Bena-Siràka 49 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I Jôsià mpanjaka(Jereo 2 Mp 22.1–23.1-30; Jer 22.15)

1I Jôsià dia tsarovana tahaka ny zavatra mamerovero

nataon’ny mpamboatra zava-manitra nampifangaroina.

Amin’ny olona rehetra, ny manonona anarana azy

dia mamy tahaka ny tantely na koa mandrotsirotsy

tahaka ny mozika amin’ny fanasana laroan-divay.

2Nanaraka ny fitondrantena mahitsy i Jôsià

ka nampiala ny vahoaka tamin’ny toe-dratsy

sy nanafoana ny fanompoan-tsampy maharikoriko.

3Nanitsy ny fony hitodika amin’ny Tompo ity mpanjaka

ary nanamafy ny fitiavam-bavaka marina

tamin’ny andro fandikana ny lalànan’Andriamanitra.

Ireo mpanjaka farany tao Joda sy i Jeremià mpaminany

4Afa-tsy i Davida sy i Hezekià ary i Jôsià,

dia nampiavosa hadisoana ny mpanjakan’i Joda

ary nahafoy ny lalànan’ilay Avo Indrindra ka very tantara.

5Koa navelan’Andriamanitra ho an’ny hafa ny fahefàn’ireo

ary natolony ho an’ny firenena vahiny ny voninahiny.

6Nodoran’ireo fahavalo ilay tanàna voafidy

izay nisy ny toeramasin’Andriamanitra

ary nataony lao ny arabeny

7noho ny amin’i Jeremià nampahorîn’ny Israelita.

Kanefa hatrany an-kibon-dreniny izy io

no voatokan’Andriamanitra ho mpaminany

mba hanongotra sy handrava ary handringana

sady mba hanorina sy hamboly indray koa.

I Ezekiela mpaminany

8I Ezekiela no ilay nibanjina ny fahitana be voninahitra

izay nisehoan’ny Tompo tambonin’ny kalesin’ireo kerobîma

.

9Dia nofongariny koa ny fahatsiarovana an’i Jôba

izay nanaraka ny lalam-pahamarinana.

Ireo mpaminany 12 lahy

10Ny amin’ireo mpaminany 12 lahy kosa,

na efa ao am-pasana aza ny taolambalony,

dia hampijoro olona handimby azy anie ny Tompo!

Nampahery ny taranak’i Jakôba izy ireo

ary nanavotra azy tamin’ny toetra mahatoky

vokatry ny fanantenana nananany.

I Zerobabela sy i Jesoa

11Atao ahoana no fankalaza an’i Zerobabela

izay tahaka ny peratra tombokase

teo an-tanan-kavanan’ny Tompo?

12Toy izany koa i Jesoa zanakalahin’i Jôtsadaky.

Fa izy roa lahy ireo tamin’ny androny

no nanorina ny tranon’Andriamanitra indray

ka nanangana Toeramasina ho an’ny Tompo,

dia Toeramasina izay voatendry

mba hanam-boninahitra mandrakizay.

I Nehemià(Jereo Neh 1–7)

13Ny amin’i Nehemià koa dia lehibe ny fahatsiarovana azy,

satria izy no nanangana indray ny manda efa nianjera

sy namboatra indray ny vavahady mbamin’ny hidiny

ary nanorina indray ny trano fonenantsika.

Ny olo-malaza fahagolan-tany

14Tsy misy olona tahaka an’i Henôka

tamin’ireo noarîn’Andriamanitra teto an-tany,

fa izy koa dia nofaohina

hiala tamin’ity tany ity.

15Tsy nisy koa lehilahy tahaka an’i Jôsefa

izay mpitarika ny rahalahiny sy tohanain’ny vahoakany,

hany ka tamim-panajana tokoa

no nitahirizana ny taolambalony.

16I Sema sy i Seta dia be voninahitra teo amin’ny olona

fa i Adama no ambonin’ny zava-mananaina rehetra

tamin’ny zava-boaarin’Andriamanitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help