1Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ho an’i Tsedekià mpanjaka. Fa nirahin’ny mpanjaka hankany amin’i Jeremià i Pasehora zanakalahin’i Malkià ary koa i Tsefanià mpisorona sady zanakalahin’i Mahaseià mba hangataka aminy hoe:
2–Raha sitrakao, anontanio ny TOMPO re ny momba antsika, satria miady amintsika i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Angamba mety hanao zava-mahagaga indray ny TOMPO, ka hanainga ny Babilônianina handao antsika.
3Dia hoy i Jeremià tamin’ireo iraka:
–Ndeha lazao amin’i Tsedekià
4izao fanambaràn’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izao: «Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodîko ho ao afovoan-tanàna.
5Izaho mihitsy no hiady aminareo, ka hampiseho aminareo ny heriko sy ny fahaizako ao anatin’ny fahatezerako mirehitra mahatsiravina.
6Hamely izay rehetra monina amin’ity tanàna ity Aho, na olona na biby, ka ho fatin’ny areti-mandringana izy rehetra.
7Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.»
8Nisy hafatra hafa koa nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ho an’ny vahoaka hoe: «Izao no lazain’ny Tompo: indro ianareo apetrako eo an-tsampanan-dalana, ka eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana.
9Na iza na iza mijanona amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanàna kosa mba hitolo-batana amin’ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.
10Fa tsy ny hitondra soa amin’ity tanàna ity no kendreko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, fa ny hitondra loza aminy; hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy hodorany amin’ny afo.»
Hafatra ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka11Fanambaràna ho an’ny fianakavian’ny mpanjakan’i Joda.
Mihainoa ny tenin’ny TOMPO,
12ianareo taranak’i Davida.
Izao no lazain’ny TOMPO:
Fanaovana fitsarana ara-drariny
no tontosay isa-maraina.
Afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra
ireo olona volosany
fandrao hitroatra ny fahatezerako
ka ho afo mandoro tsy hay vonoina.
Vokatry ny asa ratsy nataonareo izany.
13Indro avy hamely anareo Aho
ry mponina erỳ ambanimbany,
eo amin’ny vatolampy milembalemba,
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO;
hamely anareo Aho,
dia ianareo izay mihambo
fa tsy misy fahavalo
afa-midina hatreny aminareo
na hiditra amin’ny fisitrihanareo.
14Izaho no hirotsaka hamely anareo,
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO,
araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo.
Dia hodorako amin’ny afo
ny andry sedera marobe eo aminareo;
ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo
dia ho levon’izany afo izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.