Salamo 142 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ny Tompo no hany fialofan’izay enjehina

1 Tononkalo fananarana nataon’i Davida. Vavaka nataony fony izy tao anaty zohy .

2Miantso mafy ny TOMPO aho,

mitalaho mafy aminy.

3Loarako eo anatrehany ny tarainako,

ambarako eo anatrehany ny fahoriako.

4Raha reraka ato anatiko aho,

dia fantatrao ny manjo ahy.

Eo amin’ny lalana izorako

no namelaram-pandrika hamely ahy.

5Tazano eo ankavanako ka jereo:

tsy misy olona mba miraika amiko,

tsy misy toerana mba hialofako,

tsy misy olona miahy ny aiko.

6Ianao, TOMPO ô, no antsoiko.

Hoy aho hoe: «Ianao no aroko

sady anjara voatokana ho ahy,

eto amin’ity tany ivelomanay ity!»

7Ho henonao anie ny tarainako,

fa reraka dia reraka tokoa aho!

Afaho amin’ny mpanenjika aho,

fa mahery noho izaho ireny.

8Avoahy hiala ny tranomaiziko aho

mba hahazoako hidera ny anaranao

eo anivon’ny olo-marina hanodidina ahy,

rehefa nanisy soa ahy Ianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help