Nehemià 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Tantara nalahatr’i Nehemià zanakalahin’i Hakalià.

Mahazo vaovao momba an’i Jerosalema i Nehemià

Tamin’ny taona faha-roapolo nanjakàn’i Artakserksesa, volana Kisleo, raha tany an-dapa tao Sosany aho,

2dia tonga avy any Joda i Hanany, anankiray amin’ireo rahalahiko, miaraka amina lehilahy vitsivitsy. Nanontaniako azy ny amin’ny Jiosy efa afaka, izany hoe tafaverina avy any an-tsesitany, ary ny amin’i Jerosalema.

3Ka izao no navaliny ahy:

–Ireo Jiosy tafaverina avy any an-tsesitany, ao amin’ny faritr’i Joda, dia mitondra latsa sy fahoriana be; ny mandan’i Jerosalema kosa voarodana, ary ny vavahadiny dia kilan’ny afo.

Ny vavaka ataon’i Nehemià ho an’ireo Jiosy

4Rehefa nandre izany vaovao izany aho, dia nipetraka nitomany sy niferinaina andro maromaro sady nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra

5ka nanao hoe:

–Indrisy, ry TOMPO Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra! Mitandro ny fanekempihavanana sy famindrampo Ianao amin’izay mitia Anao sy mitandrina ny didinao;

6koa enga anie Ianao hihaino sy hijery ahy! Ekeo ny vavaka izay ataoko aminao ankehitriny fa mpanomponao aho. Andro aman’alina aho no mivavaka aminao ho anay Israelita mpanomponao; avelao heloka izahay fa miaiky ny fahotana nataonay taminao aho. Eny, izaho sy ny razako samy efa nanota avokoa;

7efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay, ka tsy nitandrina ny didy sy lalàna amam-pitsipika nampitainao tamin’i Mosesy mpanomponao.

8Tsarovy ilay teny nasainao nolazain’i Mosesy mpanomponao hoe: «Raha manao izay mahadiso ianareo, dia haeliko any amin’ny firenen-kafa;

9nefa raha miverina amiko ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, na dia hisy voasesy any am-paran’ny tany aza ianareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho ao amin’ilay toerana voafidiko hiatrehanareo Ahy.»

10Tompo ô, mpanomponao sy vahoakanao izahay sady efa navotanao tamin’ny herinao lehibe sy ny fahefànao tsy hay tohaina.

11Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon’ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason’ny amperôra!

Mpandroso divay ho an’ny amperôra aho tamin’izay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help