1 Makabeo Sava lalana - Malagasy Bible Interconfessionelle
Sava lalana –Ireo boky anankiroan’ny Makabeo dia naka lohateny avy amin’ny fanampin’anarana izay nomena an’i Joda (ilay lehilahy malaza indrindra ifantohan’ny tantara) ary koa nomena an’i Jônatàna sy i Simôna izay samy rahalahiny. Ireo boky ireo no mitatitra ny tantaran’ny vahoaka jiosy, manomboka amin’ny fotoana nikomiany tamin’ny fitondrana nampiharin’ireo mpanjaka seleosidy izay nandimby an’i Aleksandra Lehibe ka nanjaka tao Antiôkia any Siria, indrindra ireto manaraka ireto: i Seleokôsa faha-4 (taona 187-175 tal J.K.), i Antiôkôsa faha-4 Epifana (175-164), i Antiôkôsa faha-5 (164-162), i Demetry voalohany (162-150), i Aleksandra Balà (150-145), ary farany ireo mpanjaka roa lahy nifandrafy, dia i Demetry faharoa (145-138) sy i Antiôkôsa faha-6 (145-142). Ny Boky voalohan’ny Makabeo dia voasoratra tamin’ny teny hebreo aloha vao, nadika amin’ny teny grika; saingy efa very tsy hita intsony ny stf hebreo, fa dia ny dkt grika no sisa ananantsika azy. Ny vanim-potoana, taona 175-134 tal J.K., no hita voatantara ato amin’ity boky ity. Voatsiahy ny nanjakan’i Aleksandra Lehibe sy ireo mpanjaka seleosidy nandimby azy, indrindra fa ny politika nijoroan’i Antiôkôsa faha-4, izay nikendry hanery ny Jiosy hanaraka ny fomba fiaina sy fombam-pivavahana grika. Nivatravatra fiavy izany politika izany ka nampikomy an’i Matatià mpisorona sy ireo zanany (toko 1). I Joda Makabeo no nitarika ny tolona ombàm-piadiana, taona 166-160, ka nanohitra ireo jeneraly nifanesy nitarika ny tafika seleosidy, dia i Lisià sy i Bakida ary i Nikanôra (2.1–9.22). Rehefa maty i Joda Makabeo, dia i Jônatàna rahalahiny no nandray an-tanana ny tolona (taona 160-142), saingy tamin’ny endrika ara-politika kokoa fa tsy ara-tafika loatra. Voatendrin’ny mpanjaka Aleksandra Balà ho mpisorombe izy kanefa maty tamin’ny taona 142, maty novonoin’i Trifôna izay jeneraly sirianina nitsiriritra ho tonga mpanjaka handimby an’i Antiôkôsa faha-6 (9.23–12.53). I Simôna rahalahin’i Jônatàna no nanohy ny tolona (taona 142-134). Voatendrin’i Demetry faha-2 ho mpisorombe koa izy, ary namerina ny tolona ombàm-piadiana ka nahazo fizakàn-tena ho an’ireo mpiray firenena aminy. I Jôhany Hirkama zanakalahiny no nandimby azy. I Simôna Makabeo izany no mpanorina ny taranak’andriana jiosy atao hoe Hasmôneanina (13–16). Ny Boky voalohan’ny Makabeo dia sarobidy tokoa mba hamariparitana ny tantaran’ny vahoaka jiosy nandritra izany vaninandro misahotakotaka izany, izy no ahazoana manazava tsiahy maro izay voateny mivantana na misarontsarona ao amin’ireo fahitana raketin’ny Bokin’i Daniela (Dan 7–12).