Fahendrena 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fampirisihana hanao ny marina

1Tiava ny fahamarinana,

ianareo mpanapaka ny tany.

Aoka ho amin’ny saina mahitsy

no hiheveranareo ny Tompo,

ary ho amin’ny fo tsotra kosa

no hitadiavanareo Azy.

2Fa izay tsy mizaha toetra Azy

no mety hahita Azy;

ary izay matoky Azy no isehoany.

3Satria ny hevi-petsy

mampisaraka amin’Andriamanitra;

ary ny fahefàny voazaha toetra

mampahamenatra ny adala.

4Tsy idiran’ny Fahendrena

ny fanahy mpanao ratsy;

ary tsy mba itoerany koa

ny vatana andevozin’ota.

5Izy no Fanahy Masina mpanabe ny olona,

ka mandositra ny fihatsarambelatsihy

sy manalavitra ny hevitra adala;

ary Izy no voailikilika,

rehefa miseho ny tsy fahamarinana.

6Ny Fahendrena dia fanahy tia olona

ka tsy mamela ho afa-maina

izay miteny ratsy an’Andriamanitra;

satria io Andriamanitra io

dia vavolombelona mahita ny atifanahiny

sy mahafantatra ny fony araka ny marina

ary mandre izay lazain’ny lelany.

7Fa manerana ny tany ny Fanahin’ny Tompo,

ka mihazona mafy izao rehetra izao

ary mahafantatra ny teny voatonona.

8Noho izany, tsy misy afa-miery

na iza na iza ratsy fiteny;

ary tsy ho azony idifiana

ny famaizana sahaza azy.

9Fa hanaovam-pamotorana

ny fikasan’ny tsy mpivavaka

ka hatrany amin’ny Tompo

no ho tafapaka ny akon’ny teniny

ho porofon’ny ratsy nataony.

10Mailo ny sofin’Andriamanitra

ka mihaino ny zava-drehetra;

ary tsy misy tsy reny

na dia ny monomonona malefaka aza.

11Koa fadio ny monomonona tsy amin’antony,

tano ny lela mba tsy hanaratsy olona;

fa ny teny an-tsokosoko

dia tsy maintsy misy fiantraika,

ary ny mpilaza endrikendrika

dia mahafaty ny tenany ihany.

12Aza mitady fahafatesana

amin’ny fiainana maniasia;

ary aza mihantsy fahaverezana

amin’ny asan-tananareo.

13Satria Andriamanitra

tsy namorona ny fahafatesana;

ary tsy sitrany ny hahavery ny mananaina.

14Noharîny mba hisy manko ny zava-drehetra;

ka mahasoa eto amin’izao tontolo izao

ny fifandimbiasan-taranaka.

Tsy misy poizina mandoza ao aminy;

ary tsy mba ny fahafatesana

no manjaka eto ambonin’ny tany,

15satria tsy mety maty ny fahamarinana.

Ny fisainan’ny tsy mpivavaka eo anatrehan’ny olo-marina

16Ny fahafatesana kosa no nantsoin’ny tsy mpivavaka

amin’ny fihetsiny sy ny fiteniny;

misakaiza aminy koa ireo ka fatra-pitia azy

ary manao fanekempihavanana aminy,

ka mendrika ho mpiandany aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help