehivavy:

–Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy fa izaho no hanome ny karamanao.

Dia nalain-dravehivavy ny zaza ka notezainy.

10Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’ny Farao, ka nanjary zanany. Dia hoy ity andriambavy hoe:

–Antsoiko hoe Mosesy izy satria avy tamin’ny rano nisarihako azy.

Voatery mandositra any amin’ny tany Midiana i Mosesy

11Indray andro, nony efa lehibe i Mosesy, dia niainga nankany amin’ireo mpiray firenena aminy ka nahita azy tao anatin’ny fanompoana mafy. Hitany fa nisy lehilahy ejiptianina iray nikapoka Hebreo iray isan’ny mpiray firenena aminy.

12Nijerijery manodidina i Mosesy ka hitany fa tsy nisy olona; dia novonoiny ho faty ilay Ejiptianina ary nasitriny tao anaty fasika.

13Nony ampitso dia nivoaka indray izy ary nahita Hebreo roalahy niady, ka nanao tamin’ilay diso hoe:

–Nahoana no mikapoka ny mpiray firenena aminao ianao?

14Fa novaliany hoe:

–Iza no nanendry anao ho lehibe hitsara ny adinay? Sa tadiavinao hovonoina ho faty toy ny namonoanao an’ilay Ejiptianina aho?

Fantatr’i Mosesy tamin’izany fa nisy nahalala ilay raharaha ka raiki-tahotra izy.

15Henon’ny Farao tokoa izany, koa notadiaviny hovonoina ho faty i Mosesy. Dia nandositra lavitry ny Farao i Mosesy, ka lasa nialokaloka tany amin’ny tany Midiana, ary nipetraka teo anilan’ny fantsakana.

16Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona Jetrao tao Midiana. Tonga hantsaka rano ireo ary hameno ny tavin-drano mba hampisotroana ny ondry aman’osin-drainy.

17Fa tonga ireo lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka ireto zazavavy; dia nitsangana i Mosesy ka namonjy ireto zazavavy sady nampisotro ny biby fiompy.

18Nody tany amin’i Rehoela rainy izy fito mirahavavy, ka nanontaniany hoe:

–Nahoana no nalaky nody ianareo androany?

19Dia novaliany hoe:

–Nisy lehilahy ejiptianina iray niaro anay tamin’ny tanan’ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay ka nampisotro ny biby fiompintsika.

20Ary hoy i Rehoela tamin’ny zanany vavy:

–Aiza anefa izany lehilahy izany? Nahoana izy no nilaozanareo any? Ndeha alao izy mba hiara-misakafo amintsika.

21Nanaiky hipetraka tao amin’i Rehoela io i Mosesy. Nomen’ilay rangahy ho vadin’i Mosesy i Tsipôrà zanany vavy.

22Niteraka zazalahy ilay ramatoa ka hoy i Mosesy hoe:

–Antsoiko hoe Gersôma ity zaza ity satria efa lasa mpitsoa-ponenana atỳ an-tany hafa aho.

Fidin’Andriamanitra hanafaka an’i Israely i Mosesy

23Tatỳ aoriana ela dia maty ny mpanjakan’i Ejipta. Nitoloko ny Israelita noho ny fanompoany ka niantso vonjy; ary tafakatra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoana.

24Nandre ny fitarainan’ny Israelita Andriamanitra ka nahatsiaro ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.

25Nijery ny Israelita Andriamanitra ka nahafantatra ny nanjo azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help