Isaià 9 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Ny vahoaka mandeha ao anatin’ny haizina

dia hahita hazavana lehibe;

ary ny olona mipetraka ao amin’ny tany

izay tandindomin’ny fahafatesana

dia hiposahan’ny hazavana.

2Nohamaroinao ny fifaliany

ary nampitomboinao ny firavoravoany.

Miravoravo eo anatrehanao izy

tahaka ny iravoravoana amin’ny fararano

sy anaovana antsoantsom-pifaliana

rehefa injay mizara babo ny olona.

3Fa ny ziogam-pamoretana nanindry ny vahoakanao

ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,

ny kibay namelezan’ny mpampiasa azy

dia samy hopotehinao avokoa

toy ny tamin’ny andro nampandosiranao ny Midianita.

4Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo

ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany

ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra

dia samy hodorana avokoa ho levon’ny afo.

5Satria misy zaza teraka ho antsika,

zazalahy no omena antsika;

eny an-tsorony ny mari-piandrianany,

ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe:

Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery,

Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.

6Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy

ary hampisy fiadanana tsy misy fetra.

Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany

ary ny fanjakany no hofeheziny

ka haoriny sy hohamafisiny

amin’ny rariny sy ny hitsiny,

hatramin’izao ka ho mandrakizay.

Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao,

vokatry ny firedaredam-pitiavany.

Toa totohondry voavonkina ny fandrahonan’ny Tompo(Jereo 5.25)

7Namoaka didim-pitsarana ny Tompo

ho fanoherana ny taranak’i Jakôba,

ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.

8Samy mahalala izany avokoa

ny mpiray firenena rehetra,

dia ny fanjakan’i Efraîma manontolo

sy ny mponina ao Samaria.

Fa tamin’avonavona sy fireharehana

no nitenenan’izy ireny hoe:

9«Rindrina biriky no nirodana

fa rindrim-bato kosa no hatsanganay.

Tsivalan-kazo aviavy no nadaboka

fa tsivalan-kazo sedera kosa no hasolonay azy.»

10Kanjo nomen’ny TOMPO tombon-dahiny

ny fahavalon’i Israely, dia i Retsîna izany;

eny, notairiny tokoa ireo fahavalony,

11dia ny Sirianina teo anoloany

ary ny Filistinina tao an-damosiny,

ka nandrapaka an’i Israely indraim-bava.

Saingy, na teo aza izany rehetra izany,

dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO

fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.

12Dia toy izany no nikapohan’Andriamanitra ny vahoakany;

kanefa tsy niverina tamin’Andriamanitra ihany izy,

tsy notadiaviny ny TOMPOn’izao rehetra izao.

13Koa tanatin’ny indray andro monja

no namongoran’ny TOMPO an’i Israely,

na ny any an-tampony na ny any am-potony,

na ny sampandrofia na ny volotara.

14Fa ny loholona sy ny manankaja no tampony,

ary ny mpaminany mampianatra lainga no fotony.

15Ny mpitarika ity firenena ity

dia tsy nanao afa-tsy ny nampivoana azy,

ka izay rehetra notarihiny

dia nandeha tamin’ny lalan-tsiizy avokoa.

16Noho izany, dia tsy hiantran’ny Tompo ireo tanorany

ary tsy hamindrany fo ireo kamboty sy mpitondratenany.

Fa olona tsy mahatoky sady mpanao ratsy izy rehetra

ary ny vavany samy miteny hadalana avokoa.

Saingy, na teo aza izany rehetra izany,

dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny Tompo

fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.

17Eny, midedadeda tokoa ny faharatsiana

toy ny afo mandoro ny tsilo sy ny songosongo

sady mandrehitra ny kirihitr’ala

ka mampisavoana ny setroka mitambolina.

18Tezitra mafy ny TOMPOn’izao rehetra izao,

ka dia mirehitra izany tany izany

ary toy ny levon’ny afo ny vahoakany.

Tsy misy olona miantra ny namany:

19andidiana ny eo an-kavanana

nefa mbola noana ihany ny tena,

ihinanana ny eo an-kavia

nefa mbola tsy voky ihany.

Samy mihinana ny havany avokoa izy:

20ny fokon’i Manase mihinana ny fokon’i Efraîma,

ny an’i Efraîma kosa mihinana ny an’i Manase,

ary izy roa tonta no indray mamely ny fokon’i Joda.

Saingy, na teo aza izany rehetra izany,

dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO

fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help