Isaià 44 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Fa ankehitriny kosa mihainoa,

ry firenen’i Jakôba mpanompoko,

ry vahoaka Israely izay nofidiko.

2Izaho TOMPO izay mpanao anao,

ka namorona anao hatrany am-bohòka

sy manampy anao no indro milaza aminao hoe:

Aza matahotra, ry firenen’i Jakôba mpanompoko

ilay Jesoròna izay nofidiko.

3Fa hanosaka rano amin’izay mangetaheta Aho

sy hampandriaka renirano amin’ny tany mangentana.

Hatosako amin’ny zanakao ny Fanahiko

ary amin’ny taranakao ny fitahiako.

4Handrobona toy ny solofom-bolotara

na toy ny hazomalahelo eny amoron-drano izy.

5Ny anankiray hanao hoe: ‹An’ny TOMPO aho›;

ny iray hafa te hitondra ny anaran’i Jakôba.

Ny anankiray kosa dia eo amin’ny sandriny

no hanoratany hoe: ‹Fananan’ny TOMPO›

sady ny anaran’i Israely no hireharehany.»

Fihantsiana ny andriamani-tsiizy

6Izao no lazain’ny TOMPO

dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao

sady Mpanjakan’i Israely sy Mpanavotra azy:

«Izaho no voalohany ary Izaho no farany,

ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.

7Raha misy mihambo ho mitovy amiko,

aoka izy hiteny sy handahatra momba izany!

Hohazavainy amiko hoe iza, hatry ny fahagola,

no nampandre ny zavatra tsy maintsy tonga;

ary hambarany amintsika koa ny zavatra ho avy.

8Aza mangovitra na matahotra ianareo, ry vahoakako.

Tsy Izaho ve no nampandre anareo

ka nanambara izany taminareo hatry ny ela?

Ianareo tokoa no vavolombeloko

fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.

Eny, tsy misy vatolampy hafa,

tsy misy fantatro na iray aza.»

Ny mpanamboatra sampy

9Zava-poana avokoa ny mpanao sarivongan-tsampy

ary tsy mahasoa akory ny zavatra lalainy:

Ny sarivongan-tsampy no vavolombelona ho azy,

kanefa vavolombelona tsy mahita akory,

ary tsy mahalala na inona na inona

ka handiso fanantenana azy.

10Iza no hanamboatra andriamani-tsiizy,

handrendrika sarivongana tsy mahasoa akory?

11Indreo ho menatra izay rehetra mpomba azy

fa olombelona ihany no namboatra ireny!

Avelao hivory sy hiseho izy rehetra,

fa hatahotra sy ho safo-kenatra avokoa.

12Ny mpanefy manapaka takela-by,

dia mandefa azy ao anaty afo

sy mamolavola azy amin’ny tantanana

ka miasa amin’ny sandriny mahery;

avy eo dia noana sy ketraka izy,

tsy misotro rano ka reraka.

13Ny mpandrafitra kosa mandrefy hazo amin’ny tady

sy manamarika azy amin’ny tsaoka,

manamboatra azy amin’ny vankona,

manamarika azy amin’ny kômpà

ary manome azy endrik’olona,

dia endrik’olona tsara tarehy

izay hapetraka ao amin’ny tempoly anankiray.

14Avahana ny hazo sedera hokapaina,

fidîna ny hazo terebinta na ôaka,

dia avela ho lehibe any an’ala.

Na ny hazo kesika volena koa,

dia ny ranonorana no mampaniry azy.

15Ireny no ampiasain’ny olona ho kitay

ka angalany hamindroana na handrahoan-tsakafo.

Ireny ihany koa no anaovany

andriamanitra hiankohofany

sy sarivongan-tsampy hivavahany.

16Araka izany ny antsasaky ny vatan-kazo

dia dorana amin’ny afo ka itonoany hena;

manatsatsika hena ny olona ka voky,

na mamindro koa izy ka manao hoe:

«Andray! Mafana aho izany! Nahita afo aho!»

17Ny antsasaky ny vatan-kazo kosa

anamboarany andriamanitra ho sampiny.

Dia izany no iondrehany sy iankohofany

sady ivavahany ataony hoe:

«Vonjeo aho fa ianao no andriamanitro.»

18Tsy mahalala na inona na inona

sady tsy misaina ireny olona ireny,

voatampina ny masony ka tsy mahita

sady donto rahateo koa ny fony.

19Tsy misy mieritreritra ao am-pony

na mba mahalala handini-tena hoe:

«Ny antsasak’ity vatan-kazo ity

dia nodorako tamin’ny afo;

ka ny vainafony no nanendasako mofo

sy nanatsatsihako hena hohaniko.

Ny antsasaky ny vatan-kazo kosa

dia hanaovako sampy mamoafady,

ka tapa-kazo no indro hiankohofako.»

20Mifikitra amin-javatra lasan-ko lavenona ireny;

ny fony voafitaka no nampivily azy.

Tsy mahafaka azy ny andriamaniny,

kanefa ny tenany koa tsy mahateny hoe:

«Hay moa ka andriamani-tsiizy

ity eto an-tanako ankavanana ity!»

Aza hadino fa mpanompoko ianao

21Ry firenen’i Jakôba, ry vahoaka Israely,

aoka hotsarovanao izao: «Mpanompoko ianao!

Izaho no namolavola anao hanompo Ahy.

Tsy hohadinoiko ianao, ry vahoaka Israely!

22Nofafako toy ny rahona ny fahadisoanao

ary nolevoniko toy ny zavona ny fahotanao.

Koa miverena amiko ianao fa efa navotako.»

23Miasa ny TOMPO ka mihobia, ry lanitra,

ary miravoravoa, ry fanambanin’ny tany.

Ataovy manako ny hoby, ry tendrombohitra

mbamin’ny ala sy ny hazo rehetra ao,

fa ny TOMPO efa nanavotra ny firenen’i Jakôba

ary efa naneho voninahitra tamin’ny vahoaka Israely.

Ilay Mpamorona izao tontolo izao no mifehy ny tantara

24Ry vahoaka Israely, ny TOMPO Izay nanavotra anao,

Ilay namorona anao hatrany am-bohòka,

dia indro milaza aminao hoe:

«Izaho TOMPO no manao ny zavatra rehetra,

Izaho irery ihany no nanenjana ny lanitra

sy namelatra ny tany fa tsy nisy nanampy.

25Koa hataoko tsy misy vokany

ny famantarana vitan’ny mpimasy

ary hataoko mirediredy ny mpisikidy;

hataoko mianòtra ny olon-kendry

ka hody fahadalana ny fahalalàny.

26Fa homeko lanjany ny tenin’ireo mpanompoko

ary hataoko tanteraka ny fikasan’ireo irako.

Ka hoy Aho amin’i Jerosalema:

‹Aoka honenana indray ianao.›

ary amin’ny tanànan’i Joda hoe:

‹Aoka haorina indray ianareo.›

Eny, hatsangako izay efa rava.

27Hoy Aho amin’ny ranomasina lalimbe:

‹Aoka ho maina ianao,

fa horitiko ny ranobenao.›

28Hoy Aho ny amin’i Kirôsa:

‹Izy no mpiandry ondriko.

Hotanterahiny izay sitrako rehetra,

ka dia hanome baiko izy

mba haorina indray i Jerosalema

ary hamboarina indray ny tempoly.› »

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help