Salamo 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ilay mpanjaka voahosotr’Andriamanitra

1Nahoana no mihotakotaka ny firenena?

Ireo vahoaka mikomy amin’ny tsinontsinona;

2ireo mpanjakan’ny tany miomana hiady;

ireo andriana miara-mioko

hanohitra ny TOMPO sy ilay Mesiany.

3«Aoka hotapahintsika, hoy ireo, ny gadra angejàny;

ary hariantsika any izay fanjakazakàny!»

4Ny Tompo Izay mipetraka any an-danitra kosa

dia mihomehy azy sy maneso azy.

5Ka itenenany amin-katezerana ireo

sy ampihorohoroiny amin-kavinirana hoe:

6«Izaho no manendry Azy ho mpanjaka

eo Tsiôna tendrombohitro masina!»

7–Aoka hambarako, hoy ilay mpanjaka,

ny didy navoakan’ny TOMPO;

fa hoy Izy tamiko: «Ianao no zanako;

Rainao niteraka anao Aho manomboka anio.

8Koa angataho amiko ny firenena rehetra,

dia homeko ho fanananao ireny

hatrany amin’ny faravazan-tany,

9ary hofehezinao amin’ny tehim-by

ka ho azonao potehina toa vilany tany.»

10Koa misehoa ho hendry, ianareo mpanjaka;

ary minoa anatra, ry mpitsara ny tany.

11-12Tompoy amin-tahotra ny TOMPO

ary ekeo amin-kovitra ny fahefàny,

fandrao hirehitra tampoka ny hatezerany

ka ho fatin’ny fikasanareo ianareo.

Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help