1Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Artarkserksesa amperôra, nony andro voalohan’ny volana Nisàna, dia nanonofy i Môrdôkay, zanakalahin’i Jahîra izay taranak’i Simehỳ sy i Kisy, sady avy amin’ny fokon’i Benjamîna.
2Io Môrdôkay io dia Jiosy nipetraka tao an-tanànan’i Soza ary olona manan-daza, anisan’izay ao an-dapan’ny amperôra.
3Tao anatin’ireo babo nentin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna avy any Jerosalema izy niaraka tamin’i Jekônià mpanjakan’i Joda.
4Izao àry ny nofin’io Môrdôkay io: Tampoka nisy horakoraka aman-tabataba, kotro-baratra aman-korohoron-tany, ka nivadi-po ny mponin’ny tany.
5Tampoka indray, nisy dragona roa lehibe nandroso samy vonon-kiady.
6Nierona mafy ireo dragona ireo ka tamin’izay ny firenena isan-tokony no nivonon-kiady hamely ilay firenen’ny olo-marina.
7Tampoka koa, nisy andro rakotra haizim-pito sady feno horohoro aman-tebiteby sy fahoriana ka nivadi-po mihitsy ny mponin’ny tany.
8Nivadi-po koa ireo olo-marina iray firenena manontolo tsiravin’ny loza nanjo azy, ka niomankomana ny ho faty
9sy niantso vonjy tamin’Andriamanitra. Vokatr’izany antso izany dia ony goavana mitosa-dranobe no toa nipoitra avy amina loharano kely anankiray.
10Avy eo nisy hazavana nipoitra, ary ilay masoandro mihitsy aza no niposaka; dia nasandratra ireo nampahorina ka nataony ripaka ireo mpirehaka.
11Nahita nofy ny zavatra efa nokasain’Andriamanitra hatao i Môrdôkay. Rehefa nifoha izy, dia nandinika izany tao am-pony ary naniry hahatakatra ny hevitr’izany, mandra-pahalin’ny andro.
Nisy teti-dratsy nampahafantarin’i Môrdôkay tamin’ny amperôra12Indray andro i Môrdôkay dia niala sasatra teo an-kianjan’ny lapa; tamin’izay koa i Bagatà sy i Tarà, izay samy mpandraharahan’ny amperôra, no niambina ny kianja.
13Henon’i Môrdôkay nanao tetika izy roalahy ka niriny ny hahalala ny zavatra nokotrehiny; dia fantany fa nikasa hamono an’i Artakserksesa ireo ka nampilazainy ny amperôra izany.
14Nofotopotorin’i Artakserksesa kosa izy roa lahy mpandraharaha ka niaiky, ary nalefany hovonoina ho faty.
15Nasain’ny amperôra nosoratana tao amin’ny boky Fanangonan-tantara izany zava-nitranga izany, ary naraikitr’i Môrdôkay an-tsoratra koa.
16Nohamafisin’ny amperôra ho mpandraharaha ao an-dapa i Môrdôkay sady notolorany fanomezana noho io fiampangana io.
17Saingy i Hamàna, ilay atao ho Bogeo sady zanakalahin’i Hamadatà, dia nanam-boninahitra koa teo anatrehan’ny amperôra; ka notadiavin’io Hamàna io ny hanisy ratsy an’i Môrdôkay sy ny fireneny, noho ny nahafatesan’i Bagatà sy i Tarà mpandraharahan’ny amperôra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.