1Tamin’izay ny olona rehetra teo dia nitenenan’i Jodita hoe:
–Mihainoa ahy, ry havako. Ento ity loha ity ka ahantòny eny an-tampon’ny mandan’ny tanànantsika.
2Ary amin’iny vao maraina vaky masoandro iny, aoka samy handray fiadiana ianareo vatan-dehilahy tomady rehetra, ka hivoaka ny tanàna! Mifidiana filoha ianareo, dia manaova toy ny hidina hankany amin’ny lemaka, ho eny amin’ny lohalaharan’ny Asirianina mpiambina. Kanefa tsy hidina akory ianareo.
3Ireto miaramila asirianina no handray fiadiana ka handeha ho any an-toby mba hamoha ireo komandin’ny tafiny. Hidodododo hankany amin’ny tranolain’i Hôlôferna izy, saingy tsy hahita azy velona. Dia ho raiki-tahotra mafy izy rehetra ka handositra lavitra anareo.
4Hiroso hanenjika azy kosa ianareo sy ny mponina rehetra manerana ny tanin’i Israely, ka hamono hahafaty azy eny am-pandosirany.
5Kanefa alohan’izany, asaovy mankaty i Akiôra ilay Hamônita; aoka izy hahita sy hamantatra ny lohan’ilay fatra-paniratsira an’i Israely sy nandefa ny tenany ho aty mba ho faty miaraka amintsika!
6Dia nisy naka an’i Akiôra tany an-tranon’i Hôzià. Nony tonga ralehilahy ka nahita ny lohan’i Hôlôferna izay notazonin’ny lehilahy anankiray teo amin’ny fivoriam-bahoaka, dia torana izy sady niankarapoka.
7Rehefa narenina izy, dia niantoraka teo an-tongotr’i Jodita ary niantso mafy hoe:
–Hankalazaina anie ianao amin’ny trano rehetra eran’i Jodea! Hivarahontsana ny firenena rehetra izay handrenesana ny anaranao.
8Ankehitriny kosa tantarao amiko ny zavatra rehetra nataonao nandritra ireo andro ireo.
9Teo anatrehan’ny vahoaka no nitantaran’i Jodita tamin’i Akiôra ny zavatra rehetra nataony hatreo amin’ny andro nialany tao an-tanàna ka hatramin’izao fotoana itenenany izao.
10Dia tsapan’i Akiôra ny zavatra rehetra nataon’ilay Andriamanitr’i Israely, ka nino Azy mafy izy, ary noforana ka tonga anisan’ny vahoaka israelita mandraka ankehitriny.
Hitan’i Bagôà hoe maty i Hôlôferna11Vao maraina ny andro, dia nahantona teo amin’ny mandan’i Betolia ny lohan’i Hôlôferna. Avy eo samy nandray fiadiana ny vatan-dehilahy rehetra ka nitsitokotoko nivoaka ny tanàna hankeo amin’ny kisolosolon’ny tendrombohitra.
12Rehefa nahita izany ny Asirianina, dia nandefa miaramila hampandre ny mpitarika azy; ireto kosa nampita vaovao tany amin’ny manamboninahitra rehetra, na mpifehy antokon-tafika na komandy.
13Rehefa tonga teo amin’ny tranolain’i Hôlôferna ireo mpitarika, dia niteny tamin’i Bagôà izay mpiandraikitra ny raharaha rehetra momba ity filoha faratampon’ny tafika sady nanao hoe:
–Fohazy re ny filohantsika! Ireo Israelita natao handevozintsika ireo dia sahy nidina hiady amintsika mba haringana tsy hisy miangana.
14Dia niditra tao amin’ilay tranolay i Bagôà ary nandondòna teo amin’ny varavaran’ny efitrano fatoriana, satria noheveriny fa natory tao niaraka tamin’i Jodita i Hôlôferna.
15Kanefa nony tsy nisy olona namaly, dia nosokafan’i Bagôà ny lamban-baravarana mba hidirany ao an’efitrano; ary hitany maty nazera teo amin’ny seza bory i Hôlôferna saingy tsy misy loha intsony ny vatany.
16Dia nidradraka i Bagôà ka nitomany sady nitoloko sy nigogogogo ary nandriatra fitafiana.
17Niditra tao amin’ny tranolay nipetrahan’i Jodita izy fa tsy nahita azy. Izay izy vao nikoropaka nankeo amin’ny manamboninahitra nitangorona teo ka niantso mafy hoe:
18–Narebirebin’ireo tsy valahara ireo isika! Vehivavy hebreo anankiray no nitondra henatra ho an’i Nebokadnetsara mpanjaka sy ho an’ny fianakaviany. Mitsitra amin’ny tany ao i Hôlôferna, saingy tsy misy loha intsony ny vatany.
19Vao nandre izany teny izany ireo lehiben’ny tafika asirianina, dia nandriatra ny fitafiany sady nivarahontsana mafy. Ny kiakiaka sy horakoraka nataony no nisandratra teo anivon’ny toby.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.