1Hafatra momba an’i Damasy.
Hitsahatra tsy ho tanàna intsony i Damasy,
fa ho tonga korontam-bato sisa.
2Ho lao mandrakizay mandrakizay
ireo tanàna manodidina azy,
ka ho tonga fitobian’ny ondry aman’osy
ary handry am-pilaminana ao ireny,
fa tsy hisy mpanelingelina azy.
3Tsy hisy manda fiarovana intsony any Efraîma;
tsy hisy fanjakana intsony koa any Damasy,
ary izay sisa tavela amin’ny Sirianina
dia tsy hisy lanjany noho ny Israelita.
Izany no teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao.
4Amin’izany andro izany dia hihena
ny lanjan’ny taranak’i Jakôba
ary ny hatavezany hanjary fahiazana.
5Ho tahaka ny amoriana ny vary amin’ny fararano
sy anangonana ny salohim-bary eo an-trotroana izany;
eny, ho tahaka ny anangonana salohim-bary
ao amin’ny lohasahan’ny Refaita izany,
6ka tsy hisy amin’ny taranak’i Jakôba
afa-tsy sombintsombiny sisa hotsimponina.
Ary ho tahaka ny fanintsanana voan’ôliva izany,
ka voany roa na telo no sisa eny an-tendrony,
efatra na dimy eny amin’ny rantsany mahavokatra.
Izany no teny hentitry ny TOMPO,
Andriamanitr’i Israely.
7Amin’izany andro izany, dia hitodika amin’Ilay Mpahary azy ny olona ary hanandratra ny masony ho amin’ilay Masin’i Israely.
8Tsy hitodika any amin’ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon’ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.
9Amin’izany andro izany, dia hilaozana ireo tanàna mimandan’i Israely, tahaka ny nandaozana ny tanànan’ny Hivita sy ny Amôrita fahiny tamin’ny nahatongavan’ny Israelita; ka taniefitra mampalahelo no ho hany tavela.
10Nohadinoinao, ry Israely,
ilay Andriamanitra mpamonjy anao
ary tsy notsarovanao ilay vatolampy fiarovanao;
ka namboly zavatra faingam-paniry ho an’ny sampy ianao
sy namafy masomboly ho an’ny andriamani-tsiizy.
11Tamin’ny andro nambolenao azy
dia hitanao nitombo ny voly;
ary vao maraina iny ihany,
dia hitanao nitsimoka ny voa.
Kanjo tonga ny andron’ny loza
ka nanjavona ny vokatra
ary tsy ahitam-panafana intsony ny aretina.
Ny firodorodon’ireo fahavalo12Andray izany firodorodon’ny vahoaka marobe
toy ny fikotrokotroky ny ranomasina misafoaka!
Andray izato fitrenan’ireo firenena,
tahaka ny fidoboky ny onja mahery!
13Ny fitrenan’ireo firenena
dia toy ny fitrenan’ny ranomasimbe.
Nefa rahonan’ny Tompo izy ireny
ka lasa mandositra lavitra,
toy ny akofa paohin’ny rivotra eny an-tendrombohitra
sy tahaka ny vonin-javatra atambolimbolin’ny tadio.
14Vao takariva dia injao ny horohoro,
tsy maraina akory dia efa foana izany.
Toy izany no hanjo izay nandroba antsika
sy ho anjaran’izay namabo antsika.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.