1Ry Tompon’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely ô, amin’ny fo ory sy fanahy kivy no iantsoanay vonjy aminao.
2Tompo ô, henoy izahay ary amindrao fo fa nanota taminao.
3Mitoetra eo amin’ny sezafiandrianana mandrakizay Ianao, fa izahay kosa mahatsiaro ho very tanteraka.
4Ry Tompon’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely ô, henoy ny fitalahoanay Israelita vahoakanao. Eny, tahaka ireo maty izahay ary taranak’ireo nanota teo anatrehanao satria tsy nihaino ny fampitandremanao Tompo Andriamanitray, ka niraikitra taminay ny loza.
5Aza tsarovanao ny helok’ireo razanay fa tsarovy kosa amin’izao fotoana izao ny herinao sy ny voninahitrao.
6Ianao no Tompo Andriamanitray, ka hidera Anao izahay, ry Tompo.
7Izany no nampidiranao ny fanajana Anao tao am-ponay, mba hiantsoanay vonjy aminao. Mihira ny fiderana Anao aty an-tsesitany izahay fa efa nampanalavirinay ny fonay ny finiavana hikomy toy ny nataon’ny razanay izay nanota taminao.
8Indreto àry izahay ankehitriny, atỳ an-tsesitany izay nampielezanao atỳ, hizaka ny latsa sy ny ozona ary hanonitra ny fikomiana rehetra nataon’ireo razanay izay niendaka taminao Tompo Andriamanitray.
NY FAHENDRENANohadinoina ny fahendrena9Ry Israely ô, mihainoa ny didy
izay mitondra ho amin’ny fiainana;
avelao hiditra ao an-tsofinareo ireny
mba hahaizanareo mandanjalanja.
10Ahoana moa ianareo, ry olon’i Israely,
no tonga aty an-tanim-pahavalo,
antitra any an-tanin’ny hafa,
11voaloto satria mifandray amin’ny maty
ary natao ho anisan’ireo tafiditra
any amin’ny fonenan’ny maty?
12Satria nilaozanareo
ny loharanom-pahendrena.
13Raha nanaraka ny làlan’Andriamanitra ianareo,
dia ho niaina tamim-piadanana mandrakizay.
14Fantaro àry izay misy ny fahaiza-mandanjalanja,
ny hery ary ny fahiratan-tsaina;
dia ho fantatrareo miaraka amin’izany koa
izay misy ny andro lava ombàm-piainana
ary ny hazavàm-pijery ny fiadanana.
Tsy takatry ny olona ny fahendrena(jereo Jôb 28.12-17; Ohab 1.1-9)15Iza no nahita ny toerana misy ny Fahendrena
ary iza no tafiditra tao an’efitrano
fanafenany ny haren-tsarobidiny?
16Aiza ireo filoham-pirenena?
Aiza ireo mpamolaka ny bibidia?
17Aiza ireo mpilalao ny voro-manidina?
Aiza ny mpanan-karena tsy hita fetra
fa manangona ny volafotsy sy ny volamena
izay ametrahan’ny olona ny fitokiany?
18Aiza ireo mpahay taozavatra
izay misahirana miasa ny volafotsy
kanefa tsy hita soritra akory ny asany?
19Levona ireny, ary efa tafidina
any amin’ny fonenan’ny maty;
ka ny hafa no nitsangana
nisolo toerana azy.
20Nahita masoandro ireo tanora herotrerony
ary nonina teto ambonin’ny tany,
nefa tsy nahafantatra ny lalana
mankany amin’ny fahalalana.
21Tsy fantany ny sakeli-dalana ahatrarana azy,
ka tsy nahazo na inona na inona taminy izy.
Ny zanaka nateraka koa nanalavitra
ny lalana nalehan’ireo rainy.
22Tsy mba re nolazaina tao Kanahàna
sady tsy mba hita tany Temana ny fahendrena.
23Na dia ireo taranak’i Hagara
izay nikaroka ny hairaha teto an-tany aza,
na ireo mpivarotra avy any Midiana sy Temàna,
na ireo mpitantara angano sy ireo filôzôfa
dia samy tsy nisy nahita ny lalana
mankany amin’ny fahendrena
na nahatadidy ny sakeli-dalany.
24Ry Israely ô,
akory ity halehiben’ny tontolo,
izay tranon’Andriamanitra,
akory ny halalaky ny fonenany!
25Midadasika tsy misy fetra izy,
sady avo tsy hay refesina!
26Teo no teraka ireo rapeto,
ireo olo-malaza tamin’ny andro fahagola,
ranjanana be sady zatra ady.
27Tsy ireny anefa no nofidin’Andriamanitra,
ary tsy ireny no natorony ny lalam-pahalalana.
28Maty izy noho ny tsy fahaiza-mandanjalanja;
eny, maty izy noho ny hadalàny.
29Iza no niakatra tany an-danitra
mba hisambotra ny Fahendrena,
sy hampidina Azy avy any amin’ny rahona?
30Iza no nita ny ranomasina mba hahita Azy
ka hahazo Azy natakalo volamena voafantina?
31Tsy misy mahafantatra ny lalana
mankany amin’ny Fahendrena
na mba maniry hizotra
amin’izay sakeli-dalany.
Fanomezana natokan’Andriamanitra ho an’i Israely ny Fahendrena32Fa Andriamanitra Izay mahalala ny zava-drehetra
no mahafantatra tsara ny Fahendrena;
tamin’ny fahiratan-tsainy no nahitany Azy.
Nanorina ny tany ho mafy mandrakizay Izy
sady nameno azy biby manan-tongotra efatra.
33Maniraka ny hazavana Izy, dia mandeha io;
ampodiny indray izany
dia manaiky Azy amin-kovitra.
34Mamiratra eo amin’ny toerany ny kintana
sady falifaly tokoa;
35miantso azy Andriamanitra,
dia valiany hoe «Indreto izahay!»
Samy mamirapiratra amin-kafaliana ireo
mba ho an’Ilay nahary azy.
36Io mpahary io no Andriamanitsika,
ary tsy misy hafa mitovy aminy.
37Efa hitany avokoa ny lalana
mankany amin’ny fahalalana;
ary izany lalana izany no natorony
ny taranak’i Jakôba mpanompony,
dia ny vahoakan’i Israely malalany.
38Hatramin’izay no nisehoan’ny fahendrena
teto ambonin’ny tany
sy niainany teo anivon’ny olombelona.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.