Jôba 21 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Valintenin’i Jôba: misy ny fiadanan’ny ratsy fanahy

1Dia namaly i Jôba ka nanao hoe:

2Mba henoy tsara izay lazaiko,

fa izany no hampiononanareo ahy.

3Mandefera amiko mba hahazoako miteny;

fa rehefa tapitra ny teniko,

dia afaka mananihany ianareo.

4Ny ataon’olombelona ve no itarainako?

Tsia, koa nahoana aho no hahalefitra?

5Mitodiha aty amiko, fa ho gaga ianareo

ary hitampim-bava tsy hahaloa-peo.

6Raha mieritreritra izany ny tenako,

dia raiki-tahotra sady mari-koditra.

*

7Nahoana no mbola ahaveloman’ny olon-dratsy?

Nahoana izy no tratra antitra sady be fahefana?

8Ny taranany koa mipetraka tsara eo aminy,

ary ny zafikeliny mitombo eo imasony.

9Miadana ao an-tranony izy ka tsy matahotra

ary ny fikapohan’Andriamanitra tsy mahavoa azy.

10Ny ombilahiny manaraka ka mahavanona;

ary ny ombivaviny tsy mba mamotsotra.

11Mampiriaria ny zanany toy ny zanak’ondry izy

ary mampifalihavanja ireo zafikeliny.

12Mihira miaraka amin’ny amponga sy ny lokanga izy

sady faly mandihy amin’ny feon-tsodina.

13Rehefa niaina tamim-pahasambarana izy,

dia midina miadana any amin’ny fonenan’ny maty,

*

14Kanefa hoy ireo tamin’Andriamanitra: «Mialà aminay,

fa tsy te hahalala akory izay lalanao any izahay.

15Zinona koa ilay Tsitoha no hotompoinay?

Ary mitondra inona izay fivavahana aminy?»

16Marina fa tsy tompon’ny fahasambarany izy.

Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny olon-dratsy.

17Matetika ve no maty tampoka

ny jirom-piainan’ny olon-dratsy?

Matetika ve izy no iharan-doza,

na ianjadian’ny fahatezeran’Andriamanitra

mba ho anjara sahaza azy?

18Sa ho toy ny mololo entin-drivotra

sy akofa indaosin-tadio araka ny fiteny?

*

19Fa hoy ianareo hoe:

«Andriamanitra noho ny helo-dray,

dia mbola hanasazy ny zanany.»

Tsia! Fa aoka ilay meloka ihany

no hosazin’Andriamanitra

mba hahatonga saina azy.

20Aoka ny olon-dratsy hahita maso ny fahoriany

ka higoka ny fahatezeran’ilay Tsitoha.

21Ahoan’ny meloka inona moa izay hanjo ny taranany,

rehefa tapitra hatreo ny androm-piainany?

22Andriamanitra va no hampianarina izany,

nefa na ny anjely aza eo ambany fifehezany?

*

23Ny olona sasany dia tomady tsara

sady miadana no tsy manana ahiahy,

mandra-piavin’ny fahafatesany;

24mavesatry ny tavy ny kibony,

ary vonton-tsoka ny taolany.

25Fa ny olona sasany kosa maty

ao anatin’ny ngidim-piainana,

ka tsy mba nanandram-pahasambarana.

26Samy mandry eo amin’ny vovoka

ny tenan’izy roa tonta ireo,

ka samy rakotry ny olitra.

27Tandremo fa fantatro ny hevitrareo

sy izay eritreretinareo ny amiko,

28fony ianareo miteniteny hoe:

«Aiza izao ny tranon’ny mpampahory,

aiza ny lay fonenan’ny olon-dratsy?»

*

29Mba anontanio kosa ange ny mpitety tany,

ary mahaiza mamantatra ny zavatra ambarany hoe:

30Raha avy ny loza, afaka ihany ny olon-dratsy,

raha tonga ny fahatezerana, dia voaaro izy.

31Zovy no mba sahy hitsikera ny toetrany

na hampanonitra azy ny ratsy nataony?

32Rehefa maty izy, dia entina halevina,

ary mbola ambenina aza ny fasany.

33Ho maivana aminy ny tany

izay manototra azy ao an-dohasaha,

fa vahoaka maro no nitanjozotra taoriany

ary olona tsy hita isa no nisesy teo anoloany.

*

34Koa tsy misy antony amiko izay fampiononanareo,

fa lainga avokoa no raketin’ny valinteninareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help