Salamo 27 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Mandry fahalemana aho ao an-tranon’ny Tompo

1 Nataon’i Davida.

Ny TOMPO no mpanazava sy mpamonjy ahy,

ka iza no hatahorako?

Ny TOMPO no toy ny manda miaro ny aiko,

ka iza no hangovitako?

2Raha manatona kosa ny olon-dratsy

toy ny biby masiaka hamely ahy,

dia ireo fahavalo mandrafy ahy ireo

no ho lavo hitsikasina amin’ny tany.

3Raha tafika no tonga hanao fahirano,

dia tsy hanan-tahotra akory aho;

ary na misy ady mihatra amiko aza,

dia handry fahalemana ihany aho.

4Zavatra tokana no angatahiko

sady irîko fatratra homen’ny TOMPO:

dia ny hitoetra ao an-tranony

mandritra ny androm-piainako rehetra,

mba hianoka amin’ny hatsarampony

sy hiandry ny torolalany ao an-tempoliny.

5Koa raha tonga ny andro mahory,

dia hafeniny ao an’efitra fialofany aho

sy hampiereny tokoa ao an-dainy;

eny, hasandrany ambony vatolampy aho.

6Amin’izay aho dia ho voasandrany tokoa

ho ambonin’ireo fahavalo manodidina ahy;

ka hanolotra sorom-pihobiana ao an-dainy

sady hihira salamo hankalazana ny TOMPO.

7TOMPO ô, mba henoy ny feoko

raha miantso vonjy aminao,

ary iantrao aho ka valio.

8«Ndeha ianao, hoy ny foko amiko,

ndeha ianao mitady ny TOMPO.»

Izany indrindra no itodihako aminao.

9Koa aza mihodina amiko Ianao,

aza mandroaka ahy an-katezerana,

fa Ianao no efa namonjy ahy.

Aza arianao aho ary aza ilaozanao,

fa Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.

10Raha nandao ahy ny ray aman-dreniko,

Ianao kosa, TOMPO ô, no nandray ahy.

11TOMPO ô, asehoy ahy ny lalana soritanao;

noho ny amin’ireo fahavaloko,

dia tariho amin’ny lala-mahitsy aho.

12Aza avela hanaram-po amiko ireo mpandrafy ahy,

fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kamely

sy mifofofofo erỳ mba hiampanga ahy.

13Inona ny amiko raha tsy natoky aho

fa hahita ny hatsarampon’ny TOMPO

eto amin’ity tany iainantsika ity?

14Mahandrasa ny TOMPO ianao!

Matanjaha ary mahereza fo;

eny, mahandrasa ny TOMPO!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help