Hôsea 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’i Hôsea zanakalahin’i Beerỳ tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià mpanjakan’i Joda, sy tamin’ny andron’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Israely

.

Ny vady aman-janak’i Hôsea

2Fony nanomboka niteny tamin’ny alalan’i Hôsea ny TOMPO, dia nanao taminy hoe:

«Mandehana maka vady mpivarotena tokoa

sy zanaka avy amin’ny fivarotan-tenany;

fa ny mivarotena miala amin’ny TOMPO

no ataon’ny mponina eto amin’ny tany.»

3Dia nandeha naka an’i Gômera zanakavavin’i Diblaîma i Hôsea; ary nitoe-jaza taminy ravehivavy ka niteraka zazalahy.

4Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea:

«Ataovy hoe Jizrehèla ny anarany,

satria tsy ho ela ny hanafaizako

ny taranak’i Jehò

noho ny ra latsaka tao Jizrehèla;

ary hofaranako

ny fanjakan’ny taranak’i Israely.

5Amin’izany andro izany dia homontsaniko

eo amin’ny lemak’i Jizrehèla

ny herin’i Israely ara-tafika.

6Nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazavavy; ary hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea:

«Ataovy hoe Lô-Rohamà ny anarany,

satria tsy haneho fitiavana intsony

amin’ny taranak’i Israely Aho;

eny, hotsoahiko aminy tanteraka ny fitiavako.

7Fa hotiaviko kosa ny taranak’i Joda ka hovonjeko. Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipîka na amin’ny sabatra na amin’ny ady, na koa amin’ny soavaly na amin’ny mpitaingin-tsoavaly, fa amin’ny anarako.»

8Rehefa nisara-nono i Lô-Rohamà, dia nitoe-jaza indray i Gômera ka niteraka zazalahy.

9Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea:

«Ataovy hoe Lô-Hamỳ ny anarany,

satria tsy vahoakako ianareo,

ary tsinontsinona Aho aminareo.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help