Tôbita 13 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Tononkiran’i Tôbita

1Ary hoy i Tôbita hoe:

2«Hankalazaina anie Andriamanitra,

Ilay velona mandrakizay!

Hankalazaina anie ny fanjakany!

Fa manasazy Andriamanitra, dia mamindrafo;

Izy no mampidina ny olona any amin’ny toeran’ny maty,

dia hatrany amin’ny fanambanin’ny tany;

Izy koa no manala avy amin’ny fahaverezambe.

Tsy misy zavatra afa-midify ny fahefàny.

3Ry Israelita, mankalazà an’Andriamanitra

eo anatrehan’ny hafa firenena nanelezany anareo;

4teo koa Izy no naneho halehibiazana taminareo.

Asandrato Izy eo anoloan’ny miaina rehetra,

satria Izy no Tompontsika,

Izy no Andriamanitsika sy Raintsika;

Izy no Andriamanitra amin’ny taona rehetra.

5Manasazy anareo Izy noho ny fahadisoanareo

kanefa hamindrafo aminareo rehetra,

ary hanangona anareo avy amin’ny firenena rehetra

izay nanelezana anareo.

6Rehefa amin’ny fo manontolo sy aina manontolo

no hiverenanareo amin’Andriamanitra

mba hanao ny marina eo imasony,

dia hiverina aminareo koa Izy

ary tsy hanafin-tava aminareo intsony.

7Jereo àry ny nataony ho anareo,

ka isaory amin’ny vava tontolo Izy.

Ankalazao ny Tompo mpandala ny rariny

ary asandrato ilay Mpanjaka mandrakizay.

8Izaho kosa misaotra Azy tokoa

atỳ an-tany namaboana ahy atỳ.

Ny hery amam-pahalehibiazany

no asehoko amina firene-mpanota.

Miverena amin’Andriamanitra, ry mpanota ô,

ary manaova ny rariny eo imasony.

Iza moa no mahalala?

Fa angamba hanambina anareo Izy

ary koa hamindrafo aminareo.

9Manandratra an’ilay Andriamanitro aho;

ny amin’ny mpanjakan’ny lanitra

no mampientan-kafaliana ny aiko.

10Aoka ny olona rehetra, ao Jerosalema,

hanambara ny halehibiazany sy hisaotra Azy!

Ry Jerosalema tanàna masina ô,

nosazîn’Andriamanitra ianao

noho ny toetran’ireo mponinao;

kanefa Izy mbola hamindrafo indray

amin’ireo zanaky ny olo-marina.

11Koa ataovy tsara ny fisaorana Azy,

ankalazao ilay Mpanjaka mandrakizay

dia haorina indray amin-kafaliana

ny Toeramasina eo anivonao.

12Aoka ianao no hampifalian’Andriamanitra

an’ireo voababo rehetra,

sy hanehoany fitiavana ny ory rehetra

eo amin’ny taranaka rehetra ho avy!

13Hazavana manjopiaka ao aminao

no hamiratra amin’ny lafin-tany rehetra.

Vahoaka marobe, avy any lavitra,

no ho tonga eo aminao;

ary ny mponin’ny vazan-tany rehetra

no hankeo amin’ilay Andriamanitrao masina

ka hitondra ny fanatitra eny an-tanana

ho an’ilay Mpanjakan’ny lanitra.

Ao aminao ny taranaka mifandimby

no haneho ny hafaliany, ry Jerosalema;

ka ny anarana hoe ‹Voafidy› no hiantsoana anao

eo amin’ny taranaka ho avy.

14Ho voaozona anie izay rehetra hiteny mandrahona anao!

Ho voaozona anie izay rehetra handrava anao

sy handrodana ny mandanao,

mbamin’izay rehetra hampianjera ny tilikambonao

sy handoro ireo tranonao, ry Jerosalema!

Fa hotahîna mandrakizay kosa

izay rehetra manaja anao.

15Amin’izay, ry Jerosalema, mirosoa mifaly

noho ny amin’ireo zanaky ny olo-marina

satria ho tafavory izy rehetra

mba hankalaza ilay Tompo mandrakizay.

Sambatra ireo mankamamy anao;

sambatra ireo mientan-kafaliana

amin’ny fiadanana manerana anao.

16Sambatra izay rehetra malahelo anao

noho ny amin’ny famaizana nanjo anao;

satria hientan-kafaliana ao aminao izy,

ary ny hafaliana feno anananao

no hiombonany mandrakizay.

Ny aiko dia mankalaza ny Tompo,

ilay Mpanjaka lehibe,

17satria ho voaorina indray i Jerosalema

ary hijoro mandrakizay ao amin’io tanàna io

ny tranon’ny Tompo.

Ry Jerosalema ô, ho faly tokoa aho

rehefa hatrizay ny sisa tavela amin’ny taranako

dia hahita ny famirapiratanao

ary hisaotra ilay Mpanjakan’ny lanitra.

Ny vavahadinao dia haorina

amin’ny safira sy emeralda;

ny tilikambonao dia harafitra amin’ny volamena

ary ny fanamafisana azy dia hatao volamena madio;

ny arabenao dia ho vita rary vatosoamena

sy vato voafantina avy any Ofira.

18Ny vavahadinao no hipoiran’ny hiran-kafaliana

ary ny tranonao rehetra dia handredonana hoe:

Haleloià!

Hankalazaina anie ilay Andriamanitr’i Israely!

Ary ireo notahîny dia hankalaza ny anarany masina

hatrany hatrany ary mandrakizay.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help