Salamo 18 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Misaotra an’Andriamanitra ny mpanjaka iray fa nandresy(Jereo 2 Sam 22.1-51)

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hira nataon’i Davida mpanompon’ny TOMPO. Notononiny hanomezam-boninahitra ny TOMPO ireto teny ireto fony izy nafahany tamin’ny fahavalony rehetra, indrindra tamin’i Saoly.

2TOMPO ô, tiako Ianao

fa Ianao no heriko!

3Ny TOMPO no harambato

fierena azo antoka ho ahy.

Izy no Andriamanitro

sy vatolampy ialofako,

ampinga fiarovana

sy mpamonjy mahery ho ahy.

4Hoderaina anie ny TOMPO! Fa niantso Azy aho,

dia voavonjy ho afaka amin’ny fahavaloko.

5Toy ny fatotra mangeja ahy ny fahafatesana

sady nampitahotra ahy toa riaka mandrava;

6toy ny fatotra ahodidina ahy ny fonenan’ny maty,

toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.

7Tao an-katerena aho no velon-taraina

sy niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamanitro,

ka tany an-Tempoliny Izy no nandre ny feoko

ary koa nihaino izany antsoantsoko.

8Tamin’izay dia nihovitrovitra mafy ny tany;

nikorosy ny fanambanin’ny tendrombohitra,

ka nihozongozona ireny fa tezitra ny Tompo.

9Nisy setroka nidonaka avy teo an’orony

ary afo mandevona avy teo am-bavany,

ka narahina tselatra mandoro izany.

10Dia nampiondrika ny lanitra ny Tompo ka nidina;

rahona matevina no teo ambany tongony,

11ka toy ny kerobima nitaingenany izany;

dia nanidina sy nisosa Izy

nahevahevan’ireo elatry ny rivotra.

12Tao anaty raho-mainty Izy no niafina

ka voahodidina rahona matevina

izay ngalingaly toa rano lalina.

13Manoloana Azy nisy hazavam-be

ary koa rahona nandalo nifanesy

niteraka havandra sy afo mitselatra.

14Tany an-danitra ny TOMPO Avo Indrindra

no nampitalakotroka ny varatra

sy nampanakoako izany feony;

15nalefany ny tselatra ka nipariaka

toy ny zana-tsipîka nifanaretsaka.

16Noho ny fandrahonan’ny TOMPO

sy fifofofofon’ny fahatezerany,

dia niseho ny fanambanin’ny ranomasimbe,

niharihary ny fanorenan’izao tontolo izao.

17Avy eny an-danitra ambony Izy

no naninji-tanana handray ahy

sy nisintona ahy hiala tamin-dranobe;

18ka afaka aho tamin’ny fahavaloko matanjaka,

dia tamin’ireo mpandrafy mahery noho izaho.

19Tamin’ny androm-pahoriako no nanafika ahy ireo

nefa tonga ny TOMPO ka nanohana ahy;

20navoakany ho eo an-kalalahana aho

ary nafahany satria tena tiany.

21Soa no ataon’ny TOMPO amiko satria marina aho;

izany no avaliny ahy satria madio ny toetrako,

22fa voatandriko ny làlan’ny TOMPO

ary tsy ivadihako ilay Andriamanitro;

23ankatoaviko avokoa ny fitsipiny

ary tsy mba ialako ireo didiny.

24Koa tsy manan-tsiny aminy aho

fa nitandrin-tena tsy ho diso.

25Eny, soa tokoa no navalin’ny TOMPO ahy

satria marina aho sy hitany madio toetra.

26Tompo ô, mahatoky Ianao

amin’izay matoky Anao;

tsy manan-tsiny koa Ianao

amin’izay tsy manan-tsiny;

27Madio Ianao amin’izay madio,

miolakolaka kosa amin’izay mpiolikolika.

28Ianao mihitsy no mamonjy ny vahoaka ory,

fa mampitanondrika an’ireo mpiavonavona.

29TOMPO Andriamanitro ô,

jiro mirehitra ho ahy Ianao

ka manazava izany haiziko.

30Noho Ianao Andriamanitro,

na hady aza itsambikinako,

na manda aza ihoarako.

31Mpitarika tonga lafatra Andriamanitra;

azo antoka ny torohevitra omen’ny TOMPO.

Toy ny ampinga fiarovana Izy

ho an’izay rehetra mialoka aminy.

32Fa iza moa no Andriamanitra

afa-tsy ny TOMPO ihany?

Ary iza no vatolampy ho anay

afa-tsy ilay Andriamanitray?

33Izy no manome hery ahy

sy mampahomby izay ataoko;

34ataony kinga toy ny gazela aho

ary ajorony amin’ny toerana avo;

35Izy no manofana ahy ho havanana amin’ny ady

ka ahaizako manenjana tsipîka varahina.

36Ny tananao ankavanana

no manohana ahy, Tompo ô;

toy ny ampingako Ianao

ka miaro sy mamonjy ahy;

mamaly ny antsoko Ianao

ary koa manandratra ahy.

37Ataonao faingam-pandeha kokoa aho,

nefa ny hato-tongotro tsy hangozohozo.

38Manenji-pahavalo aho ka mahatratra azy,

ary tsy miverina raha tsy efa ringako izy.

39Montsaniko ireo ka tsy tafarina

ary dia mitsitra ambany tongotro.

40Omenao hery hoenti-miady tokoa aho,

ka adabokao ho ambaniko ny mpamely ahy.

41Ataonao mandositra ahy ny fahavaloko

ary aringako ireo mpankahala ahy.

42Miantsoantso izy fa tsy misy mamonjy;

ny TOMPO no antsoiny fa tsy mamaly azy.

43Kosehiko toa vovoka entin-drivotra ireny;

hoseko toy ny fotaka eny an-dalam-be.

44Afahanao amin’ny vahoaka mpikomy aho

ary apetrakao ho filohan’ireo firenena;

ka olona tsy fantatro akory

no indreo manjary manompo ahy.

45Teny kely no ataoko, dia ekeny aho;

vahiny no tonga mila sitraka amiko.

46Mikoy izy ireo ka mangovitra

no miala ny manda fiarovany.

47Velona ny TOMPO! Isaorana ny Vatolampiko.

Hasandratra anie Andriamanitra mpamonjiko!

48Izy no manao ny famaliana ho ahy

ary mampanaiky firenena hofeheziko.

49TOMPO ô, afahanao amin’ny fahavaloko aho;

eny, ataonao resiko ireo mpamely ahy

ary tsy mahazo ahy ny mpanao an-keriny.

50Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao

sady hankalazako ny anaranao amin-kira.

51Ny Tompo manome fandresena lehibe

ho an’ilay mpanjaka voafidiny

ary maneho fitia amin’ilay nohosorany,

dia i Davida sy ireo taranany

hatrany amin’ny mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help