Salamo 71 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Aza ariana aho, nony antitra

1TOMPO ô, Ianao no fialofako

ka tsy ho diso fanantenana

na oviana na oviana aho!

2Noho ny fahamarinanao

dia afaho sy ambeno aho,

anongilano sofina ka vonjeo.

3Aoka Ianao ho vatolampy miaro ahy

sy ho manda ahitako famonjena!

Ianao tokoa no harambato

sady toera-mafy ho ahy.

4Andriamanitro ô, ambeno re aho

mba tsy ho azon’ireo olon-dratsy

na ho voatanan’ny olo-meloka

mbamin’ny mpanao an-keriny.

5Fa Ianao no fanantenàko,

ry Tompo ANDRIANANAHARY ô;

Ianao no itokiako

hatry ny fahakeliko.

6Vao teraka aho, dia niantehitra taminao;

mbola tany am-bohòka aho, efa mpiaro ahy Ianao.

Ianao lalandava no fidèrako.

7Toa zava-mahagaga ho an’ny maro aho,

kanefa Ianao no fialofa-mafy ho ahy.

8Ho feno fiderana Anao anie ny vavako

ary ho feno fankalazana Anao isan’andro.

9Aza arianao aho, nony antitra;

aza afoy, rehefa lany hery.

10Fa miresaka ahy ny fahavaloko,

miara-mioko mikendry ny hahafaty ahy.

11Hoy ireo hoe: «Nafoin’Andriamanitra io

ka enjeho; sambory fa tsy misy mpanafaka.»

12Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy;

Andriamanitra ô, faingàna re hamonjy.

13Ho menatra sy ho afa-baràka anie

ireo olona mpiampanga ahy;

ho voatevateva sy ho very haja anie

ireo olona mitady hanisy ratsy ahy!

14Izaho kosa hanantena Anao lalandava,

ary hampitombo ny fiderana Anao;

15isan’andro no hitanisan’ny vavako

ny fahamarinanao sy ny famonjenao,

na tsy voaisako avokoa aza ireny.

16Tompo ANDRIANANAHARY ô, hiditra ao an-tranonao aho,

satria Ianao nirotsaka an-tsehatra nomba ahy;

ary dia ny fahamarinanao irery no hotsahiviko.

17Hatry ny fony aho mbola tanora

no efa nampianarinao, Andriamanitra ô;

ary mandraka izao dia tsy mitsahatra

manambara ireo asanao mahagaga.

18Antitra sy fotsy volo aho ankehitriny,

nefa aza afoy, Andriamanitra ô;

enga anie aho ho afaka hanambara

ny asanao mahery vaika sy mahomby

amin’ireo tanora sy ny taranaka manaraka!

19Ambony dia ambony tokoa

ny fahamarinanao, Andriamanitra ô;

ary nahavita zava-baventy Ianao!

Tsy misy toa Anao, Andriamanitra ô.

20Fahoriana be sady mafy

no navelanao hihatra tamiko;

kanefa hovelombelominao indray aho,

ary hampiakarinao indray ho afaka

amin’ny fasana mampihitsoka.

21Dia mbola hampionona indray Ianao

ary hamerina amiko ny voninahitro.

22Izaho kosa hidera Anao amim-baliha

noho ny toetranao mahatoky, ry Andriamanitro ô,

sy hiredona salamo arahin-dokanga

ho Anao, ry ilay Masin’i Israely.

23Eny, hihorakoraka hihoby ho Anao aho

sady hankalaza Anao amin-java-maneno,

satria efa notsimbininao ny aiko.

24Isan’andro no hitanisako ny fahamarinanao,

satria efa menatra sy mangaihay

ireo olona nitady hanisy ratsy ahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help