Bena-Siràka 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle
SASINTENIN’NY MPANAO DIKANTENY GRIKA(1) Zava-dehibe maro no nampitain’ny Lalàna sy ny Mpaminany (2) ary ny mpanoratra hafa nanaraka azy tamintsika. (3) Tsy maintsy iderana ny vahoaka Israely ny fahalalana amam-pahendrena raketin’ireo boky ireo. (4) Kanefa tsy tokony hionona hamaky azy fotsiny ny olona mba ho tonga manam-pahalalana. (5) Ireo tia fahalalana dia tokony ho afa-manasoa ny any ivelany koa, (6) na amin’ny teny na amin’ny lahatsoratra.(7) Noho izany, i Jesoa raibeko dia niezaka mafy namaky (8) ny Lalàna (9) sy ny Mpaminany (10) ary ny boky hafa avy amin’ny razantsika; (11) ary nahazo fahaizana fatratra ny amin’izany izy. (12) Avy eo dia voatarika izy hanoratra kely momba ny fahalalana amam-pahendrena; (13) hany ka ireo tia fahalalana, rehefa mihazatra amin’ireo lohahevitra ireo, (14) dia handroso bebe kokoa amin’ny toe-piainana mifanaraka amin’ny Lalàn’ny Tompo.(15-17) Ampirisihina àry ianareo hamaky io boky io amin-kamoram-po sy amim-pitandremana; (18) ka hanana fandeferana ianareo (19) raha heverinareo (20) fa misy teny sasany toa tsy voadikanay tsara, na dia efa niezaka mafy aza izahay. (21-22) Ny zavatra voalaza amin’ny teny hebreo ao amin’io boky io manko dia tsy mitovy lanja intsony rehefa adika ho fiteny hafa. (23) Tsy ity boky ity ihany (24) fa ny Lalàna sy ny Mpaminany (25) ary ny boky hafa koa (26) mirakitra zavatra tsy mitovy loatra eo amin’ny rijan-teny niaingana sy ny dikany.(27) Tamin’ny faha-38 taona nanjakan’i Everjeta aho (28) no tonga tany Ejipta; ka fony aho nitoetra tany (29) no nahitako boky anankiray mirakitra izany fampianarana mafonja izany. (30) Dia noheveriko fa ilaina tokoa ny hilofosako sy hisasarako kely amin’ny fandikana io boky io. (31) Koa nahavatra niari-tory imbetsaka aho ary nanokana ny fahaizako (32) nandritra izany fotoana izany (33) mba hahatomombana ny asa (34) sy hamoaka azy ho an’ireo mipetraka any an-tany hafa ka maniry ho tia fahalalana (35) sady hampifanaraka ny toe-piainany amin’ny Lalàn’ny Tompo.