Salamo 32 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Sambatra ny voavela heloka

1 Tononkalo fananarana nataon’i Davida.

Sambatra ny olona afa-keloka

sy voavelan’Andriamanitra ny otany.

2Sambatra izay tsy heverin’ny TOMPO ho diso

sady tsy misy fitaka ny fanahiny.

3Fony aho tsy mbola niaiky fahotana,

dia nihalany hery ny tenako

satria nitaraina tontolo andro aho.

4Andro aman’alina, Tompo ô,

no nanasazianao ahy hatrany;

ka nanjary reraka mafy aho,

toa nasian’ny hainandro migaina.

Fiatoana

5Koa dia naborako taminao ny otako

ary tsy nafeniko Anao ny hadisoako.

Hoy aho hoe: «Meloka aho, TOMPO ô,

ka tsy maintsy hiaiky izany aminao.»

Tamin’izay dia nafahanao ny otako.

Fiatoana

6Ny mpivavaka marina rehetra

dia tokony hitalaho aminao toy izany

amin’ny fotoana ilàny vonjy aminao;

ka na toa ranobe hitelina aza ny loza,

dia tsy hahatratra azy akory izany.

7Ianao no fierena miaro ahy

mba tsy ho azon’ny fahoriana;

ny ahodidinao ahy dia horakora-pihobiana

ataon’ireo mifaly fa nafahanao aho.

Fiatoana

8Hoy ny Tompo hoe: «Hampianariko ianao

sady hotondroiko ny lalan-kalehanao,

hotoroako hevitra sy harahiko maso:

9aoka ianao tsy ho ketrina toa soavaly na ampondra

izay vy sy lamboridy no ihazonan’olona azy;

dia tsy hisy zava-doza hihatra aminao.»

10Fijaliana maro ny an’ny ratsy fanahy;

fa izay mitoky amin’ny TOMPO kosa

dia harovan’ny fitiavany hatrany.

11Noho ny amin’izay nataon’ny TOMPO,

dia mifalia sy miravoa, ry olo-marina;

manaova horakora-pihobiana,

ianareo rehetra mahitsy fo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help