Isaià 10 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny anton’ny fahatezeran’ny Tompo

1Lozan’ireo olona mamoaka didy tsy marina

ary maika hampanoratra lalàna mampahory.

2Hanesorana eo amin’ny fitsarana

ny fitarainan’ny madinika izany

ary hamerezan-jo aman-drariny

ny mahantra eo amin’ny vahoakako,

hamaboan-karena ny mpitondratena

ary koa handrobam-pananana ny kamboty.

3Amin’ny andro famalian’ny TOMPO,

raha ho tonga avy any lavitra

ny rambondanitra handrava,

inona no azonareo atao,

aiza no handosiranareo hitadiavam-bonjy

ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?

4Izao ihany no azonareo atao:

hitanondrika miaraka amin’ireo babo

na hidaboka miaraka amin’ireo maty.

Saingy, na teo aza izany rehetra izany,

dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO

fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.

Nihoa-pefy ny Asirianina

5Hoy ny TOMPO hoe: «Lozan’i Asiria,

izay tsorakazo mampihatra ny fahatezerako!

Eny, izy no mitazona eny an-tanany

ny kibay mampihatra ny fahavinirako.

6Nirahiko izy hamely firenena tsy mpivavaka

ary nalefako hamely vahoaka ratsy fanahy

mba handroba sy hanangona babo avy aminy,

ka hanosihosy azy toy ny fotaka eny an-dalambe.

7Kanjo tsy araka izany no heverin’i Asiria;

zavatra hafa no kasain’ny fony,

ny handringana no tao an’eritreriny

ary ny hamongotra firenena maro indrindra.

8Fa hoy izy hoe: ‹Moa tsy mitovy lanja

amin’ny mpanjaka ve ireo jeneraliko?

9Tsy tahaka an’i Karkemisy ve

no niafaran’ny tanànan’i Kalne?

Tsy tahaka an’i Arpada ve

no niafaran’i Hamata?

Tsy tahaka an’i Damasy ve

no niafaran’i Samaria?

10Haiko ny namely ireo fanjakana

izay manompo andriamani-tsiizy,

na dia nihoatra noho ny an’i Jerosalema

sy ny an’i Samaria aza ny sarivongan-tsampiny.

11Koa tsy ho tahaka izay nataoko tamin’i Samaria

sy tamin’ny andriamani-tsiizy notompoiny ve

no hataoko koa amin’i Jerosalema sy ny sampiny?›

12Kanefa rehefa vitan’ny Tompo avokoa ny asany

ao an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema,

dia hofaiziny ny mpanjakan’i Asiria

noho ny fony feno avonavona

sy ny fijeriny miandranandrana.

13Satria hoy izy anakampony hoe:

«Ny herin-tsandriko sy ny fahendreko

no nahavitako ny zavatra rehetra,

fa izaho no marani-tsaina indrindra.

Nofoanako ny faritanin’ny firenena maro

ary norobaiko ny tahirin-karenany.

Ary toy ny lehilahy mahery fo aho

raha nanongana ny mpanjakany.

14Toy ny fakàna ny akanim-borona

ka angoronana ny atody nilaozan-dreniny

no nakako ny haren’ireo firenena

sy nangoronako ny fananan’ny tany tontolo,

ka tsy nisy afa-nikopaka elatra,

na nisoka-bava na nikiakiaka.»

15Ny famaky ve hirehareha amin’ny mpikapa?

Ny tsofa ve hiavonavona amin’ny mpanatsofa?

Mova tsy hoe ny tsorakazo indray

no manetsika izay mpanainga azy,

na mova tsy hoe ny kibay indray

no manandratra ny olona mampiasa azy!

16Noho izany, ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao

dia tsy hampamokatra intsony ny tany lonaka ao Asiria.

Ary toy ny fihanaky ny afo rehefa misy hain-trano

no hiparitahan’ny afo mihanaka

eo ambanin’ny famirapiratan’io firenena io.

17Ny TOMPO, fahazavan’i Israely, dia hanjary afo

ary ilay Masiny dia hanjary lelafo

handoro ny tsilo sy ny songosongo

ka handevona azy anatin’ny indray andro monja.

18Holevoniny tanteraka ny alany mirenty

mbamin’ny sahany mahavokatra;

ho toy ny marary miala aina izany.

19Hazo vitsy sisa no ho tavela amin’ny alany,

ka na ny zaza bodo aza dia afaka hanisa azy.

Ny sisa velona amin’i Israely

20Amin’izany andro izany, ireo sisa velona amin’i Israely na ireo sisa tavela amin’ny taranak’i Jakôba, dia hitsahatra tsy hiankina amin’ireo namely azy intsony; fa ny TOMPO, ilay Masin’i Israely, no hiankinany marina tokoa.

21Hisy sisa hiverina, eny, hisy sisa amin’ny taranak’i Jakôba hiverina amin’Andriamanitra mahfkery.

22Kanefa na dia marobe toy ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely, dia io sisa io ihany no hiverina amin’ny Tompo. Efa voatendry ny fandravana, izay hampihanaka ny fahamarinana.

23Eny, ny fandravana izay voatendrin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no hotanterahiny eo anivon’ny tany tontolo.

Aza matahotra ny Asirianina

24Izany no antony ilazan’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao hoe: «Aza matahotra an’i Asirianina, ry vahoakako monina ao Tsiôna! Kibay sy langilangy no ikapohany anao toy izay nataon’ny Ejiptianina taminao fahiny;

25fa rehefa afaka kelikely, fotoana fohy monja, dia hitsahatra ny fahavinirako aminao ary hisampotina aminy ny fahatezerako.»

26Harangarangan’ny TOMPOn’izao rehetra izao manko ny karavasy hikapohany an’i Asiria tahaka izay nataony tamin’ny famelezana ny Midianita teo amin’ny harambaton’i Hôreba; ary hatsotrany eny ambony ranomasina ny tehiny, toy izay nataony tany Ejipta.

27Amin’izany andro izany,

hoesoriny eo an-tsorokao ny enta-mavesatra,

ary halàny eo am-bozonanao ny zioga

.

Manatona an’i Jerosalema ny fahavalo

Miakatra ao Samaria ny fahavalo,

28tonga ao akaikin’i Haiata,

dia mandalo ao Migrôna

ary mametraka ny entany ao Mikmasy.

29Mamakivaky ny hadilanana izy sady miteny hoe:

«Any Geba isika no hitoby anio alina.»

Mangovitra noho ny tahotra ny ao Ramà;

lasa mitsoaka ny ao Gibehà,

izay tanàna fiavian’i Saoly.

30Miantsoantsoa mafy, ry olona ao Galima!

Mihainoa ianareo ao Laisà,

ary mamalia ianareo ao Hanatôta.

31Mandositra ny ao Madmenà

ary misitrika ny mponina ao Gevima.

32Fa androtr’io ihany ny fahavalo

dia maka toerana ao Nôba,

ka maninji-tanana mandrahona an’i Tsiôna,

dia ilay tendrombohitra mampahonena,

ilay havoana iorenan’i Jerosalema.

33Indro ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao

fa manjera rantsana amin-kerisetra;

voakapa ny hazo mijoalajoala,

voadaboka ny hazo avo dia avo.

34Kapaina amin’ny famaky ny ala mikitroka,

nianjera ny sedera mijoalajoalan’i Libano.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help