1Ary nasehon’ny TOMPO tamiko i Josoa mpisorombe izay nitsangana teo anatrehan’ny anjelin’ny TOMPO. Ary nijoro teo ankavanan’i Josoa i Satàna
mba hiampanga azy.2Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Satàna:
–Hanery anao hangina anie ny TOMPO; eny, hanery anao hangina anie ny TOMPO Izay efa nifidy an’i Jerosalema! Fa tsy toy ny forohana nalaina tamin’ny afo va i Josoa?
3Ary nitafy akanjo maloto i Josoa no nitsangana teo anoloan’ilay anjely.
4Dia niteny io anjely io ka nandidy ireo olona teo akaikin’i Josoa hoe:
–Esory aminy ny fitafiana maloto.
Dia hoy kosa ilay anjely tamin’i Josoa:
–Indro efa nesoriko ny fahotanao ka hampiakanjoako fitafiana mihaja ianao.
5Ary nandidy ireo olona indray ilay anjely hanisy hamama madio eo an-dohan’i Josoa. Dia nasiany hamama madio ny lohany sady nampiakanjoiny fitafiana madio teo anatrehan’ilay anjelin’ny TOMPO izy.
6Ary nilaza fanambarana tamin’i Josoa ilay anjelin’ny TOMPO nanao hoe:
7«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:
Raha izoranao ny sori-dàlako,
ka tandremanao ny didiko,
dia ianao no hiandraikitra ny tranoko
sy hitandrina ny kianjan’ny tempoly
ary hisy hataoko mpanoro hevitra anao
amin’ireto olona mijoro etoana ireto.»
Ny fahatongavan’ny Mesia «Solofo»8«Koa mihainoa, ry Josoa mpisorombe
sy ianareo mpisorona namany rehetra
izay mipetraka eo akaikiny,
satria fambara ny famonjena ho avy ianareo.
Indro fa hasehoko ilay mpanompoko,
dia ilay antsoina hoe Itsimoka.
9Eo anatrehan’i Josoa
no ametrahako vato anankiray,
dia vato tokana
misy maso fito mamiratra.
Indro hasiako soratra eo aminy,
ary indray andro monja
no hanesorako ny helok’ity tany ity,
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.
10Amin’izany andro izany ianareo
dia samy ho finaritra hifanasa
ho eo ambany voaloboka aman’aviavinareo,
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.